HIRA 63

Vavolombelon’i Jehovah Isika!

Vavolombelon’i Jehovah Isika!

(Isaia 43:10-12)

  1. 1. Tapa-kazo no tompoiny

    Fa Jehovah tsy ao am-pony.

    Ray Mahery Indrindra izy,

    Sady tena ambony.

    Nef’ireny sampy ireny

    Tsy mahita na miteny,

    Dia tsy hainy akory izay mbola ho avy;

    Fa ’lay Tsitoha tsy misy hoatr’azy!

    (FIVERENANA)

    Raha Jehovah no miteny

    Dia ho to ’zay nokendreny;

    Izy ihany no ianteherantsika.

    Vavolombelony isika!

  2. 2. ’Ndao àry izy hankalazaina,

    Ka ny anarany hoderaina.

    Dia ampio ’zay very

    Mba hisy hantenaina.

    Faly isika manambara

    Sy mizara vaovao tsara.

    Dia ’zay tso-po manaiky hankatò,

    Tonga hidera azy ihany koa.

    (FIVERENANA)

    Raha Jehovah no miteny

    Dia ho to ’zay nokendreny;

    Izy ihany no ianteherantsika.

    Vavolombelony isika!

  3. 3. ’Zao tsarovy, tadidio:

    ’Zay lazain’ny Ray torio,

    Fa be mpanaratsy

    Io anarany io.

    Raha mifona anef’ireo,

    Ka mahatsiaro an’azy avy eo,

    Jehovah anie ka vonona hamela;

    Dioviny hadio tsisy tavela.

    (FIVERENANA)

    Raha Jehovah no miteny

    Dia ho to ’zay nokendreny;

    Izy ihany no ianteherantsika.

    Vavolombelony isika!