HIRA 23

Manomboka Manjaka i Jehovah

Manomboka Manjaka i Jehovah

(Apokalypsy 11:15)

  1. 1. Fotoana miavaka izao!

    Kristy no ankalazao,

    Ny fitondrany ’zao efa mijoro.

    Koa asandrato ny feo,

    Ny Fanjakany ekeo,

    Fa izy ilay voatendry

    ho vato fehizoro.

    (FIVERENANA)

    ’Lay Fanjakana ho tonga am’izay!

    Ny fiainantsika hanao ahoana?

    Tsisy hampijaly, ho salama indray,

    Ny ratsy rehetra dia ho foana.

    Derao ’lay Ray any ambony,

    Fa lehibe ny hatsaram-pony.

  2. 2. Ny farany efa akaiky!

    Ianao ve ’zao efa miaiky

    Fa horavana ity tontolo ity?

    Ny vaovao tsara ambarao,

    ’Zay no asa maika izao.

    Ka ny safidy:

    ‘Hankatò aho ve sa tsia?’

    (FIVERENANA)

    ’Lay Fanjakana ho tonga am’izay!

    Ny fiainantsika hanao ahoana?

    Tsisy hampijaly, ho salama indray,

    Ny ratsy rehetra dia ho foana.

    Derao ’lay Ray any ambony,

    Fa lehibe ny hatsaram-pony.

  3. 3. Jehovah no ivavaho,

    Mba hankasitraka anao.

    Eo an-tempoly àry no manompoa.

    Hajao manomboka izao

    Ilay Mpanjaka vaovao,

    ’Zao rehetra izao

    tsy ho ela hanaiky azy koa.

    (FIVERENANA)

    ’Lay Fanjakana ho tonga am’izay!

    Ny fiainantsika hanao ahoana?

    Tsisy hampijaly, ho salama indray,

    Ny ratsy rehetra dia ho foana.

    Derao ’lay Ray any ambony,

    Fa lehibe ny hatsaram-pony.