Hanenty ty anatiny ao

Ho amy loha hevitsy any

TOKO 5

“Henteo ty Raha Raty Noho Mampangaroharo Ataon-drozy”

“Henteo ty Raha Raty Noho Mampangaroharo Ataon-drozy”

EZEKIELA 8:9

HEVITSY HODINIHY: Nivadi-pinoa ty olo ta Joda tao, ka lasa nanompo ndranahary diso noho nanao raha raty maro

1-3. Ino ty teani-Jehovah ho hitani-Ezekiela tamy tempoly ta Jerosalema tao, le ino ty antony? (Henteo ty safà fampilira ty Fizarà 2 noho ty sary ao.)

 NAHAFANTATRA tsara ny Lalàn’i Mosesy i Ezekiela satria zanaka mpisorona. Fantany tsara ny tempoly tao Jerosalema sy ny fomba tokony ho nanompoana an’i Jehovah tao. (Ezek. 1:3; Mal. 2:7) Nisy zava-nitranga anefa tao amin’io tempolin’i Jehovah io tamin’ny 612 T.K., ary azo antoka fa ho tafintohina izay Jiosy tsy nivadika nahita an’izany, anisan’izany i Ezekiela.

2 Tian’i Jehovah ho hitan’i Ezekiela ny zavatra faran’izay ratsy nitranga tao amin’ny tempoly, dia hotantarainy amin’ny “anti-panahy avy any Joda” avy eo. Niara-natao sesitany taminy ireo anti-panahy ireo, ary nivory tao an-tranony. (Vakio ny Ezekiela 8:1-4; Ezek. 11:24, 25; 20:1-3) Tany Tela-abiba, teo amoron’ny reniranon’i Kebara tany Babylona, i Ezekiela no nipetraka tamin’izany. Nampiasa ny fanahy masina i Jehovah, dia nentiny tany amin’ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny alalan’ny fahitana i Ezekiela, na dia an-jatony kilaometatra tany andrefan’i Jerosalema aza ilay nisy azy. Tonga teo amin’ny vavahady mitodika mianavaratra ilay mpaminany, izany hoe teo amin’ny fidirana mankao amin’ny tokotany anatiny tao amin’ny tempoly. Nanomboka teo, dia nentin’i Jehovah nitsidika ny toerana samihafa tao izy.

3 Nahita zavatra efatra manafintohina be tao amin’ny tempoly i Ezekiela. Nampiseho izany fa voaloto tanteraka ny fivavahana madio tao amin’ilay firenena. Ahoana no nahatonga an’izany? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’io fahitana io? Andao isika hiaraka amin’i Ezekiela mihitsy e! Hodinihintsika anefa aloha hoe inona no takin’i Jehovah amin’ny mpanompony ary nahoana izy no manan-jo hitaky an’izany.

“Zaho ... le Ndranahary mitaky ty hanompoa ahy raiky avao”

4. Ino ty takini-Jehovah amy mpanompony?

4 Efa 900 taona teo ho eo talohan’ny andron’i Ezekiela i Jehovah no nilaza mazava hoe inona no takiny amin’ny mpanompony. Nilaza tamin’ny Israelita a izy tao amin’ilay didy faharoa amin’ny Didy Folo hoe: “Izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.” (Eks. 20:5) Rehefa nilaza i Jehovah hoe ‘mitaky ny hanompoana azy irery ihany’ izy, dia midika izany hoe tsy ekeny raha manompo andriamani-kafa ny mpanompony. Hitantsika tao amin’ny Toko faharoa hoe i Jehovah no tsy maintsy hivavahana, ary izay ilay zava-dehibe voalohany takina amin’izay manaraka ny fivavahana madio. Tokony ho hita eo amin’ny fiainan’ny mpanompony hoe i Jehovah no tian-dry zareo voalohany indrindra, ary tsy misy avelany haka ny toerany. (Eks. 20:3) Raha tsorina, dia tian’i Jehovah hadio ara-panahy foana ny mpanompony, izany hoe tsy hanafangaro ny fivavahana marina amin’ny fivavahan-diso. Nanaiky an-tsitrapo hanao ny fifaneken’ny Lalàna ny Israelita tamin’ny 1513 T.K., ary nekeny tamin’izay hoe i Jehovah irery no hotompoiny. (Eks. 24:3-8) Manaja ny fifanekena ataony foana i Jehovah, ary izay koa no nandrasany tamin’ilay vahoaka nanao fifanekena taminy.​—Deot. 7:9, 10; 2 Sam. 22:26.

