HIRA 107 Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra Mifidiana Raki-peo Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (1 Jaona 4:19) 1. Jehovah no araho, modely ho antsika, Tena tia, be fitia. F’izay rehetra atao, fitiavana foana; Mahatehotia, mahatehotia. ’Lay Zanaka tiany no efa nafoiny. Ny fahotantsika efa nosoloiny. Fitiavana anie no noporofoiny. Ray be fitia ’lay Ray tena tia. 2. Raha miezaka haneho ny toetrany isika, Tia tokoa, ho afa-po. Dia hifandray tsara isika rehetra, Na ny vaovao tsy fantatrao. Tia an’i Jehovah sy ny hafa isika, Ka miezaka foana mba hisariaka. ’Zay diso nataony odiana tsy hita, Ho tia sy miahy, ho tsara fanahy. 3. Mifandray am-po toy ny mpianakavy, Tsisy ariana, samy ahina. Fa Jehovah Ray no mitaona antsika Mba hiray hina fa samy tiana. Ny fitiavantsika re no tandrovy. Mampiavaka antsika izy io ka tsarovy. Mpinamana isika na tsy mitovy. Jehovah Ray tia mandrakizay. (Jereo koa ny Rom. 12:10; Efes. 4:3; 2 Pet. 1:7.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra (Hira 107) Tenin’ny Tanana Malagasy Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra (Hira 107) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016907/sign/wpub/1102016907_sign_sqr_xl.jpg sjj 107