HIRA 20

Nomenao Anay Ilay Zanaka Malalanao

Nomenao Anay Ilay Zanaka Malalanao

(1 Jaona 4:9)

  1. 1. Jehovah, Ray tianay,

    Toa very ’zahay taloha,

    Kanefa niantranao,

    Namindranao fo.

    Voavidy ny ainay,

    Noho ’zany atokanay

    Ho anao ny fiainanay,

    Ho anao an-tsitrapo.

    (FIVERENANA)

    ’Zao fo mihira izao

    Dia fo misaotra anao.

    Misaotra re, Jehovah,

    fa nomenao ’lay Zanakao.

  2. 2. Tia anay ianao, Ray,

    Mamela fahadisoana;

    Fa tsara fanahy sy

    Namana azo antsoina.

    Fa mihoatra noho izany,

    Nasainao ho eto an-tany

    Handatsaka ny rany

    ’Lay Zanakao tsy foy.

    (FIVERENANA)

    ’Zao fo mihira izao

    Dia fo misaotra anao.

    Misaotra re, Jehovah,

    fa nomenao ’lay Zanakao.

    (FAMARANANA)

    Jehovah, Ray tianay, tsy hainay ny hangina:

    Misaotra noho ilay Zanakao malalanao.

(Jereo koa ny Jaona 3:16; 15:13.)