HIRA 101

Miara-miasa sy Miray Saina

Miara-miasa sy Miray Saina

(Efesianina 4:3)

  1. 1. ’Reo tia an’i Jehovah Ray

    Dia vahoaka ’zay tafaray;

    Miray saina sy miray fo,

    Ka sambatra tokoa.

    Koa ankamamio

    Io fiadanana io.

    Mbola maro be ny asa atao;

    Kristy no ekeo sy araho.

    Raha mazoto sy miray saina,

    Ho vita izay kasaina.

  2. 2. Tadidio f’iray ny fanahy;

    Namantsika ireo rahalahy.

    Rehefa miara-miasa kokoa

    Dia mifandray am-po.

    Tena fitahiana

    Ny firaisan-kina.

    Ny fihavanantsika no arovy,

    Fa ny tanjontsika mitovy:

    Hiara-miasa, hiara-manompo

    An’i Jehovah Tompo.