HIRA 106 Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana Mifidiana Raki-peo Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (1 Korintianina 13:1-8) 1. Jehovah Tompo no angataho Dia hohatsarainy ireo toetranao. Fa toetra iray no lehibe indrindra, Dia ’lay fitiavana tsy mba ritra. Fa na dia hendry sy matotra aza, Na koa mahay sady tsara laza, Dia tsinontsinona foana isika, Raha ny fitiavana mangatsiaka. 2. ’Zay tia tokoa dia mitady homena, Ka te hizara, tsy mba tia tena. Mamindra fo fa tsy mankahala, Mamela an’ireo rahalahy malala. Fa ny fitiavana anie mahery, Tsy mora kivy, mahari-pery. Raha ny fitiavana no manjaka, Ny mafy rehetra tsy maintsy zaka! (Jereo koa ny Jaona 21:17; 1 Kor. 13:13; Gal. 6:2.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana (Hira 106) Tenin’ny Tanana Malagasy Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana (Hira 106) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016906/sign/wpub/1102016906_sign_sqr_xl.jpg sjj 106