HIRA 117

Ny Hatsaran-toetra

Ny Hatsaran-toetra

(2 Tantara 6:41)

  1. 1. Derainay ianao Jehovah,

    Fa ianao dia tsara toetra!

    Mahasoa anay daholo

    Ireo asanao rehetra.

    Na tsy mendrika aza izahay,

    Dia mbola amindranao fo.

    Te hanompo anao ’zahay fa

    Ianao tena Mpanao Soa.

  2. 2. Tia manao soa toa anao koa

    Ny vahoaka fidinao,

    Ka mizara vaovao tsara

    Sy mangoraka hoatr’anao.

    Ny fanahinao, Jehovah,

    Ilainay ka mba zarao;

    Ho hita taratra aminay koa

    Ny hatsaran-toetranao.

  3. 3. Koa tahio ’zahay, Jehovah,

    Mba ho zatra manao soa

    Amin’ny mpiara-manompo

    Sy ny olon-kafa koa.

    Ny fanahinao no ilainay

    Fa io no fanalahidy,

    ’Zay hanampy anay hitafy

    Ilay toetra sarobidy.