5, 6. Manino ro tena maeva ani-Jehovah ty hoe ie raiky avao ro notompoen’Israelita?

5 Ara-dalàna ve raha nitaky i Jehovah hoe izy irery no tokony hotompoin’ny Israelita? Izany mihitsy! I Jehovah mantsy no Andriamanitra Mahery Indrindra sady Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Izy koa no Loharanon’aina sady mahatonga ny zavaboary ho velona foana. (Sal. 36:9; Asa. 17:28) Mpanafaka ny Israelita koa izy. Nampahatsiahy an-dry zareo i Jehovah tamin’izy nanome ny Didy Folo hoe: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, tany amin’ny toerana nanandevozana anao.” (Eks. 20:2) Mendrika an’i Jehovah àry ilay hoe izy irery no notompoin’ny Israelita!

6 Tsy miova i Jehovah. (Mal. 3:6) Mbola mitaky foana izy hatramin’izao hoe izy irery no tokony hotompoina. Azontsika avy amin’izany angamba izay tsapany momba an’ireo zavatra efatra manafintohina be nasehony an’i Ezekiela.

Ty raha niseho voalohany: “Sampy mahavy a-Ndranahary ho saro-piaro”

7. a) Ino ty nataoni-Jiosy nivadi-pinoa reo tamy vavahady avaratsy tamy tempoly tao, le ino ty tsapani-Jehovah lafa nahita ani-zay? (Henteo sary voalohany amy toko toy.) b) Manino Jehovah ro lasa saro-piaro? (Henteo ty fanamariha ambany pejy.)

7 Vakio ny Ezekiela 8:5, 6. Tsy maintsy hoe tafintohina be i Ezekiela rehefa nahita ny Jiosy nivadi-pinoana! Nisy sampy notompoin-dry zareo teo amin’ny vavahady avaratra tao amin’ny tempoly. Tsato-kazo masina nampiseho an’i Aseraha, andriamanibavy noheverin’ny Kananita hoe vadin’i Bala, angamba izy io. Na izy anefa na zavatra hafa no nasehon’io sampy io, dia nivadika tamin’ny fifanekena nataony tamin’i Jehovah ny Israelita. Sampy mantsy no notompoin-dry zareo, nefa i Jehovah ihany no manan-jo sady mendrika hotompoina. Lasa saro-piaro àry i Jehovah, ary rariny raha tezitra tamin-dry zareo izy. b (Deot. 32:16; Ezek. 5:13) Mba eritrereto ange e! Toerana nipetrahan’i Jehovah no nahafantarana ny toerana masin’ny tempoly nandritra ny 400 taona mahery. (1 Mpanj. 8:10-13) Nitondran’ny Israelita sampy anefa tao amin’ny tempoly, dia lasa ‘nahatonga an’i Jehovah hanalavitra ny toerany masina’ ny nataon-dry zareo.

8. Manino tsika ro afaky mivola hoe mbo misy sampy mahavy ani-Jehovah ho saro-piaro henanizao?

8 Mbola misy sampy mahatonga an’i Jehovah ho saro-piaro ve amin’izao? Izany mihitsy! Mampahatsiahy antsika ny ataon’ny fiangonana any amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina mantsy ny nataon’ireo Jiosy nivadi-pinoana. Milaza hoe manompo an’Andriamanitra ry zareo nefa manompo sampy, dia tsy ankasitrahan’i Jehovah ny fanompoany. Tsy miova i Jehovah. (Jak. 1:17) Raha nahatezitra azy ny nataon’ny Jiosy nivadi-pinoana, dia tsy maintsy hoe mahatezitra azy koa ny ataon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, ary rariny izany. Azo antoka àry fa lavitra an’ireny Kristianina sandoka ireny i Jehovah!

