HIRA 31

Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitrao!

Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitrao!

(Mika 6:8)

  1. 1. Mba tianao ve ny hiara-mandeha

    Amin’Andriamanitrao?

    Ny manetry tena sy mahafoy tena

    No tiany hiezahanao.

    Fikiro mafy ny Teniny

    Dia tsy ho very ianao.

    Ekeo Jehovah ary avelao

    Mba handray ny tananao.

  2. 2. Tianao ve ny mba hiara-dia,

    Akaikin’ilay Rainao?

    Ho madio am-po, ho tia mankatò

    No tiany ho tanjonao.

    ’Zay tsara sy ’zay mahatehotia,

    Saintsaino sy hevero.

    Hampiany ianao, homeny hery.

    Ny fakam-panahy tohero.

  3. 3. Saintsaino ange hoe miarak’eny

    Ianao sy ’lay Ray tianao!

    Tsy misy mahafaly mihoatra an’izany,

    Hoe izy ho Namanao.

    Manaova hira fisaorana;

    ’Zay tsapanao kaloy.

    An’i Jehovah mantsy ianao,

    Ny hafalianao asehoy.