HIRA 113

Ny Fiadanantsika

Ny Fiadanantsika

(Jaona 14:27)

  1. 1. Toetran’i Jehovah anie,

    Toetra tena tony.

    Izy no nilaza hoe:

    ‘Tsy hisy ady intsony.’

    Kristy koa Andrianan’ny

    Fiadanana.

    Izy no hampanjaka indray

    Ny fihavanana.

  2. 2. ’Zay teny holazaina aloha,

    Aza atao masiaka.

    ’Ndao mba samy hamindra fo,

    Fa tsy hifanditra.

    Ny antsy sy ny lefona,

    Tefeo ho fangady.

    Aza mora tezitra,

    Aza mora miady.

  3. 3. Ireo tia fihavanana,

    Mora mankatò.

    Ho tian’i Jehovah ireo,

    Hotahiny koa.

    Hita taratra eny ihany

    Ny fiadanantsika,

    Mandra-pahatongan’ny

    Tany paradisa.