Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

TOKO 10

“Ho Velogne Indraike Nareo”

“Ho Velogne Indraike Nareo”

EZEKIELA 37:5

HEVETSE HODINEHEGNE: I fahitagne miomba i “taolagne maike” nivelogne indraikey naho ty fahatanteraha’e amy ty fomba miambake

1-3. Nagnino ro tena nikivy o Jiosy ta Babilona agneo? (Henteo i sare am-panomboha ty toko toỳ.)

 NAMINANY foana i Ezekiela nandritra ny dimy taona hoe ho rava i Jerosalema, fa tsy nety nino ny Jiosy tao Babylona. Efa nampita hafatra be dia be momba an’izany i Ezekiela, nanao karazana fampisehoana, ary nilaza fanoharana, fa tsy nety nino mihitsy ry zareo hoe havelan’i Jehovah ho rava i Jerosalema. Na dia efa henon-dry zareo aza tatỳ aoriana hoe nataon’ny tafika babylonianina fahirano i Jerosalema, dia mbola nanantena ry zareo hoe ho tafavoaka velona ny olona tao. Kivy tanteraka anefa ry zareo rehefa nandeha ny fotoana. Fa inona no nitranga?

2 Roa taona taorian’ny nanombohan’ilay fahirano, dia nisy lehilahy iray tafatsoaka avy tany Jerosalema nilaza hoe “rava ilay tanàna.” Nalahelo be ny Jiosy natao sesitany rehefa naheno an’izany. Tsy neken’ny sain-dry zareo hoe rava ilay tanàna tena tiany sy ny tempoly masina ary ilay tanindrazany tsy foiny. Mba nanantena ry zareo hoe tsy hitranga izany nefa indrisy fa nitranga ihany!​—Ezek. 21:7; 33:21.

3 Nahazo fahitana manome fanantenana anefa i Ezekiela tao anatin’io fotoana mangidy io. Inona no hafatra ho an’ireo Jiosy natao sesitany tao amin’ilay fahitana? Mahakasika ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao koa ve io fahitana io? Inona no soa raisintsika tsirairay avy amin’izy io? Andao àry hojerentsika ilay fahitana nasehon’i Jehovah an’i Ezekiela.

“Maminania Miomba o Taolagne reo” le “Maminania amo o Tiokeo”

4. Ino ty raha tena nanaitse ty say i Ezekiela tamy i fahitagney ao?

4 Vakio ny Ezekiela 37:1-10. Nentin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fahitana i Ezekiela, dia napetrany tao amin’ny tany lemaka feno taolam-paty. Nasain’i Jehovah “nandeha nanodidina” an’ireo taolam-paty ireo izy avy eo mba ho tsapany tsara izay mitranga ao amin’ilay fahitana. Zavatra roa no nanaitra ny sain’i Ezekiela: “Be dia be mihitsy” ireo taolana sady “maina be.”

5. Ino ty lily roe lahibey nimea i Jehovah i Ezekiela, le ino ty raha niseho naho fa nagnorike izay reke?

5 Nanome didy roa an’i Ezekiela i Jehovah avy eo, dia velona tsikelikely ireo taolana ireo. Voalohany, nasainy ‘naminany momba an’ireo taolana ireo’ izy, ka hilaza amin’izy ireo hoe: “Ho velona indray ianareo.” (Ezek. 37:4-6) Raha vao naminany izy, dia “nisy feona zavatra nikatrokatroka, ka ireny fa nifanatona ireo taolana.” Lasa “naniry hozatra sy nofo” ireo taolana ireo, dia “nisy hoditra nandrakotra azy.” (Ezek. 37:7, 8) Faharoa, nasain’i Jehovah ‘naminany tamin’ny rivotra’ i Ezekiela, dia nandidy azy io mba ‘hitsoka’ an’ireo faty. Rehefa naminany izy, dia “nisy fofonaina niditra” tao amin’ireo faty, “dia velona izy ireo ka nijoro tamin’ny tongony, ary lasa tafika faran’izay lehibe.”​—Ezek. 37:9, 10.

“Maike ty Taola’ay” Sady “Tsy Managne Raha Tamaegne Sasa Zahay”

6. Ino ty raha nisaontsie i Jehovah mba hagnampeagne i Ezekiela hahatakatse ty dika i fahitagney?

6 Mba hanampiana an’i Ezekiela hahazo an’ilay fahitana, dia nilaza taminy i Jehovah hoe “ny taranak’Israely manontolo ireo taolana ireo.” Fa inona tokoa moa no tsapan’ireo Jiosy tany an-tsesitany rehefa naheno hoe rava i Jerosalema? Nahatsiaro ho hoatran’ny hoe maty ry zareo ka nitaraina hoe: “Maina ny taolanay. Tsy manana fanantenana intsony izahay, fa tena vita hatreo ny aminay.” (Ezek. 37:11; Jer. 34:20) Mba hampaherezana an-dry zareo, dia nasehon’i Jehovah hoe misy fanantenana ho an-dry zareo ao amin’ilay fahitana momba ny taolam-paty.

