Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

EFAJORO 2B

Ezekiela: Ny Fiainany sy Izay Nitranga Tamin’ny Androny

Ezekiela: Ny Fiainany sy Izay Nitranga Tamin’ny Androny

Ny hoe Ezekiela dia midika hoe “Manatanjaka Andriamanitra.” Misy fampitandremana be dia be ao amin’ny faminanian’i Ezekiela. Mifanaraka tsara amin’ny dikan’ny anarany anefa ny hafatra nosoratany, amin’ny ankapobeny, sady manatanjaka ny finoan’izay te hanaraka ny fivavahana madio.

MPAMINANY NIARA-BELONA TAMINY

  • JEREMIA

    Avy amin’ny fianakaviana mpisorona; tao Jerosalema no tena naminany (647-580 T.K.)

  • HOLDA

    Naminany tamin’ny 642 T.K. tany ho any rehefa hita tao amin’ny tempoly ny boky misy ny Lalàna

  • DANIELA

    Avy amin’ny fokon’i Joda izay niavian’ny mpanjaka, ary nentina tany Babylona tamin’ny 617 T.K.

  • HABAKOKA

    Azo inoana hoe naminany tany Joda raha vao nanomboka nanjaka kelikely i Joiakima

  • OBADIA

    Naminany momba an’i Edoma, angamba tamin’ny fotoana nandravana an’i Jerosalema

OVIANA IZY IREO NO NAMINANY? (T.K. DAHOLO NY DATY RESAHINA EO)

ZAVA-NITRANGA NIAVAKA TAMIN’NY ANDRON’I EZEKIELA (T.K. DAHOLO NY DATY RESAHINA EO)

  1. t.643: Teraka

  2. 617: Natao sesitany tany Babylona

  3. 613: Nanomboka naminany; nahita fahitana avy tamin’i Jehovah

  4. 612: Nahita fahitana momba ny fivadiham-pinoana tao amin’ny tempoly

  5. 611: Nanomboka nanameloka an’i Jerosalema

  6. 609: Maty ny vadiny; nanomboka ny fahirano farany an’i Jerosalema

  7. 607: Nahazo porofo hoe rava i Jerosalema

  8. 593: Nahazo fahitana momba ny tempoly

  9. 591: Naminany hoe handresy an’i Ejipta i Nebokadnezara; vita ny fanoratany ny bokiny

MPANJAKAN’I JODA SY BABYLONA

  1. 659-629: Nampirisika ny olona hanaraka ny fivavahana madio i Josia, nefa maty izy rehefa niady tamin’i Farao Neko

  2. 628: Nanjaka nandritra ny telo volana i Joahaza ary ratsy ny fitondrany. Nosamborin’i Farao Neko izy avy eo

  3. 628-618: Mpanjaka ratsy i Joiakima ary teo ambany fahefan’i Farao Neko izy

  4. 625: Resin’i Nebokadnezara ny tafika ejipsianina

  5. 620: Nanafika voalohany an’i Joda i Nebokadnezara, ary lasa teo ambany fahefany i Joiakima

  6. 618: Nikomy tamin’i Nebokadnezara i Joiakima. Azo inoana anefa hoe maty izy rehefa notafihin’ny Babylonianina fanindroany ny Tany Nampanantenaina

  7. 617: Nanjaka nandritra ny telo volana i Joiakina na Jekonia, ary ratsy ny fitondrany. Nitolo-batana tamin’i Nebokadnezara izy avy eo

  8. 617-607: Lasa mpanjaka teo ambany fahefan’i Nebokadnezara i Zedekia. Mpanjaka ratsy izy sady tsy nanana hazondamosina

  9. 609: Nikomy tamin’i Nebokadnezara i Zedekia, dia notafihin’i Nebokadnezara fanintelony i Joda avy eo

  10. 607: Noravan’i Nebokadnezara i Jerosalema, nopotsiriny ny mason’i Zedekia, ary nentiny tany Babylona izy