9, 10. Ino ty ianarantsika baka amin’olo nanompo sampy tamy tempoly tao rey?

9 Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo olona nanompo sampy tao amin’ny tempoly? Hoe raha te hanompo an’i Jehovah irery ihany isika, dia tsy maintsy ‘mandositra ny fanompoan-tsampy.’ (1 Kor. 10:14) Mety hieritreritra isika hoe: ‘Izaho aloha tsy hampiasa sary na sampy mihitsy rehefa manompo an’i Jehovah e!’ Tsy mivantana be hoatr’izany foana anefa ny fanompoan-tsampy fa misy karazany. Resahin’ny boky iray momba ny Baiboly fa azo lazaina hoe manompo sampy ny olona iray raha lasa zava-dehibe kokoa aminy noho ny fanompoana an’Andriamanitra ny zavatra heveriny hoe sarobidy na manan-danja. Mety ho lasa sampy àry ny zavatra iray, na inona io na inona, raha lasa zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika ilay izy, ohatra hoe fananana, vola, firaisana, ary fialam-boly. (Mat. 6:19-21, 24; Efes. 5:5; Kol. 3:5) Hoatran’ny hoe manompo an’ilay izy mantsy isika amin’izay, dia lasan’ilay izy ny toerana tokony ho an’i Jehovah ao am-pontsika. Mila mitandrina amin’ny karazana fanompoan-tsampy rehetra isika, satria i Jehovah ihany no mendrika hoe ho tiantsika indrindra ary izy irery no mendrika hotompointsika.​—1 Jaona 5:21.

10 Efa “mahatsiravina sy maharikoriko” ilay zavatra voalohany nasehon’i Jehovah an’i Ezekiela, nefa mbola niteny indray i Jehovah avy eo hoe: ‘Hahita zavatra hafa maharikoriko sady mbola mahatsiravina kokoa ianao.’ Fa inona no mbola mahatsiravina noho ny hoe manompo sampy iray mahatonga an’Andriamanitra ho saro-piaro, sady ao amin’ny tempoly mihitsy?

Ty raha niseho faharoe: Anti-panahy 70 nandoro emboky manitsy ho a-ndranahary diso

11. Ino ty raha nihitani-Ezekiela tamy tokotany anatiny tamy tempoly, tanilani-alitara teo?

11 Vakio ny Ezekiela 8:7-12. Nandoaka rindrina iray i Ezekiela dia niditra tao amin’ny tokotany anatiny tao amin’ny tempoly, teo akaikin’ny alitara. Nahita sary sokitra maharikoriko teny amin’ny rindrina izy avy eo. “Sarina biby mandady sy biby maharikoriko isan-karazany” ary “ny sampy maharikoriko rehetra” notompoin’ny Israelita no teo. c Andriamani-diso no nasehon’ireo sary sokitra ireo. Mbola maharikoriko noho izany anefa ny zavatra hitan’i Ezekiela avy eo. Nijoro ‘tao amin’ny maizina’ ny “anti-panahy 70 teo amin’ny taranak’Israely”, ary nandoro emboka manitra ho an’ireo andriamani-diso ireo. Raha ny Lalàna no jerena, dia mitovy amin’ny fandoroana emboka manitra ny vavaka ataon’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, ary ekeny ireny vavaka ireny. (Sal. 141:2) Ho an’andriamani-diso anefa no nandoroan’ireo anti-panahy 70 emboka manitra, dia lasa tsy masina ilay izy tamin’i Jehovah fa hoatran’ny fofona maimbo be. Lasa hoatran’ny fofona maharikoriko an’i Jehovah àry ny vavaka nataon’izy ireo. (Ohab. 15:8) Namita-tena ry zareo satria nieritreritra hoe: “Tsy mahita antsika ange i Jehovah e!” Tena hitan’i Jehovah anefa ry zareo, ary nasehony an’i Ezekiela mazava tsara izay nataon’izy ireo tao amin’ny tempoliny.

