HIRA 150

Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

(Zefania 2:3)

  1. 1. Mirehareha erỳ

    Manohitra an’i Kristy,

    Ireo firenena eto an-tany,

    Kanefa ho ringana ihany.

    Mifarana hatreo

    Ny fotoana ho azy ’reo.

    Ny Fanjakan’i Jehovah indray

    No hitondra mandrakizay.

    (FIVERENANA)

    Jehovah no tadiavo izao,

    Ny fahamarinany katsaho.

    Ary manompoa

    Amin-jotom-po,

    Matokia azy amin’ny fo.

    Ny zony hitondra no hajao,

    Hovonjeny ianao.

  2. 2. Ny olona avelao

    Hifidy ’zay tiany hatao.

    Na hihaino ireo na hanakiana,

    Tohizo ny fitoriana.

    Na hisy fitsapana,

    Aza kivy fa miomàna.

    Jehovah tsy mba mandao ’reo tiany,

    Vao miantso ianao dia valiany.

    (FIVERENANA)

    Jehovah no tadiavo izao,

    Ny fahamarinany katsaho.

    Ary manompoa

    Amin-jotom-po,

    Matokia azy amin’ny fo.

    Ny zony hitondra no hajao,

    Hovonjeny ianao.