HIRA 48 Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro Mifidiana Raki-peo Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Mika 6:8) 1. ’Ndao mba samy hanetry tena, Hotantanan’i Jehovah Ray. ’Sika anie nanokan-tena, Sady tiany ’sika tsirairay. ’Lay Fanomezana hafakely No niaro antsika tsy ho very; Fa izy te ho namantsika, Nandray, tsy namela ho irery. 2. Mbola ampoizintsika aloha ’reo Fitsapana avy amin’i Satana, Fa Jehovah hiaro antsika Tsy ho kivin’ireo fisedrana. Ny farany efa io tazana io, Koa ampiasao ny fotoana. Tsarovy izao ka tadidio: Miezaha mba ho akaiky azy foana. 3. ’Ndao mba samy hanaiky hatoro; Ny Baiboly avelao hanan-kery, Eo koa ny mpiara-manompo, Ny Fanahy eo mba hanome hery. Jehovah te hanampy anao, Koa mba ekeo ’zay lazainy. Resaho ’zay rehetra ao am-ponao. Ny vavaka anie tena ilaina. (Jereo koa ny Gen. 5:24; 6:9; 1 Mpanj. 2:3, 4.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro (Hira 48) Tenin’ny Tanana Malagasy Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro (Hira 48) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016848/sign/wpub/1102016848_sign_sqr_xl.jpg sjj 48