HIRA 34 Tsy Hivadika Mandrakizay Aho Mifidiana Raki-peo Tsy Hivadika Mandrakizay Aho Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Salamo 26) 1. Mba tsarao aho, jereo ankehitriny, Fa tsy mivadika aho, mandeha tsy misy tsiny. Jehovah ô, ny fiainako tahio. Fantaro sy diniho ny foko mba hadio. (FIVERENANA) ’Zaho kosa izao, Miaiky ao anatiko ao Hoe tsy hivadika aho, Mandrakizay ho anao! 2. Tsy tiako ireo mitady hamadika. Tsy ataoko namana fandrao mamandrika. ’Zaho re arovy, aza ataonao mitovy Amin’ireo mpikomy, ny aiko re tsinjovy. (FIVERENANA) ’Zaho kosa izao, Miaiky ao anatiko ao Hoe tsy hivadika aho, Mandrakizay ho anao! 3. Ny tranonao no tiako honenana, Fa ny manompo anao, tsisy hanenenana. Iriko izao ny mba hisaotra anao Sy hanodidina ny alitaranao. (FIVERENANA) ’Zaho kosa izao, Miaiky ao anatiko ao Hoe tsy hivadika aho, Mandrakizay ho anao! (Jereo koa ny Sal. 25:2.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Tsy Hivadika Mandrakizay Aho MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Tsy Hivadika Mandrakizay Aho (Hira 34) Tenin’ny Tanana Malagasy Tsy Hivadika Mandrakizay Aho (Hira 34) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016834/sign/wpub/1102016834_sign_sqr_xl.jpg sjj 34