7. Ino ty nisaontsie i Jehovah tamy i Ezekiela amy Ezekiela 37:12-14 ao? Le ino ty nivoka izay tamo o Jiosy natao sesetaneo?

7 Vakio ny Ezekiela 37:12-14. Nampiasa an’io fahitana io i Jehovah mba hanomezana toky an’ireo Jiosy tany an-tsesitany fa hataony “velona indray” ry zareo, dia hoentiny mody any an-tanindrazany ka hiverina hipetraka any. Tsy vitan’izany fa nantsoin’i Jehovah hoe “vahoakako” indray ry zareo. Azo antoka fa nampahery be an’ireo Jiosy kivy ireo izany teny izany! Nahoana ry zareo no natoky hoe tena ho tanteraka izany? Satria i Jehovah mihitsy no nampanantena. Nilaza izy hoe: “Izaho Jehovah no niteny sy nanatanteraka an’izany.”

8. a) Nagnino ro hoe fa nimate “ty tarana o Israelio iaby”? b) Akore ty fomba nimateza iareo naho henteagne ty Ezekiela 37:9? (Henteo i fagnamarehagney.)

8 Nahoana no azo lazaina hoe hoatran’ireo taolam-paty noresahin’i Ezekiela ny firenen’Israely manontolo? Nanomboka hoatran’ny hoe maty ry zareo rehefa rava ny fanjakan’ny foko folo tamin’ny 740 T.K. ka natao sesitany ny olona tao. Rehefa natao sesitany koa ny olona tao Joda, 130 taona tatỳ aoriana, dia “ny taranak’Israely manontolo” no tany an-tsesitany. (Ezek. 37:11) Hoatran’ny hoe maty àry ireo olona rehetra ireo tamin’izay, ka nitovy tamin’ireo taolana tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. a Tadidio koa fa tsy taolana tsotra fotsiny no hitan’i Ezekiela fa taolana“maina be.” Midika izany fa nandritra ny fotoana ela be ny Israely sy ny Joda no hoatran’ny hoe maty. Izany mihitsy no nitranga, satria raha atambatra dia naharitra 200 taona mahery io fotoana io, nanomboka tamin’ny 740 T.K. ka hatramin’ny 537 T.K.​—Jer. 50:33.

9. Ino ty mampitovy ty raha niseho tamy ty firene o Israelio naho o “Israelin’Andrianagnahareo”?

9 Tanteraka tamin’ny fomba lehibe kokoa ny faminaniana momba ny Israely, anisan’izany ny faminanian’i Ezekiela. (Asa. 3:21) Voalazan’ny faminaniana, ohatra, fa “novonoina” ny firenen’Israely dia hoatran’ny hoe maty nandritra ny fotoana ela be. Tatỳ aoriana dia hoatran’ny hoe novonoina sy natao sesitany koa ny “Israelin’Andriamanitra”, izany hoe ny voahosotra. (Gal. 6:16) Naharitra ela izany ka azo lazaina hoe nitovy tamin’ny taolana “maina be” ry zareo. (Ezek. 37:2) Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha hoe natao sesitany ry zareo nanomboka tamin’ny taona 100 tany ho any, ary naharitra an-jatony taona ilay izy, araka ny resahin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary.​—Mat. 13:24-30.

Asehon’ireo taolana “maina be” hitan’i Ezekiela fa nandritra ny fotoana ela be ny voahosotra no hoatran’ny maty (Fehintsoratra 8, 9)

“Nifankarine i Taolagne Rey”

10. a) Ino ty raha nampitamae i Jehovah amy Ezekiela 37:7-10 ao? b) Ino ty nagnampe o Jiosio mba hatoky indraike tie tsy maintsy hiheregne a Israely agne iareo?

