HIRA 17

“Sitrako Tokoa”

“Sitrako Tokoa”

(Lioka 5:13)

  1. 1. Tena tia Kristy, tena tia,

    Matoa izy tonga tetỳ.

    ’Zay nijaly nampiany,

    ’Zay kivy nahiny;

    ’Reo ambany tsy mba nariany.

    Ny nahantra tsy mba nohadinoiny,

    ’Reo narary dia notsaboiny.

    Fo nangoraka ny azy namaly hoe:

    ‘Aza kivy ianao, fa eto aho.’

  2. 2. Tia tokoa ianao, tia tokoa,

    Raha miantra sy mamindra fo.

    Koa ampio ’reo ’zay liana

    Sy ’zay mila ahina,

    Avelao hahatsapa hoe tiana.

    Mba iantrao rehefa mitalaho,

    Miangavy ny fanampianao.

    Aza avela hitomany hamoy fo izy.

    Omeo toky hoe: ‘Aza kivy!’