Hanenty ty anatiny ao

Ho amy loha hevitsy any

EFAJORO 9F

“Fotoana Hamerenana ny Zava-drehetra Amin’ny Laoniny”

“Fotoana Hamerenana ny Zava-drehetra Amin’ny Laoniny”

ASAN’NY APOSTOLY 3:21

Niresaka momba ny “fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny” ny apostoly Petera. Tamin’i Kristy natao Mpanjaka io fotoana mahafinaritra io no nanomboka, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona.

  1. 1914: Lasa Mpanjaka any an-danitra i Jesosy Kristy. Lasa ao amin’ny paradisa ara-panahy ny vahoakan’Andriamanitra nanomboka tamin’ny 1919

    Andro farany

  2. ARAMAGEDONA: Manomboka ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Mitohy ny “fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny”, ka mahazo fitahiana be dia be ny olona tsy mivadika eto an-tany

    Fanjakana Arivo Taona

  3. FARAN’NY FANJAKANA ARIVO TAONA: Vitan’i Jesosy tanteraka ny famerenana amin’ny laoniny, dia omeny ny Rainy ny Fanjakana

    Paradisa mandrakizay

REHEFA MITONDRA I JESOSY, DIA...

  • homena voninahitra indray ny anaran’Andriamanitra

  • hositranina ny marary

  • ho lasa tanora ny antitra

  • ho velona indray ny maty

  • ho lasa lavorary indray ny olona tsy mivadika

  • ho lasa paradisa ny tany