HIRA 119

Tena Ilaina ny Finoana

Tena Ilaina ny Finoana

(Hebreo 10:38, 39)

  1. 1. Impiry i Jehovah no efa nandefa

    Ireo mpaminany taloha!

    Ny Zanany izao miteny, kanefa

    Ianao ve mba mankatò?

    (FIVERENANA)

    Ny finoana anie hosedraina,

    Nef’izy io iankinan’ny aina.

    Porofoy àry amin’ny atao,

    Fa velona tokoa ny finoanao.

  2. 2. Kristy no mibaiko hoe: ‘Mandehana,

    Ilay Fanjakana ambarao!’

    Tsy hijanona isika na dia rarana,

    Fa maika izao asa izao.

    (FIVERENANA)

    Ny finoana anie hosedraina,

    Nef’izy io iankinan’ny aina.

    Porofoy àry amin’ny atao,

    Fa velona tokoa ny finoanao.

  3. 3. Mahasedra tadio ny tena finoana,

    Toy ny vatofantsika izy io.

    Tsy hihemotra ianao, na inon-kidona,

    Jehovah no itokio.

    (FIVERENANA)

    Ny finoana anie hosedraina,

    Nef’izy io iankinan’ny aina.

    Porofoy àry amin’ny atao,

    Fa velona tokoa ny finoanao.