HIRA 115

Soa Ihany Andriamanitra fa Nanam-paharetana

Soa Ihany Andriamanitra fa Nanam-paharetana

(2 Petera 3:15)

  1. 1. Jehovah ô, tia rariny ianao;

    Tsy misy fetra ny herinao.

    Ratsy ny fiainana eto an-tany,

    Fa nandeferanao teny ihany.

    ’Zao kosa anefa tonga ny fetra,

    Hatsahatrao ny ratsy rehetra.

    (FIVERENANA)

    Soa ihany ianao hatram’izay

    Niandry, namindra fo taminay!

  2. 2. Sady aminao toa fohy ny fotoana,

    ’Ray andro ny arivo taona;

    Ka ny andronao tsy mba ho tara,

    Ho avy tokoa ianao hitsara.

    Fa mbola antsoinao hoe: ‘Miverena!’

    Ireo mpanota mba hovonjena.

    (FIVERENANA)

    Soa ihany ianao hatram’izay

    Niandry, namindra fo taminay!