Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

TOKO 8

“Hanendre Mpiarake Raike Raho”

“Hanendre Mpiarake Raike Raho”

EZEKIELA 34:23

HEVETSE HODINEHEGNE: Faminaniagne efatse miomba i Mesiay naho ty nahatanteraha’e tamy i Kristy

1-3. Nagnino ty Ezekiela ro tena nalahelo? Ino ty nampanorate i Jehovah aze?

 TAONA fahenina nanaovana sesitany an’i Ezekiela tamin’izay. a Lavitra be an’i Joda izy ary nalahelo be rehefa nieritreritra hoe nanao ratsy ny mpanjaka nifandimby nitondra tao amin’io tany tena tiany io.

2 Nandritra ny fotoana nanjakan’i Josia, mpanjaka tsy nivadika, no teraka i Ezekiela. Azo antoka fa faly be izy naheno hoe nesorin’i Josia ny sary sokitra tao Joda ary naveriny tamin’ny laoniny ny fivavahana madio. (2 Tan. 34:1-8) Tsy naharitra ela anefa ny vokatry ny ezaka nataon’i Josia, satria nanompo sampy ny ankamaroan’ny mpanjaka nandimby azy. Tsy mahagaga àry raha lasa ratsy fitondran-tena be ny Israelita sady tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah intsony rehefa nitondra ireo mpanjaka ireo. Tsy misy fanantenana intsony ve izany? Tsy izany mihitsy!

3 Misy faminaniana iray momba ny Mesia mantsy nasain’i Jehovah nosoratan’ilay mpaminany tsy nivadika. Resahin’izy io hoe hitondra sy hiandry ny ondrin’i Jehovah ilay Mesia. Hokarakarainy tsara ry zareo, ary haveriny amin’ny laoniny tanteraka ny fivavahana madio. Misy faminaniana hafa momba ny Mesia koa nasain’i Jehovah nosoratan’i Ezekiela. Mila mandinika tsara azy ireny isika satria misy vokany amin’ny hoavintsika mandrakizay ny fahatanterahan’izy ireny. Hodinihintsika àry izao ny faminaniana efatra momba ny Mesia, izay resahin’ny bokin’i Ezekiela.

“Rantsa’e Raike mbe Tseno’e” Nanjare “Hatae Sedera” Lahibey

4. Ino ty raha rehafe i faminania i Ezekielay, le ino ty raha nampanoe i Jehovah mba hanomboha’e aze?

4 Niteny tamin’i Ezekiela indray i Jehovah tamin’ny 612 T.K. tany ho any, dia nilaza faminaniana mampiseho hoe ho hoatran’ny ahoana ny Fanjakan’ny Mesia, sy hoe ilaina ny matoky an’io Fanjakana io. Nasain’i Jehovah nanao ankamantatra tamin’ireo Jiosy natao sesitany i Ezekiela mba hanombohana an’ilay faminaniana. (Ezek. 17:1, 2) Asehon’ilay ankamantatra hoe nivadika ny mpitondra tao Joda, ary asongadin’ilay izy fa mila ny fitondran’ny Mesia ny olombelona satria hanao ny rariny izy.

5. Akore ty azo amintignagne i ankamantatsey?

5 Vakio ny Ezekiela 17:3-10. Izao ilay ankamantatra raha fintinina: Nisy “voromahery lehibe” nanapaka ny “tendron’ny rantsany mbola tanora” teo amin’ny hazo sedera iray, dia namboleny tany amin’ny “tanànan’ny mpivarotra” ilay izy. Nalainy koa “ny voa sasany tao amin’ilay tany”, ka namboleny teo amin’ny saha lonaka “azon-drano tsara.” Naniry ilay voa dia lasa ‘voaloboka misandrahaka.’ Nisy “voromahery lehibe hafa” nipoitra avy eo. “Maika erỳ” ilay voaloboka nandefa ny fakany tany amin’io voromahery io, satria tiany horaisin’ilay voromahery izy mba hamboleny any amin’ny toeran-kafa azon-drano tsara. Niteny i Jehovah hoe hisy hanongotra ny fakan’ilay voaloboka ary “halazo tanteraka” izy. Nasehony tamin’izany fa ratsy ny nataon’izy io.

I Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona ilay voromahery lehibe voalohany (Fehintsoratra 6)

6. Ino ty dika i ankamantatsey?

6 Inona no dikan’ilay ankamantatra? (Vakio ny Ezekiela 17:11-15.) Nanao fahirano an’i Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona (ilay “voromahery lehibe” voalohany) tamin’ny 617 T.K. Nesoriny tsy ho mpanjakan’i Joda i Joiakina (ilay “tendron’ny rantsany mbola tanora”) ary nentiny tany Babylona (ilay “tanànan’ny mpivarotra”). Nataon’i Nebokadnezara mpanjaka tao Jerosalema i Zedekia (anisan’ny ‘voa tao amin’ilay tany’, izany hoe iray amin’ireo tarana-mpanjaka). Nasain’i Nebokadnezara nianiana tamin’ny anaran’Andriamanitra anefa izy hoe hanaiky ny fahefany, na dia mpanjaka aza. (2 Tan. 36:13) Nanaiky i Zedekia nefa nivadika tamin’ny teniny avy eo. Nikomy tamin’i Babylona izy dia nangataka tamin’ny Faraon’i Ejipta (ilay “voromahery lehibe” faharoa) mba handefa tafika hanampy azy. Tsy nahavonjy azy akory anefa izany! Nasehon’i Jehovah hoe ratsy ny nataon’io mpanjaka io. (Ezek. 17:16-21) Nesorina teo amin’ny fitondrana izy tamin’ny farany, ary maty tany am-pigadrana tany Babylona.​—Jer. 52:6-11.

7. Ino iaby ty lesogne ianarantika boake amy i ankamantatsey?

7 Inona avy no ianarantsika avy amin’ilay ankamantatra? Voalohany, tokony hitana ny teny nataony izay rehetra manaraka ny fivavahana madio. Hoy i Jesosy: “Aleo ny teninareo rehefa ‘Eny’ dia eny, rehefa ‘Tsia’ dia tsia.” (Mat. 5:37) Raha tsy maintsy mianiana eo anatrehan’Andriamanitra isika hoe hilaza ny marina, ohatra hoe eny amin’ny tribonaly, dia tokony horaisintsika ho zava-dehibe ilay fianianana. Faharoa, mila fidintsika tsara hoe iza no hatokisantsika. Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.”​—Sal. 146:3.

8-10. Ino ty raha nisaontsie i Jehovah miomba i Mesiay amy i faminaniagney ao? Akore ka ty nahatanteraha’e? (Henteo ka i efajoro tihoey “Faminaniana Momba ny Mesia: Ilay Hazo Sedera Lehibe.”)

8 Misy mpitondra iray anefa azontsika atokisana tanteraka. Niresaka momba ny Mesia i Jehovah rehefa avy nanao an’ilay ankamantatra momba an’ilay rantsana nafindra toerana, ary ilay sarin-teny tao amin’ilay ankamantatra ihany no nampiasainy.

9 Inona no lazain’ilay faminaniana? (Vakio ny Ezekiela 17:22-24.) I Jehovah mihitsy no hanao zavatra fa tsy ireo voromahery lehibe intsony. Hanapaka rantsana mbola tanora “eny an-tampon’ilay hazo sedera avo” izy, dia ‘hamboleny eny amin’ny tendrombohitra avo sy manerinerina ilay izy.’ Haniry be io rantsana io dia ho lasa “hazo sedera lehibe”, ka hipetraka sy hialokaloka eo ambanin’izy io “ny karazam-borona rehetra.” Ho fantatry “ny hazo rehetra any an-tsaha” avy eo fa i Jehovah mihitsy no nahatonga an’io hazo io haniry be.

10 Ahoana no nahatanteraka an’ilay faminaniana? Nalain’i Jehovah avy tamin’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida (ilay “sedera avo”) i Jesosy Kristy Zanany, dia napetrany teo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra (ilay “tendrombohitra avo sy manerinerina”). (Sal. 2:6; Jer. 23:5; Apok. 14:1) Nasandratr’i Jehovah i Jesosy, izay noheverin’ny fahavalony ho “ambany indrindra amin’ny olombelona”, rehefa napetrany teo amin’ny “seza fiandrianan’i Davida rainy.” (Dan. 4:17; Lioka 1:32, 33) Hoatran’ny hazo sedera lehibe i Jesosy Kristy, ilay Mesia Mpanjaka, satria avy any an-danitra izy no hitondra ny tany sy hanome fitahiana be dia be ho an’ny vahoakany rehetra. Ela ny ela ka misy Mpanjaka azo atokisana ihany! Rehefa hitondra izy io, dia hoatran’ny hoe hialokaloka eo ambany fitondrany ny olombelona mankatò, ka ‘hilamina sady tsy mba hiady saina satria tsy matahotra loza.’​—Ohab. 1:33.

11. Ino ty lesogne lahibey ianarantika boake amy i faminaniagne miomba i “rantsa’e raike mbe tseno’e” nanjare “hatae sedera” lahibeỳ?

