EFAJORO 19B
Rano Kely Nikoriana Lasa Renirano Be!
Nanaraka rano kely nikoriana avy tao amin’ny toerana masin’i Jehovah i Ezekiela. Afaka roa kilaometatra teo ho eo fotsiny dia lasa renirano be ilay izy! Nahita hazo nandrobona be sy namokatra be ary nanasitrana izy, teo amoron’ilay renirano. Inona no dikan’izany rehetra izany?
Renirano mitondra fitahiana
TALOHA: Nahazo fitahiana be dia be ny Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany, rehefa namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio tao amin’ny tempoly
AMIN’IZAO: Naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio tamin’ny 1919, ka lasa nahazo fitahiana be dia be mbola tsy nisy hoatr’izany ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika
AMIN’NY HOAVY: Tsy fitahiana ara-panahy fotsiny no ho azon’ny vahoakan’i Jehovah aorian’ny Aramagedona, fa mihoatra noho izany
Rano mahavelona
TALOHA: Nomen’i Jehovah fitahiana be dia be ny mpanompony tsy mivadika na dia rehefa nitombo be aza, ka afaka nanompo azy tamin’ny fomba nankasitrahany foana
AMIN’IZAO: Mihabetsaka foana ny olona ao amin’ny paradisa ara-panahy, dia mihabetsaka arakarak’izay koa ny fitahiana omen’i Jehovah. Lasa hoatran’ny hoe velona indray ireo olona ireo
AMIN’NY HOAVY: Ho tafaraka amin’ireo tafavoaka velona amin’ny Aramagedona ny olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty, ary ho ampy ho azy rehetra ny fitahiana homen’i Jehovah
Hazo fihinam-boa sady manasitrana
TALOHA: Nomen’i Jehovah sakafo ara-panahy ny vahoakany tsy nivadika rehefa niverina tao amin’ny taniny, ary hoatran’ny hoe nositraniny ry zareo satria nampiany mba tsy hanompo sampy sy tsy hanaraka fanao mifandray amin’ny fivavahan-diso intsony
AMIN’IZAO: Mahazo sakafo ara-panahy be dia be isika, ary manampy antsika izany mba tsy hivadika, tsy hanao fahotana lehibe, ary tsy hanana ny toe-tsain’izao tontolo izao
AMIN’NY HOAVY: Hanampy ny olona rehetra mankatò i Kristy sy ireo 144 000, ka ho lavorary ry zareo sady ho salama sy havitribitrika tsara foana mandrakizay!