EFAJORO 9E
Faminaniana Momba ny Sesitany sy ny Famerenana Amin’ny Laoniny
Betsaka amin’ireo faminaniana momba ny nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona no tanteraka fanindroany tamin’ny fomba miavaka kokoa. Tanteraka koa izy ireny rehefa natao sesitany tao amin’i Babylona Lehibe ny fiangonana kristianina. Ireto misy ohatra:
1. FAMPITANDREMANA |
2. SESITANY |
3. FAMERENANA AMIN’NY LAONINY |
|
---|---|---|---|
FAHATANTERAHANY VOALOHANY |
Talohan’ny 607 T.K.: Nampitandrina ny vahoakan’i Jehovah i Isaia sy Jeremia ary Ezekiela; mbola be dia be anefa no nivadi-pinoana |
607 T.K.: Rava i Jerosalema; natao sesitany tany Babylona ny vahoakan’Andriamanitra |
537 T.K. sy taorian’izay: Niverina tany Jerosalema ny Jiosy tsy nivadika, ary nanorina ny tempoly sy nanaraka ny fivavahana madio indray |
FAHATANTERAHANY FAHAROA |
Taonjato voalohany A.K.: Nampitandrina ny fiangonana i Jesosy sy Paoly ary Jaona; mbola be dia be ihany anefa no nivadi-pinoana |
Nanomboka tamin’ny taona 100 A.K. tany ho any: Natao sesitany tao amin’i Babylona Lehibe ny tena Kristianina |
1919 A.K. sy taorian’izay: Nafahan’i Jesosy Mpanjaka avy tao amin’i Babylona Lehibe ny voahosotra tsy mivadika, ary naveriny tamin’ny laoniny ny fivavahana madio |