HIRA 44

Vavaky ny Torotoro Fo

Vavaky ny Torotoro Fo

(Salamo 4:1)

  1. 1. Jehovah, mba henoy re aho

    mivavaka aminao.

    Maratra sy mangirifiry

    ny ao anatiko ao.

    Manjombona ny fiainako,

    nafoy ’zay nantenaiko.

    Mba omeo fampiononana aho

    fa reraka ny aiko.

    (FIVERENANA)

    Ampio re aho hahazaka izao,

    Mba omeo toky, mba hatanjaho;

    Fa ketraka aho ka miantso anao.

    Jehovah ô, iantrao re aho.

  2. 2. Ny Teninao mampionona ahy

    rehefa miady saina,

    Mamoaka ny fihetseham-po

    ’zay tsy haiko lazaina.

    Ampio foana aho hitraka

    mba tsy hihena ny finoako,

    Hatoky ny fitiavanao

    ’zay lehibe noho ny foko.

    (FIVERENANA)

    Ampio re aho hahazaka izao,

    Mba omeo toky, mba hatanjaho;

    Fa ketraka aho ka miantso anao.

    Jehovah ô, iantrao re aho.