HIRA 67

“Torio ny Teny”

“Torio ny Teny”

(2 Timoty 4:2)

  1. 1. Jehovah mihitsy no miteny,

    Tena mila atao ’lay asa nomeny.

    Miomàna àry hiresaka avy hatrany,

    Hamaly rehefa misy manontany.

    (FIVERENANA)

    Koa mitoria,

    Aina mantsy no vonjena!

    Mitoria,

    Fa ny farany tsy ho ela.

    Mitoria,

    ’Zay tso-po ampio hatrany!

    Mitoria

    Maneran-tany!

  2. 2. Tsy ny rehetra no mandray,

    Ka tsy mora ny mitory ’ndraindray.

    Na misy aza fanenjehana,

    Jehovah foana ianteherana.

    (FIVERENANA)

    Koa mitoria,

    Aina mantsy no vonjena!

    Mitoria,

    Fa ny farany tsy ho ela.

    Mitoria,

    ’Zay tso-po ampio hatrany!

    Mitoria

    Maneran-tany!

  3. 3. Rehefa tsy misy fandrarana,

    Hararaoty ’zany ka mampianara.

    Ampio ho voavonjy ’reo ’zay mino,

    Ny anaran’i Jehovah hamasino.

    (FIVERENANA)

    Koa mitoria,

    Aina mantsy no vonjena!

    Mitoria,

    Fa ny farany tsy ho ela.

    Mitoria,

    ’Zay tso-po ampio hatrany!

    Mitoria

    Maneran-tany!