Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!

Maro ny faminaniana miresaka momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio ao amin’ny bokin’i Ezekiela. Nahoana no tokony hahaliana antsika ireny faminaniana ireny?

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Enga anie ity boky ity hanampy anao mba hanompo an’i Jehovah araka ny sitrapony, satria tena mendrika an’izany izy.

Fanazavana ny Zavatra Mampiavaka An’ity Boky Ity

Misy efajoro sy sary ahitana daty manan-tantara maromaro ato mba hanampiana antsika hahazo kokoa ny fanazavana.

TOKO 1

“Jehovah Ndranaharinao ro Tsy Maintsy Iankohofanao”

Rehefa nitarika ny olona hikomy i Satana, dia nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra sady nitsangana ho fahavalon’ny fivavahana madio.

TOKO 2

‘Nankasitraha-Ndranahary’ ty Fanomeza Nataon-drozy

Misy zava-dehibe efatra takina amintsika raha tiantsika hankasitrahan’i Jehovah ny fanompoantsika azy. Manaporofo an’izany ny tantaran’ireo lehilahy nanam-pinoana taloha.

TOKO 3

“Nahita Fahità Baka amy Ndranahary Aho”

Talanjona i Ezekiela rehefa nahazo an’ilay fahitana voalohany. Miana-javatra avy amin’izy io ny mpanompon’i Jehovah amin’izao.

TOKO 4

Ia ‘Raha Mananay Mana Tarehy Efatsy’ Reo?

Nanome fahitana an’i Ezekiela i Jehovah mba hanampiana antsika hahatakatra zavatra sasany tsy ho azontsika mihitsy.

TOKO 5

“Henteo ty Raha Raty Noho Mampangaroharo Ataon-drozy”

Nahita zavatra efatra manafintohina i Ezekiela, ary mampiseho izy ireny hoe simba ny fifandraisan’ilay firenena manontolo tamin’i Jehovah.

TOKO 6

“Avy Aminao Vatany Henanizao ty Farany”

Hita amin’ireo karazana fampisehoana nataon’i Ezekiela hoe ahoana no hampisehoan’i Jehovah fa tezitra be tamin’ny olona tao Jerosalema izy.

TOKO 7

‘Tsy Maintsy ho Hain-drozy fa Zaho ro Jehovah’

Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny nataony ireo firenena nanohitra an’i Jehovah sy nanenjika ny vahoakany na nitaona an-dry zareo hanao ratsy. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fifandraisan’ny Israelita tamin’ireo firenena ireo?

TOKO 8

“Hanendry Mpiaraky Raiky Aho”

Nasain’Andriamanitra nilaza faminaniana efatra momba ny Mesia i Ezekiela. Ho Mpiandry sy Mpitondra io Mesia io, ary hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio.

TOKO 9

“Hameako fo Raiky Rozy”

Mahakasika antsika ve ny faminaniana noresahina tamin’ireo Jiosy tsy nivadika natao sesitany tany Babylona?

TOKO 10

“Ho Velo Ndraiky Nareo”

Nahita tany lemaka feno taolana maina novelomina indray i Ezekiela tao amin’ny fahitana iray. Inona no dikan’izany?

TOKO 11

‘Nitendreko ho Mpiamby Iha’

Inona avy ny andraikitr’ilay mpitily notendren’i Jehovah? Mampitandrina ny olona momba ny inona izy?

TOKO 12

“Hataoko Lasa Firenena Raiky Avao Rozy”

Mampanantena i Jehovah hoe hataony miray saina ny vahoakany.

TOKO 13

‘Hazavao ty Mikasiky ani-Tempoly Iny’

Inona no dikan’ilay tempoly hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana?

TOKO 14

“Zao ty Lalàna Mikasiky ani-Tempoly Iny”

Inona ny lesona nianaran’ny Jiosy natao sesitany avy tamin’ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly? Inona ny lesona azontsika ianarana avy amin’io fahitana io?

TOKO 15

‘Tsy Hengàko Hanao Makorely Sasy Iha’

Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo mpivaro-tena resahin’ny bokin’i Ezekiela sy ny Apokalypsy?

TOKO 16

“Asio Mariky ty Handrin’Olo”

Nasiana marika ny olona tsy nivadika tamin’ny andron’i Ezekiela, amin’izay ry zareo tafavoaka velona. Mahakasika antsika amin’izao andro izao koa ve izany?

TOKO 17

“Hialy Aminao aho, ry Goga”

Iza i Goga avy any Magoga ary inona ilay tany hotafihiny?

TOKO 18

“Ho Meloky Marè Aho”

Ho tezitra be i Jehovah rehefa hanafika ny vahoakany i Goga. Harovan’i Jehovah ireo vahoakany ireo amin’izay.