11 Inona no ianarantsika avy amin’ilay faminaniana? Rehefa avy nandinika an’ilay faminaniana miavaka momba an’ilay “rantsana mbola tanora” lasa “hazo sedera lehibe” isika, dia lasa haintsika hoe iza no mendrika hatokisantsika. Adala izay matoky ny fitondran’olombelona sy ny tafika maherin’izy ireo! Raha tena te ho voaro isika, dia tokony hatoky tanteraka an’ilay Mesia Mpanjaka, satria ny fanjakany ihany no hahavita hamaha ny olana mahazo ny olombelona.​—Apok. 11:15.

“I Managne Zo Ara-dalànay”

12. Akore ty nampisehoa i Jehovah tie tsy nihaligno’e i fifagnekeagne natao’e tamy i Daviday?

12 Rehefa nohazavain’i Jehovah ilay ankamantatra momba an’ireo voromahery roa, dia lasa azon’i Ezekiela hoe hesorina tsy ho mpanjaka sy hatao sesitany any Babylona i Zedekia, ilay mpanjaka taranak’i Davida, satria nivadika. Lasa saina angamba izy hoe: ‘Dia ahoana izany ilay fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida, ilay hoe hisy mpanjaka taranak’i Davida hanjaka mandrakizay?’ (2 Sam. 7:12, 16) Raha nieritreritra an’izany izy dia vetivety ihany dia nahazo valiny. ‘Niteny taminy’ mantsy i Jehovah tamin’ny 611 T.K. tany ho any, tamin’ny taona fahafito nanaovana sesitany an-dry zareo, izany hoe tamin’ny mbola nanjaka tao Joda i Zedekia. (Ezek. 20:2) Nasain’i Jehovah nilaza faminaniana iray hafa momba ny Mesia i Ezekiela tamin’izay, ary hita tamin’ilay izy hoe tsy hadinon’i Jehovah ilay fifanekena nataony tamin’i Davida. Resahin’ilay faminaniana aza hoe hanana zo ara-dalàna hanjaka handimby an’i Davida ny Mesia.

13, 14. Akore ty amintignagne i faminaniagne amy Ezekiela 21:25-27 aoy? Akore ty nahatanteraha’e?

13 Inona no lazain’ilay faminaniana? (Vakio ny Ezekiela 21:25-27.) Nasain’i Jehovah nampita hafatra mivantana be tamin’ilay “ratsy fanahy mpiadidy ny Israely” i Ezekiela, satria tonga ny fotoana hanasaziana azy. Nilaza tamin’io mpitondra io izy hoe hesorina eny aminy ny “fehilohan’ny mpanjaka” sy ny “satroboninahitra.” Hasandratra ny mpitondra fanjakana lazaina hoe “ambany”, ary haetry kosa ireo “ambony.” Hitondra foana ireo fitondram-panjakana nasandratra ireo “mandra-pahatongan’ilay manana zo ara-dalàna.” Homen’i Jehovah azy io mantsy ny Fanjakana.

14 Ahoana no nahatanteraka an’ilay faminaniana? Azo lazaina hoe “ambony” ny fanjakan’ny Joda tamin’izany, ary “ambany” ny fanjakan’ny hafa firenena. Naetry anefa ny fanjakan’ny Joda ka lasa ambany, tamin’ny 607 T.K. Noravan’ny Babylonianina mantsy i Jerosalema renivohitr’i Joda ary nataon-dry zareo sesitany i Zedekia Mpanjaka. Tsy nisy mpanjaka taranak’i Davida intsony tao Jerosalema, ka lasa nisandratra ho ambony ny fanjakan’ny hafa firenena. Ry zareo indray no nifehy ny tany, saingy voafetra ihany ny fotoana nanjakany. Nifarana tamin’ny 1914 mantsy “ny fotoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” (Lioka 21:24) Nataon’i Jehovah mpanjaka i Jesosy Kristy tamin’io, ary “manana zo ara-dalàna” ho mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra izy satria taranak’i Davida Mpanjaka. b (Gen. 49:10) I Jesosy àry no nampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana an’ilay fampanantenany tamin’i Davida hoe hisy taranany hanjaka mandrakizay.​—Lioka 1:32, 33.

Manan-jo ara-dalàna ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy (Fehintsoratra 15)

15. Nagnino tika ro tena matoky i Jesosy Kristy Mpanjaka?

15 Inona no ianarantsika avy amin’ilay faminaniana? Nahoana isika no afaka matoky tanteraka an’i Jesosy Kristy Mpanjaka? Satria tsy mitovy amin’ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao izy. Ry zareo mantsy nofidin’ny olombelona, na nanongam-panjakana mba hahazoana fahefana. I Jesosy kosa nofidin’i Jehovah, dia ‘nomena fanjakana’ izy ary manan-jo ara-dalàna ho mpitondra azy io. (Dan. 7:13, 14) Tena azontsika atokisana àry io Mpanjaka notendren’i Jehovah io!

