HIRA 146 Ho Vaovao Izao Rehetra Izao Mifidiana Raki-peo Ho Vaovao Izao Rehetra Izao Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary (Apokalypsy 21:1-5) 1. Ireo “famantarana” dia ahitana Hoe am-perinasa ilay Fanjakana. Satana efa resy, ary kely sisa Ny tany hovana ho paradisa. (FIVERENANA) Dia ho vaovao ’zao rehetra izao. Jehovah efa eo aminao. Ny fahafatesana tsy hisy intsony, Ny fanaintainana tsy maintsy hitony. Ny ranomaso rehetra hofafany. Tsy mba nofinofy izany! 2. I Jerosalema Vaovao efa io, Voaravaky ny vatosoa madio. Ny vadiny: ’Lay Zanak’ondry ihany. Jehovah no jiro sy fahazavany. (FIVERENANA) Dia ho vaovao ’zao rehetra izao. Jehovah efa eo aminao. Ny fahafatesana tsy hisy intsony, Ny fanaintainana tsy maintsy hitony. Ny ranomaso rehetra hofafany. Tsy mba nofinofy izany! 3. Mamiratra kanto ilay tanàna soa, Ireo vavahadiny havela hivoha. Mizotra mankany ireo firenena, Maneho ny hazavany tsy hay fefena. (FIVERENANA) Dia ho vaovao ’zao rehetra izao. Jehovah efa eo aminao. Ny fahafatesana tsy hisy intsony, Ny fanaintainana tsy maintsy hitony. Ny ranomaso rehetra hofafany. Tsy mba nofinofy izany! (Jereo koa ny Mat. 16:3; Apok. 12:7-9; 21:23-25.) Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Ho Vaovao Izao Rehetra Izao MIHIRÀ AMIN’NY FO HO AN’I JEHOVAH Ho Vaovao Izao Rehetra Izao (Hira 146) Tenin’ny Tanana Malagasy Ho Vaovao Izao Rehetra Izao (Hira 146) https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1102016946/sign/wpub/1102016946_sign_sqr_xl.jpg sjj 146