HIRA 127

Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

(2 Petera 3:11)

  1. 1. Inona, Jehovah, no havaliko anao

    Noho ny soa rehetra ’zay efa nataonao?

    Ny Teninao moa no fitaratry ny foko,

    Iriko ny hanitsy ’zay fahadisoako.

    (TETEZANA)

    Izaho efa nivoady hanompo anao ’rery,

    Kanefa an-tsitrapo fa tsy natao an-tery.

    Ny hampifaly anao no mba faniriako;

    ’Zay no fomba fiaina efa nofidiko.

    Ampio aho, Jehovah, mba handini-tena.

    Asehoy ahy tsara ny lalàm-pahendrena,

    Satria ’zay mahitsy sy tsy mivadika ihany

    No sitrakao ary tahinao hatrany.