Hitan’i Jehovah daholo ny zavatra maharikoriko atao “ao amin’ny maizina” (Fehintsoratra 11)

12. Manino tsika ro tsy tokony hivaliky mihintsy ndre “amy maìky ao” aza, le ia ty tokony ho modely amy zay?

12 Inona no ianarantsika avy amin’io zavatra faharoa hitan’i Ezekiela io? Raha tiantsika hohenoin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, ary tiantsika hoheveriny hoe madio ny fanompoana ataontsika, dia tsy tokony hivadika mihitsy isika na dia “ao amin’ny maizina” aza. (Ohab. 15:29) Tokony hotadidintsika foana hoe mahita an’izay rehetra ataontsika i Jehovah. Raha miaiky isika hoe tena misy izy, dia tsy hanao zavatra mampalahelo azy mihitsy isika na dia tsy misy mahita aza. (Heb. 4:13) Ny anti-panahy no tena tokony hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly mba ho modely ho an’ny hafa. (1 Pet. 5:2, 3) Ry zareo mantsy no mitarika sy mampianatra any am-pivoriana, dia rariny raha manantena ny iray fiangonana hoe manaraka tsara ny toro lalan’ny Baiboly ry zareo, na dia “ao amin’ny maizina” aza, izany hoe rehefa tsy misy mahita.​—Sal. 101:2, 3.

Ty raha niseho fahatelo: “Ampela maromaro nitany a-ndranahary atao hoe Tamoza”

13. Nanao ino tamy raiky amy vavahadini-tempoly iny teo ampela hitani-Ezekiela rey?

13 Vakio ny Ezekiela 8:13, 14. Rehefa avy nahita an’ireo zavatra maharikoriko roa voalohany i Ezekiela, dia nilaza i Jehovah hoe: “Hahita zavatra maharikoriko mbola mahatsiravina kokoa noho izao ataon’izy ireo izao ianao.” Inona indray no hitany? “Nahita vehivavy maromaro nipetraka” sy “nitomany an’ilay andriamanitra atao hoe Tamoza” izy, “teo amin’ny fidirana amin’ny vavahady avaratra mankao amin’ny tranon’i Jehovah.” Andriamanitra nivavahan’ny olona tany Mezopotamia i Tamoza, izay antsoina hoe Domozy ao amin’ny asa soratra somerianina. d Noheverina hoe vady na olon-tian’i Ishtar andriamanibavin’ny fahavokarana izy. Azo inoana fa nanaraka fombafomba ara-pivavahana mifandray amin’ny nahafatesan’i Tamoza ireo vehivavy ireo, dia izay no nahatonga an-dry zareo hitomany. Tao amin’ny tempoly ry zareo no nitomany an’i Tamoza, izany hoe tao amin’ny foiben’ny fivavahana madio ry zareo no nanao ny fanaon’ny mpanompo sampy. Tsy hoe lasa ankasitrahan’i Jehovah anefa ny fombafomba ara-pivavahana, rehefa hoe ao amin’ny tempoliny ilay izy no atao. Izay no nahatonga an’i Jehovah hiteny hoe nanao “zavatra maharikoriko” ireo vehivavy nivadi-pinoana ireo!

14. Ino ty ianarantsika baka amy safàni-Jehovah mikasiky ani-raha nataoni-ampela nivadi-pinoa reo?

14 Inona no ianarantsika avy amin’ireo tenin’i Jehovah ireo? Tsy tokony hafangarontsika amin’ny fombafomban’ny mpanompo sampy mihitsy ny fanompoantsika raha tiantsika hadio foana. Raha vao fantatsika àry hoe avy amin’ny fivavahan-diso no niandohan’ny fety iray, dia tsy tokony hankalaza an’izany mihitsy isika. Tena zava-dehibe ve ny niandohan’ny fety iray? Izany mihitsy! Hoatran’ny hoe tsy mampaninona ny fombafomba mifandray amin’ny fety sasany, ohatra hoe ny Krismasy na ny Paka. Tadidio anefa fa hitan’i Jehovah hoe avy amin’ny fombafomba ara-pivavahana fanaon’ny mpanompo sampy izy ireny. Tsy hoe lasa tsy dia maharikoriko an’i Jehovah ny fombafomban’ny mpanompo sampy, satria fotsiny hoe efa taloha be ilay izy na hoe nafangaro tamin’ny fivavahana madio.​—2 Kor. 6:17; Apok. 18:2, 4.

