HIRA 66

Torio ny Vaovao Tsara

Torio ny Vaovao Tsara

(Apokalypsy 14:6, 7)

  1. 1. Mazava izao ’lay zava-miafina taloha

    Hoe ho avy ’lay Mpanjaka iray hitondra soa.

    Tia rariny Jehovah, tia mamindra fo;

    Nataony izay mba hamonjena ireo tso-po.

    Tsy miafina amintsika izao ny fikasany:

    Ny Zanany ho Mpanjaka

    ary izy hanavao ny tany;

    Dia hisy ondry vitsy hofidiny avy eo,

    Ho vadin’ilay Zanak’ondry mantsy ireo.

  2. 2. ’Reo zavatra nambara hatramin’ny fahiny,

    Tian’i Jehovah hohazavaina ankehitriny.

    Asainy torintsika izao ’lay Fanjakany;

    Ny anjely koa mandray anjara hilaza izany.

    Adidintsika anefa sady tombontsoa,

    Ny hoe mitondra

    ny anaran’ny Ray tsy toha;

    Sy hoe Vavolombelona ’zay manambara,

    Nirahina hitory an’ilay vaovao tsara!