HIRA 57 Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra Mifidiana Raki-peo Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (1 Timoty 2:4) 1. Andao hanahaka an’i Jehovah, ’Zay tsy manavaka fa tsara toetra. Tsarovy fa tsy misy tiany ho very Ireo karazan’olona rehetra. (FIVERENANA) Ka ny zava-dehibe Tsy ny bika na tarehy, Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao. N’iza n’iza io dia ampio, N’aiza n’aiza itorio Hoe: “I Jehovah te ho namanao!” 2. Ny toerana misy azy aza jerena, Tsy mampaninona izay fitafiany. Jehovah no mahita ny ao am-po, Ny maha izy azy sy ’zay mba iriny. (FIVERENANA) Ka ny zava-dehibe Tsy ny bika na tarehy, Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao. N’iza n’iza io dia ampio, N’aiza n’aiza itorio Hoe: “I Jehovah te ho namanao!” 3. Raha misy tapa-kevitra ny hiova, Jehovah mbola vonona ny handray. Koa ny karazan’olona rehetra, ’Ndao hitoriana, hampiana tsirairay. (FIVERENANA) Ka ny zava-dehibe Tsy ny bika na tarehy, Fa ny fo ’zay mitepo anatiny ao. N’iza n’iza io dia ampio, N’aiza n’aiza itorio Hoe: “I Jehovah te ho namanao!” (Jereo koa ny Jaona 12:32; Asa. 10:34; 1 Tim. 4:10; Tit. 2:11.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra (Hira 57) Tenin’ny Tanana Malagasy Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra (Hira 57) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016857/sign/wpub/1102016857_sign_sqr_xl.jpg sjj 57