Ty raha niseho fahaefatsy: Lahilahy 25 “nivavaky tamy masoandro”

15, 16. Nanao ino tamy tokotany anatiny tamy tempoly tao lahilahy 25 reo? Manino rozy ro tsy nanisy dikany ani-Jehovah lafa nanao ani-zay?

15 Vakio ny Ezekiela 8:15-18. Hoatran’ilay teo aloha ihany no nampidiran’i Jehovah an’ilay zava-niseho farany. Hoy izy: “Hahita zavatra maharikoriko mbola mahatsiravina kokoa noho izao ianao.” Mety ho nieritreritra ilay mpaminany hoe: ‘Fa inona re no mbola maharikoriko noho ireny zavatra efa hitako ireny e?’ Ao amin’ny tokotany anatiny ao amin’ny tempoly izao i Ezekiela. Nahita lehilahy 25 “nivavaka tamin’ny masoandro” izy teo amin’ny fidirana mankao amin’ny tempoly, ary “niankohoka niantsinanana” izy ireo. Nanao zavatra faran’izay ratsy ry zareo sady tena nanao tsinontsinona an’i Jehovah. Nahoana isika no milaza an’izany?

16 Alao sary an-tsaina ilay zava-niseho: Nitodika niantsinanana ny fidirana nankao amin’ny tempolin’Andriamanitra. Rehefa niditra tao ny mpivavaka, dia nitodika niankandrefana, izany hoe tao aorianan-dry zareo ny masoandro miposaka avy any atsinanana. Ireo lehilahy 25 tao amin’ilay fahitana anefa nitodika niantsinanana mba hivavaka tamin’ny masoandro, dia ‘niamboho ny tempoly.’ Hoatran’ny hoe nanome lamosina an’i Jehovah ry zareo satria “tranon’i Jehovah” ny tempoly. (1 Mpanj. 8:10-13) Mpivadi-pinoana ireo lehilahy 25 ireo. Tsy niraharaha an’i Jehovah ry zareo, sady tsy nankatò an’ilay didy ao amin’ny Deoteronomia 4:15-19. Tena nanao tsinontsinona an’i Jehovah ry zareo, nefa izy irery ihany no mendrika hotompoina!

I Jehovah irery ihany no mendrika hotompoin’ny mpanompony

17, 18. a) Ino ty ianarantsika baka amy fahità mikasiky ani-lahilahy nivavaky tamy masoandro rey? b) Ty fifandrambesan’ia iaby ro simba lafa nivadi-pinoa ty Israelita, ino ty antony?

17 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha tiantsika hadio foana ny fanompoantsika, dia any amin’i Jehovah isika no tsy maintsy mitady tari-dalana sy fahendrena. Tadidio fa ‘masoandro i Jehovah Andriamanitra’ ary “fahazavana” ho an’ny lalantsika ny Teniny. (Sal. 84:11; 119:105) Manome antsika fahendrena amin’ny alalan’ny Teniny sy ny boky sy gazety avoakan’ny fandaminany izy. Manampy antsika izany mba hahay hanapa-kevitra, amin’izay isika ho sambatra dieny izao ary hiaina mandrakizay amin’ny hoavy. Raha any amin’izao tontolo izao kosa isika no mitady tari-dalana momba an’izay tokony hataontsika, dia hoatran’ny hoe manome lamosina an’i Jehovah. Manao tsinontsinona azy isika amin’izay, sady manao izay hankarary ny fony. Tsy tiantsika mihitsy ny hanao an’izany amin’ilay Andriamanitsika! Mampitandrina antsika koa io fahitana io hoe tsy tokony hifandray amin’ny olona mandà ny fahamarinana isika, izany hoe ny mpivadi-pinoana.​—Ohab. 11:9.