10 Efa hitantsika hoe hoatran’ny maty ilay vahoaka tany an-tsesitany, satria tsy nanantena intsony hoe ho tafaverina any an-tanindrazany. Nampanantena anefa i Jehovah hoe hovelominy tsikelikely ry zareo. (Ezek. 37:7-10) Inona no nanampy ny Jiosy natahotra an’i Jehovah mba hatoky indray hoe tsy maintsy ho tafody any Israely ry zareo? Anisan’ny nanampy azy ireo ny hafatra nampitain’ny mpaminany taloha. Naminany, ohatra, i Isaia hoe hisy Jiosy antsoina hoe “taranaka masina” ho tafaverina any an-tanindrazany. (Isaia 6:13; Joba 14:7-9) Tsy maintsy hoe nanampy an-dry zareo koa ireo faminaniana be dia be nosoratan’i Ezekiela momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Ankoatra an’izay, dia nisy olona tena nanam-pinoana niaraka tamin-dry zareo tany Babylona, anisan’izany i Daniela mpaminany. Resy koa i Babylona tamin’ny 539 T.K., ary tena tsy nampoizina ilay izy. Azo antoka fa namelombelona ny fanantenan’ny Jiosy izany rehetra izany!

11, 12. a) Nagnino ro rehafegne tie nivelogne tsikedetsikede o “Israelin’Andrianagnahareo”? (Henteo ka ty efajoro tihoe “Naverina Tamin’ny Laoniny Tsikelikely ny Fivavahana Madio.”) b) Ino ty fagnonteneagne va’e ho avy an-tsaintikagne ao naho fa mamaky ty Ezekiela 37:10 tika?

11 Lasa velona tsikelikely koa ny “Israelin’Andriamanitra”, izany hoe ny voahosotra. Ahoana no nitrangan’izany? Efa hitantsika hoe hoatran’ny maty ry zareo rehefa natao sesitany tao amin’i Babylona Lehibe nandritra ny taonjato maro. Hoatran’ny hoe nisy “feona zavatra nikatrokatroka” anefa, rehefa sahy niaro ny fivavahana marina ny olona sasany natahotra an’Andriamanitra. Nandika ny Baiboly tamin’ny teny anglisy, ohatra, i William Tyndale tamin’ny 1530 tany ho any, ka lasa afaka namaky Baiboly na ny olon-tsotra aza. Tezitra ny mpitondra fivavahana katolika ka nasain-dry zareo novonoina i Tyndale. Mbola nisy olona be herim-po ihany anefa nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny maro hafa, ka lasa be dia be ny olona afaka namaky azy io. Nipoitra tsikelikely tao anatin’ny haizina ny hazavana ara-panahy tamin’izay.

12 Nanomboka nampiharihary ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa i Charles Russell sy ny namany tatỳ aoriana sady tena nazoto nanao an’izany, ka hoatran’ny hoe “naniry hozatra sy nofo” ireo taolana. Lasa nahafantatra ny fahamarinana ny olona tso-po rehefa namaky Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) sy ny boky hafa, dia lasa nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny voahosotra. Tamin’ny fiandohan’ny taona 1900, dia vao mainka nanome hery ny voahosotra ny fitaovana sasany, anisan’izany ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (anglisy) sy ilay boky hoe Ilay Mistery Fantatra (frantsay). Taoriana kelin’izay, dia nampian’i Jehovah ny vahoakany mba ‘hijoro amin’ny tongony.’ (Ezek. 37:10) Oviana izy no nanao an’izany ary tamin’ny fomba ahoana? Andao hojerentsika ny zava-nitranga tany Babylona mba hamaliana an’izany.

“Velogne Indraike Iareo le Nitsangagne”

13. a) Akore ty nahatanteraha ty Ezekiela 37:10, 14 nanomboke tamy 537 T.K.? b) Inogne iaby ty andinin-teny mampiseho fa nisy ndaty hafa boake amy ty fanjakà i foko foloy ka niheregne a Israely agne?

13 Hitan’ireo Jiosy tany Babylona hoe tanteraka ilay fahitana nanomboka tamin’ny 537 T.K. Tamin’ny fomba ahoana? Hoatran’ny hoe novelomin’i Jehovah ry zareo ka nataony “nijoro tamin’ny tongony”, rehefa nafahany avy tany an-tsesitany sy navelany nody tany Israely. Israelita 42 360 sy olona tsy Israelita 7000 teo ho eo no niala tany Babylona tamin’izay, mba hanorina an’i Jerosalema sy ny tempoliny indray, dia hipetraka any Israely. (Ezra 1:1-4; 2:64, 65; Ezek. 37:14) Nisy Jiosy 1750 teo ho eo avy tany an-tsesitany koa niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Ezra, 70 taona teo ho eo tatỳ aoriana. (Ezra 8:1-20) Azo lazaina hoe ‘tafika lehibe’ ny Jiosy tafaverina, satria raha atambatra dia nisy 44 000 mahery ry zareo. (Ezek. 37:10) Asehon’ny Baiboly hoe nisy olona hafa avy amin’ny fanjakan’ny foko folo niverina tany Israely. Nisy Israelita nataon’ny Asyrianina sesitany mantsy tamin’ny 740 T.K., dia nody tany Israely koa ny taranak’izy ireo mba hanampy tamin’ny fanorenana ny tempoly.​—1 Tan. 9:3; Ezra 6:17; Jer. 33:7; Ezek. 36:10.

