Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

EFAJORO 20A

Ny Fizarana An’ilay Tany

Ny Fizarana An’ilay Tany

Nolazain’i Jehovah mazava tsara hoe aiza sy aiza ny sisin’ilay tany hozaraina. Nanome toky ny Jiosy natao sesitany izany hoe tena haverina amin’ny laoniny ilay tany tsy foin-dry zareo. Inona no ianarantsika avy amin’io fahitana io? Diniho ireto zavatra roa mampiavaka an’ilay fahitana ireto:

Toerana sy andraikitra sarobidy ho an’ny rehetra

Samy hahazo anjara tany ao amin’ilay Tany Nampanantenaina naverina tamin’ny laoniny ny Jiosy tsirairay rehefa tafody any an-tanindrazany. Hoatr’izany koa fa misy toerana ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra ao amin’ilay paradisa ara-panahy. Na hoatran’ny hoe tsy dia misongadina be aza ianao ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia matokia fa misy toerana ho anao ao amin’ilay paradisa ara-panahy ary manana andraikitra sarobidy ianao ao. Samy sarobidy amin’i Jehovah daholo ny mpanompony.

Anjara mitovy

Asehon’ilay fahitan’i Ezekiela fa samy ho afaka hankafy ny vokatra tsara ao amin’ilay Tany Nampanantenaina naverina tamin’ny laoniny ny olona tsirairay, na aiza na aiza faritra hisy azy. Hoatr’izany koa fa samy afaka mahazo ny fitahian’i Jehovah daholo ny mpanompony ao amin’ilay paradisa ara-panahy.