HIRA 97 Ny Teninao no Ivelomanay Mifidiana Raki-peo Ny Teninao no Ivelomanay Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Matio 4:4) 1. ’Zay lazainao, Jehovah ô, No ivelomanay. Fantatray fa tsy mofo ihany No mamelona anay. Ianao mampanantena anay Hiaina mandrakizay. (FIVERENANA) Fantatray fa tsy mofo ihany No mamelona anay. Isan’andro ny Teninao No ivelomanay. 2. Ny Baiboly dia mitantara ’Reo ’zay niaina taloha; ’Zay natao ho fianarana Ho an’izay mankatò. Ny fiaretany sy finoany No modely ho anay. (FIVERENANA) Fantatray fa tsy mofo ihany No mamelona anay. Isan’andro ny Teninao No ivelomanay. 3. Ny Baiboly no fiainanay, Hery hoentina miady. Rehefa mila ampiononina, Dia ao ’zahay no mitady. Horaketinay ao am-po, Sarobidy aminay. (FIVERENANA) Fantatray fa tsy mofo ihany No mamelona anay. Isan’andro ny Teninao No ivelomanay. (Jereo koa ny Jos. 1:8; Rom. 15:4.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Ny Teninao no Ivelomanay MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Ny Teninao no Ivelomanay (Hira 97) Tenin’ny Tanana Malagasy Ny Teninao no Ivelomanay (Hira 97) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016897/sign/wpub/1102016897_sign_sqr_xl.jpg sjj 97