14. a) Ino ty rehafe ty Ezekiela 37:24 le magnampe antikagne hahafantatse tie ombia ro tanterake amy ty fomba lahibey i faminaniagne miomba i taolagne maike rey? b) Ino ty raha niseho tamy 1919? (Henteo ka ty efajoro tihoe “Ireo ‘Taolana Maina’ sy Ireo ‘Vavolombelona Roa’: Inona no Ifandraisan’ireo Faminaniana Roa Ireo?”)

14 Nampahafantarin’i Jehovah an’i Ezekiela tao amin’ny faminaniana hafa fa ho tanteraka amin’ny fomba lehibe kokoa io ampahany amin’ilay faminaniana io, aoriana kelin’ny haha lasa Mpanjaka an’i Jesosy Kristy, ilay Davida Lehibe. b (Ezek. 37:24) Tanteraka izany tamin’ny 1919. Nanome fanahy masina ny vahoakany i Jehovah tamin’izay, dia lasa hoatran’ny hoe velona indray ry zareo ary nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe. (Isaia 66:8) Navelan’i Jehovah hipetraka tao amin’ny ‘taniny’ indray ry zareo taorian’izay, izany hoe naveriny tao amin’ny paradisa ara-panahy. Ary ahoana no nahatonga ny vahoakan’i Jehovah ho lasa ‘tafika lehibe’ koa amin’izao?

15, 16. a) Nagnino ro rehafegne tie nanjare ‘tafike lahibey’ ty vahoa i Jehovah amy hinane zao? b) Nagnino ro magnampe o faminania i Ezekiela iohoe naho fa miatreke olagne lahibey tika? (Henteo ka ty efajoro tihoe “Afaka Manampy Antsika Hijoro Amin’ny Tongotsika i Jehovah.”)

15 Taoriana kelin’ny nanendren’i Kristy ny mpanompo mendri-pitokisana tamin’ny 1919, dia nanomboka tanteraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah ny zavatra nolazain’i Zakaria, mpaminany niara-niaina tamin’ireo Jiosy avy tany an-tsesitany. Nilaza izy fa “hisy vahoaka maro sy firenena matanjaka ho avy mba hitady an’i Jehovah.” Nohariny tamin’ny “folo lahy avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena” ireo olona mitady an’i Jehovah ireo. Hitazona mafy ny akanjon’ny “Jiosy iray”, izany hoe ny Israely ara-panahy, ry zareo ka hiteny hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa henonay hoe manampy anareo Andriamanitra.”​—Zak. 8:20-23.

16 Azo lazaina hoe “tafika faran’izay lehibe” ny Israely ara-panahy (sisa voahosotra) sy ireo “folo lahy” (ondry hafa), satria efa an-tapitrisany ry zareo amin’izao raha atambatra. (Ezek. 37:10) Mitombo foana ny isan’ny miaramilan’i Kristy ao amin’io tafika io. Mankatò tanteraka an’i Jesosy Mpanjaka ry zareo ka hahazo fitahiana be dia be amin’ny hoavy.​—Sal. 37:29; Ezek. 37:24; Fil. 2:25; 1 Tes. 4:16, 17.

17. Ino ty hodinehentikagne amy ty toko magnarake?

17 Hanana andraikitra lehibe amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio ny vahoakan’Andriamanitra. Mba hahafantarantsika an’izany andraikitra izany, dia hodinihintsika aloha ilay asa nampanaovin’i Jehovah an’i Ezekiela talohan’ny nandravana an’i Jerosalema. Izany no horesahintsika ao amin’ny toko manaraka.

a Taolan’olona “novonoina” ireo taolana hitan’i Ezekiela. (Ezek. 37:9) Hoatran’ny hoe novonoina “ny taranak’Israely manontolo”, izany hoe ny olona tao amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely sy tao amin’ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda, rehefa resin’ny Asyrianina sy ny Babylonianina sady nataony sesitany.

b Efa noresahina tao amin’ny Toko 8 ilay faminaniana momba ny Mesia.