18 Inona no hitantsika hatreto? Nahita zavatra manafintohina efatra i Ezekiela, ary asehon’izany hoe lasa nivadi-pinoana sy nanompo sampy ny Israelita, ka lasa naharikoriko ny fivavahan-dry zareo. Vokatr’izany, dia simba ny fifandraisan’ilay firenena tamin’Andriamanitra. Tsy nijanona hatreo anefa. Matetika mantsy ny olona rehefa manompo sampy dia lasa manao zavatra ratsy hafa koa. Tsy mahagaga àry raha lasa ratsy fitondran-tena ny Israelita, sady nanao an’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Rehefa nanao an’izany ry zareo, dia tsy ny fifandraisany tamin’Andriamanitra ihany no simba fa ny fifandraisany tamin’ny olon-kafa koa. Andao izao hodinihintsika ny fomba nilazalazan’i Ezekiela ny zavatra ratsy nataon’ny Jiosy nivadi-pinoana.

Tena raty ty raha nataon-drozy sady ‘nahamenatsy ty fandaisam-batany’

19. Ino iaby ty raha raty nataoni-vahoaky nanao fifanekea tamy Jehovah iny?

19 Vakio ny Ezekiela 22:3-12. Samy nanao zavatra ratsy be na ny mpitondra na ny vahoaka. Nanampatra fahefana ny “mpiadidy”, izany hoe ny mpitarika, mba hamonoana olona tsy manan-tsiny. Nanaraka ny nataon-dry zareo ny ankamaroan’ny olona, dia lasa tsy niraharaha ny Lalàn’Andriamanitra, na tao amin’ny fianakaviana izany, na nanerana an’ilay tany mihitsy. ‘Naniratsira ray aman-dreny’ ny olona, ary tsy nahamenatra intsony ny hoe manao firaisana amin’olom-pady. Nanambaka ny vahiny koa ry zareo sady nampijaly ny kamboty ray sy ny vehivavy maty vady. Tsy vitan’izay fa nanao firaisana tamin’ny vadin’ny namany ny lehilahy israelita. Tsy nety afa-po koa io vahoaka io, dia nandray kolikoly, naka an-keriny ny volan’ny namany, ary naka tombony tafahoatra rehefa nampindram-bola. Tsy nivaky loha tamin’ny Lalàn’i Jehovah ny Israelita, nefa noho ny fitiavany azy ireo no nanomezan’i Jehovah an’ireny lalàna ireny. Azo antoka fa nankarary ny fon’i Jehovah ny nahita an’izany! Lasa nanao zavatra ratsy be mantsy ilay vahoaka nanao fifanekena taminy. Nasainy nilaza tamin-dry zareo àry i Ezekiela hoe: “Hadinonao tanteraka aho.”

Vao mainka lasa mahery setra sy ratsy fitondran-tena ny olona, noho ny ataon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina (Fehintsoratra 20)

20. Manino ro azo volany hoe mbo miseho amy androntsika henanizao ty raha raty nataoni-Jiosy?

20 Hitantsika teo fa nilaza i Ezekiela hoe nanao zavatra ratsy be ny Jiosy. Mbola misy hoatr’izany ve amin’izao? Izany mihitsy! Mampahatsiahy antsika ny zavatra ratsy ataon’ny olona amin’izao ny nataon’ny Jiosy nivadi-pinoana. Manampatra fahefana ny mpitondra fanjakana sady mampijaly ny sarambabem-bahoaka. Mitso-drano ny ady ataon’ny firenena isan-karazany koa ny mpitondra fivavahana, indrindra fa ireo ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Tsy voaisa intsony anefa ny olona maty vokatr’ireny ady ireny! Hamaivanin’ireo mpitondra fivavahana ireo koa ny fitsipika madio sy mazava resahin’ny Baiboly momba ny firaisana, ka vao mainka maloto fitondran-tena be ny olona. Azo antoka fa te hiteny amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina koa i Jehovah hoe: “Hadinonao tanteraka aho.”

