HIRA 19 Ny Sakafo Harivan’ny Tompo Mifidiana Raki-peo Ny Sakafo Harivan’ny Tompo Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Matio 26:26-30) 1. Jehovah Rainay any ambony any, Te hanandra-peo ny fonay. Tsaroanay ankehitriny ilay Paska fahiny, Nataon’ny olonao fahizay. Taloha mantsy dia zanak’ondry No niaro ny vahoakanao. Hoatran’iny Kristy, ’lay nafoinao, satria Hafa mihitsy ny fitiavanao! 2. Ho fampahatsiahivana ho anay Ireo mofo sy ny divay. Ireo no mampahatsiahy ilay aina sy ra, Takalo hanavotana anay. Fa mafy kanefa nataonao ’Lay sorona iray lafo vidy. Takariva toy ’zao, maty ilay Zanakao, Ho tsaroanay am-po, ho tadidy. 3. Tonga eto izahay fa nasainao; Tsy hainay ny tsy hisaotra anao. Mitsingerina androany ’zay niseho tam’izany, Porofon’ny fitiavanao. Ho anao re ny dera sy laza, Fisaorana no asandratray. Irinay ny hankatò, dia handray valisoa: ’Lay fiadanana mandrakizay. (Jereo koa ny Lioka 22:14-20; 1 Kor. 11:23-26.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Ny Sakafo Harivan’ny Tompo MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Ny Sakafo Harivan’ny Tompo (Hira 19) Tenin’ny Tanana Malagasy Ny Sakafo Harivan’ny Tompo (Hira 19) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016819/sign/wpub/1102016819_sign_sqr_xl.jpg sjj 19