HIRA 92

Toerana Mitondra ny Anaranao

Toerana Mitondra ny Anaranao

(1 Tantara 29:16)

  1. 1. Jehovah, endrey ny hafalianay

    Nahavita izao toerana izao;

    ’Zay naorinay ka irinay

    Hitondra ny anaranao.

    Ny harena, talenta sy hery

    Dia avy aminao avokoa.

    Omenay anao izy ’reny,

    Avy amin’ny fonay tokoa.

    (FIVERENANA)

    Tokananay ho anao anio

    ’Zao toerana kanto izao.

    Ho an’ny anaranao izy io,

    Mba ekeo sy ankasitraho.

  2. 2. Natao hiderana anao ato,

    Ka tianay ho mendrika tsara.

    Tandremanay foana ho kanto,

    Hadio sy ho voakarakara.

    Tahio re ny ezaka ataonay,

    Tahio mba hisy fitomboana.

    Fa eto no efa nofidinay,

    Sy natokanay hanompoana.

    (FIVERENANA)

    Tokananay ho anao anio

    ’Zao toerana kanto izao.

    Ho an’ny anaranao izy io,

    Mba ekeo sy ankasitraho.