TOKO 19

“Ho Velo ze Raha Iaby amy Faritsy Ivarinani-Vavarano Iny”

Nahoana isika no milaza hoe efa tanteraka ilay fahitan’i Ezekiela momba an’ilay renirano mikoriana avy ao amin’ny tempoly? Nahoana koa isika no milaza fa tanteraka amin’izao izy io ary mbola ho tanteraka amin’ny hoavy?

TOKO 20

“Zarao ho Lovanareo Tany Iny”

Nandidy an’i Ezekiela sy ireo niara-natao sesitany taminy mba hizara ny Tany Nampanantenaina ho an’ny fokon’ny Israely i Jehovah.

TOKO 21

“Zao ty ho Anarani-Tanà Iny: ... Jehovah ro Ao”

Inona no ianarantsika avy amin’ilay tanàna hitan’i Ezekiela sy anarany?

TOKO 22

“Ndranahary ro Ivavaho”

Ny tanjon’ity boky ity dia ny hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hoe hanompo an’i Jehovah Andriamanitra irery ihany.

Fanazavà Vaovao amy Boky toy Ato

Nahoana no nahitsy ny fahazoantsika ny faminaniana sasany ao amin’ny bokin’i Ezekiela?

EFAJORO 1A

Inona no Atao hoe Mivavaka?

Inona no atao hoe mivavaka? Inona no asongadin’ny bokin’i Ezekiela mifandray amin’izany? Inona no tokony hataon’ny olona manaraka ny fivavahana madio?

EFAJORO 1B

Inona no Resahina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela?

Milahatra arakaraka ny fotoana nisehoany ny zava-mitranga resahin’i Ezekiela, sady milahatra araka ny foto-kevitra.

EFAJORO 2A

Ny Tsara ho Fantatra Alohan’ny Handinihana ny Faminanian’i Ezekiela

Misy fahitana sy fanoharana ary karazana fampisehoana resahina ao amin’io boky io. Maro amin’izy ireny no hafatr’Andriamanitra momba ny hoavy.

EFAJORO 2B

Ezekiela: Ny Fiainany sy Izay Nitranga Tamin’ny Androny

Nisy mpanompon’i Jehovah hafa naminany tamin’ny andron’i Ezekiela. Nitranga tamin’ny androny koa ny zavatra sasany niavaka teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra.

EFAJORO 3A

Ilay Dia Lavitra Nankany Babylonia

Taiza no lalana azo inoana fa narahin’ny Jiosy natao sesitany avy tany Joda nankany Babylona?

EFAJORO 4A

‘Nijery An’ireo Zavamananaina Ireo’ Aho

Inona no tsy nampitovy an’ireo zavamananaina efatra hitan’i Ezekiela sy ireo sarivongana ngezabe hita eran’i Asyria sy Babylonia fahiny?

EFAJORO 5A

“Hitanao ve Izao, ry Zanak’olona?”

Nahita zavatra efatra maharikoriko tao amin’ny tempoly sy tao amin’ny tokotanin’ny tempoly i Ezekiela.

EFAJORO 6A

“Kakaso ny Lohanao ary Esory ny Volombavanao”

Nasain’i Jehovah nanao karazana fampisehoana i Ezekiela mba hampahafantarana hoe inona no hitranga tsy ho ela ao Jerosalema.

EFAJORO 7A

Ireo Firenena Nanodidina An’i Jerosalema

Imbetsaka no niady tamin’ny Joda ny firenena nanodidina azy.

EFAJORO 7B

Teny Miverimberina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela

Misy teny miverimberina be ao amin’io boky misy faminaniana io.

EFAJORO 8A

Faminaniana Momba ny Mesia: Ilay Hazo Sedera Lehibe

Inona no dikan’ilay ankamantatra resahin’ny Ezekiela toko faha-17?

EFAJORO 8B

Faminaniana Telo Momba ny Mesia

Naminany i Ezekiela fa ho mendrika hatokisana ilay mpanjaka voatendry hitondra ny vahoakan’Andriamanitra.

EFAJORO 9A

Manatanteraka ny Fampanantenany i Jehovah: Tamin’ny Andron’ny Israely

Nasain’i Jehovah nilaza faminaniana dimy i Ezekiela. Resahina ao amin’ireo faminaniana ireo hoe hafahany ny Israelita ary haveriny amin’ny laoniny ny fivavahana madio.

EFAJORO 9B

Fa Maninona no hoe 1919?

Nahoana isika no milaza hoe tamin’ny 1919 ny vahoakan’Andriamanitra no nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe?