21. Ino ty ianarantsika baka amy raha raty nataon’olo ta Joda tao?

21 Inona no ianarantsika vahoakan’i Jehovah avy amin’ny zavatra ratsy nataon’ny Jiosy? Raha tiantsika hankasitrahan’i Jehovah ny fanompoantsika, dia tsy maintsy miezaka isika mba hadio fitondran-tena foana sady tsy hanao zavatra ratsy mihitsy. Tsy mora izany satria mifanohitra amin’izany ny ataon’ny olona amin’izao. (2 Tim. 3:1-5) Fantatsika anefa hoe ahoana ny fiheveran’i Jehovah ny fitondran-tena ratsy sy ny zavatra maharikoriko hafa fanaon’ny olona. (1 Kor. 6:9, 10) Mankatò ny fitsipika apetrany momba an’izany isika, satria tiantsika izy sady tiantsika ny lalàny. (Sal. 119:97; 1 Jaona 5:3) Raha lasa maloto fitondran-tena sy manao zavatra ratsy isika, dia midika izany hoe tsy tia an’i Jehovah isika. Andriamanitra masina sady madio mantsy izy. Tsy tiantsika hitranga mihitsy ny hoe rehefa mijery ny ataontsika i Jehovah, dia lasa te hiteny amintsika hoe: “Hadinonao tanteraka aho.”

22. a) Tapa-kevitsy hanao ino iha henanizao? b) Ino ty hodinihintsika amy toko manaraky ao?

22 Nahariharin’i Jehovah hoe ratsy fitondran-tena sady nanao zavatra ratsy be dia be ny olona tao Joda. Nahita lesona sarobidy maromaro avy amin’izany isika tato. Azo antoka fa vao mainka izao isika tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah irery ihany, satria tena mendrika an’izany izy. Tsy maintsy manalavitra ny karazana fanompoan-tsampy rehetra sy ny zavatra ratsy hafa àry isika, ary miezaka hadio fitondran-tena foana. Inona anefa no nataon’i Jehovah tamin’ireo vahoaka nivadika taminy ireo? Rehefa avy nitondra an’i Ezekiela nijery an’ireo toerana samihafa tao amin’ny tempoly izy, dia nilaza mazava tsara hoe: “Hanampatra ny hatezerako aho.” (Ezek. 8:17, 18) Mahaliana antsika ny zavatra nataon’i Jehovah tamin’ny olona tao Joda, satria hoatr’izany ihany no hataony amin’ity tontolo ratsy ity amin’ny hoavy. Hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka ny fomba nahatanterahan’ny didim-pitsaran’i Jehovah momba an’i Joda.

a Matetika no manondro ny mponina tao Joda sy Jerosalema ilay teny hoe “Israely”, ao amin’ny bokin’i Ezekiela.​—Ezek. 12:19, 22; 18:2; 21:2, 3.

b Asehon’ilay teny hoe “saro-piaro” fa tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny tsy fivadihana aminy. Alao sary an-tsaina, ohatra, ny hatezeran’ny lehilahy iray rehefa fantany hoe nivadika taminy ny vadiny ka nampirafy. (Ohab. 6:34) Tezitra be hoatran’io lehilahy io koa i Jehovah rehefa nivadika ilay vahoaka nanao fifanekena taminy ka nanompo sampy, ary rariny izy raha tezitra hoatr’izany. Milaza ny boky iray momba ny Baiboly hoe: “Saro-piaro Andriamanitra satria Masina izy. Izy irery ihany no antsoina hoe Ilay Masina ..., ka tsy ekeny mihitsy raha misy maka ny toerany.”​—Eks. 34:14.

c Mety hisy ifandraisany amin’ny teny hebreo iray midika hoe “taim-biby” ilay teny hebreo nadika hoe “sampy maharikoriko.” Teny fanambaniana izy io.

d Misy milaza fa anarana hafa iantsoana an’i Nimroda ilay hoe Tamoza. Tsy misy porofo manamarina an’izany anefa.