HIRA 136

‘Valisoa avy Amin’i Jehovah’

‘Valisoa avy Amin’i Jehovah’

(Rota 2:12)

  1. 1. Jehovah mahita ny fanompoanao,

    Ny fiaretanao fahoriana;

    Fa maro ny zavatra nilaozanao,

    Na trano na fianakaviana.

    Dia fantany tsara ary honerany foana

    Izay nafoinao hatrizay.

    Omeny rahalahy maro be mantsy ianao,

    Sy fiainana mandrakizay.

    (FIVERENANA)

    Tsy hariany ianao, tsy havelany,

    Fa mialoka eo ambany elany.

    Jehovah no hamaly soa anao,

    ’Lay tsy manadino, ’lay tsy mba mandao.

  2. 2. Ny onjan’ny fiainana sy ny adin-tsaina,

    Toa mampitanondrika anaty.

    Ianao lasa kivy, te hamoy fo,

    Fa mafy toa mila tsy ho tanty.

    F’ilay Mpihaino vavaka ’nefa eo foana,

    Ny Teniny koa no henoy.

    Dia ny fanahy masina hery hampitraka;

    ’Reo namanao koa tsy mahafoy.

    (FIVERENANA)

    Tsy hariany ianao, tsy havelany,

    Fa mialoka eo ambany elany.

    Jehovah no hamaly soa anao,

    ’Lay tsy manadino, ’lay tsy mba mandao.