EFAJORO 9D

Manatanteraka ny Fampanantenany i Jehovah: Amin’ny Androntsika

Ho hitanao ato hoe tanteraka indroa ny fampanantenan’i Jehovah sasany.

EFAJORO 9E

Faminaniana Momba ny Sesitany sy ny Famerenana Amin’ny Laoniny

Tanteraka tamin’ny fomba miavaka kokoa ireo faminaniana momba ny nanaovana sesitany ny Jiosy sy ny namerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Babo tao amin’i Babylona Lehibe koa mantsy ny fiangonana kristianina ary nafahana avy eo.

EFAJORO 9F

“Fotoana Hamerenana ny Zava-drehetra Amin’ny Laoniny”

Niresaka momba ny fotoana miavaka iray ny apostoly Petera. Nanomboka tamin’i Kristy lasa Mpanjaka izy io, ary tsy mifarana raha tsy amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona.

EFAJORO 10A

Naverina Tamin’ny Laoniny Tsikelikely ny Fivavahana Madio

Inona avy ny zava-nitranga nahatonga ny asa fitoriana hiroborobo?

EFAJORO 10B

Ireo “Taolana Maina” sy Ireo ‘Vavolombelona Roa’: Inona no Ifandraisan’ireo Faminaniana Roa Ireo?

Ahoana no nahatanteraka an’ireo faminaniana roa ireo amin’izao andro izao?

EFAJORO 10D

Afaka Manampy Antsika Hijoro Amin’ny Tongotsika i Jehovah

Tototry ny olana isika indraindray dia vizana tanteraka. Mampahery antsika anefa ny misaintsaina an’ilay fahitana momba an’ireo taolana maina lasa velona indray.

EFAJORO 11A

Mpitily Modely

Nenjehina ny mpitily nefa tsy nivadika tamin’i Jehovah. Nilaza fampitandremana ry zareo sady nampita vaovao tsara.

EFAJORO 12A

Natao Nifanatona Ireo Tapa-kazo Roa

Nampiseho an’iza ireo tapa-kazo roa ireo taloha, ary mampiseho an’iza izy ireo amin’izao?

EFAJORO 13A

Tempoly Samy Hafa, Lesona Samy Hafa

Inona no maha samy hafa an’ilay tempoly hitan’i Ezekiela sy ilay tempoly noresahin’ny apostoly Paoly?

EFAJORO 14A

Lesona avy Amin’ilay Fahitan’i Ezekiela Momba ny Tempoly

Inona no lesona azonao ampiharina avy amin’ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly?

EFAJORO 15A

Ohola sy Oholiba

Hita amin’izay nolazain’i Jehovah momba an’i Ohola sy Oholiba hoe ahoana no fiheverany an’izay miseho ho manompo azy nefa manala baraka ny anarany masina sady tsy mankatò ny fitsipika apetrany ho an’izay manaraka ny fivavahana madio.

EFAJORO 16A

Mifanitsy Amin’i Jerosalema ve ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?

Nahoana no nahitsy ny fomba fahazoantsika an’io hevitra io?

EFAJORO 16B

Misento sy Mitaraina, Manisy Marika, Manapotipotika: Rahoviana Izany no Hitranga ary Amin’ny Fomba Ahoana?

Ho vonona hiatrika ny faran’izao tontolo izao isika raha mahazo tsara an’izay voalazan’ilay fahitana ao amin’ny Ezekiela toko faha-9.

EFAJORO 18A

Mampitandrina Momba An’ilay Ady Lehibe ho Avy i Jehovah

Milaza ny Baiboly fa horinganin’i Jehovah amin’ny alalan’ny ady lehibe iray izay rehetra manohitra azy.

EFAJORO 19A

Renirano Mitondra Fitahiana avy Amin’i Jehovah

Maromaro ny mpanoratra Baiboly nampiasa fanoharana mitovy mba hiresahana momba ny fitahian’i Jehovah.

EFAJORO 19B

Rano Kely Nikoriana Lasa Renirano Be!

Inona no asehon’ilay rano mikoriana avy ao amin’ny toerana masin’Andriamanitra?

EFAJORO 20A

Ny Fizarana An’ilay Tany

Nampahery ny Jiosy natao sesitany ilay fahitan’i Ezekiela momba ny fizarana an’ilay tany, sady mampahery ny vahoakan’i Jehovah amin’izao.

EFAJORO 21A

Ilay ‘Ampahany Tokony Hatokana ho Fanomezana’

Inona avy ireo faritra dimy nasain’Andriamanitra natokana? Inona no antony nanokanana ny tsirairay amin’izy ireo?

EFAJORO 22A

Ilay Fitsapana Farany

Inona no ho valisoan’izay tsy mivadika amin’ilay fitsapana farany?