HIRA 58 Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana Mifidiana Raki-peo Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Lioka 10:6) 1. Mila mitory ’sika, hoy Kristy; Ka miantra sy maneho fitia, toy ’zay nasehony tetỳ. Lalana maina, andro mahamay, Nandeha foana izy nitady ny ondry tsirairay. Isan-tanàna, eny an-tsena, Tadiavo ireo manetry tena; Ka itorio f’akaiky ny famonjena! (FIVERENANA) ’Ndao àry hitady ’Reo tia fihavanana eran-tany. ’Ndao f’aza miandry, Vonjeo ireo ’zay mitomany. Ary aza avela Hisy ho tavela. 2. Maika ny asa, ny ora tsy azo ariana, Na dia iray no mba mandray, nefa an’arivo no itoriana. Tiantsika ny ondry, sarobidy ny aina; ’Reo namoy fo mba hitraka, hisy hantenaina. Koa aseseo ny faritany, Tadiavo sao misy any ho any. Ho faly ’sika raha mikaroka hatrany. (FIVERENANA) ’Ndao àry hitady ’Reo tia fihavanana eran-tany. ’Ndao f’aza miandry, Vonjeo ireo ’zay mitomany. Ary aza avela Hisy ho tavela. (Jereo koa ny Isaia 52:7; Mat. 28:19, 20; Lioka 8:1; Rom. 10:10.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana (Hira 58) Tenin’ny Tanana Malagasy Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana (Hira 58) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016858/sign/wpub/1102016858_sign_sqr_xl.jpg sjj 58