“Hanjare ho Mpiarake Iareo ty Davida Mpanompoko”

16. Ino ty atao i Jehovah amo agnondri’eo? Faie ino ty raha natao i “mpiarake agnondry ta Israely” agney tamy ty andro i Ezekiela?

16 I Jehovah no Mpiandry Lehibe Indrindra, dia mikarakara tsara ny ondriny izy, izany hoe ny mpanompony eto an-tany. (Sal. 100:3) Nanendry olombelona izy mba ho mpiandry lefitra, dia ry zareo no asainy miandraikitra sy mikarakara ny ondriny. Dinihiny tsara ny fomba itondran’ireo mpiandry ireo ny ondriny. Mba eritrereto ange izao ny tsapany rehefa nandinika an’ireo ‘mpiandry ondry tany Israely’ tamin’ny andron’i Ezekiela izy e! “Nasiaka be sady nanjakazaka” tamin’ny vahoaka ry zareo, dia nijaly ny vahoaka ka be dia be no lasa tsy nanaraka ny fivavahana madio intsony.​—Ezek. 34:1-6.

17. Akore ty nandrombaha i Jehovah o agnondri’eo?

17 Inona no nataon’i Jehovah? Nilaza izy hoe ‘hataony ampamoaka’ ireo mpitondra ratsy fanahy ireo, ary nampanantena hoe ‘hovonjeny ny ondriny.’ (Ezek. 34:10) Mitana ny teniny foana i Jehovah. (Jos. 21:45) Namonjy ny ondriny izy tamin’ny 607 T.K. rehefa nampiasa ny Babylonianina mba hanesorana an’ireo mpitondra tia tena tsy ho eo amin’ny fitondrana. Namonjy ny ondriny indray izy 70 taona tatỳ aoriana, rehefa nanafaka an-dry zareo tany Babylona. Nentiny nody tany an-tanindrazany ry zareo tamin’izay mba hamerina ny fivavahana marina amin’ny laoniny. Mbola nijaly anefa ry zareo satria mbola fitondram-panjakana nanohitra an’i Jehovah no nitondra azy. Tsy nifarana mantsy “ny fotoana voatondro ho an’ny hafa firenena” raha tsy taonjato maro tatỳ aoriana.​—Lioka 21:24.

18, 19. Ino ty faminaniagne nirehafe i Ezekiela tamy ty taogne 606 T.K.? (Henteo i sare am-panomboha ty toko toỳ.)

18 Nasain’i Jehovah nilaza faminaniana iray i Ezekiela tamin’ny 606 T.K., herintaona teo ho eo taorian’ny nandravana an’i Jerosalema ary taona maro talohan’ny nanafahana ny Israelita tany an-tsesitany. Hita ao amin’ilay faminaniana hoe tena miahy an’izay hahasoa ny ondriny ilay Mpiandry Lehibe Indrindra ary tiany hiaina mandrakizay ry zareo. Asehon’izy io hoe ahoana no hikarakaran’ny Mesia Mpanjaka ny ondrin’i Jehovah.

19 Inona no lazain’ilay faminaniana? (Vakio ny Ezekiela 34:22-24.) “Hanendry mpiandry iray” Andriamanitra, ary antsoiny hoe “Davida mpanompoko” izy io. “Iray” ilay “mpiandry” voaresaka eo, ary milaza tokana ilay teny nadika hoe “mpanompoko.” Midika izany fa ho lasa mpanjaka handimby an’i Davida io Mpitondra io, ary hanjaka mandrakizay izy fa tsy hisy olon-kafa taranak’i Davida handimby azy. Hanome sakafo ny ondrin’Andriamanitra io Mpitondra sady Mpiandry io, ary ho lasa “mpiadidy eo amin’izy ireo.” “Hanao fifanekem-pihavanana” amin’ny ondriny koa i Jehovah, dia “hirotsaka hoatran’ny orana ny fitahiana” ho azon-dry zareo. Hiadana sy hilamina ry zareo ary hamokatra be ny taniny. Hihavana ny olombelona ary hihavana koa ny biby sy ny olona. Hahafinaritra be ny fiainana amin’izany!​—Ezek. 34:25-28.

20, 21. a) Akore ty nahatanteraha i faminaniagne miomba i mpitondra tinoka i Jehovah tihoey tie “Davida mpanompoko”? b) Hanao akore ty hoavy noho i “fifagnekeagne ho mpilongo” nirehafe i Ezekielay?

20 Ahoana no nahatanteraka an’ilay faminaniana? Rehefa niantso an’ilay Mpitondra hoe “Davida mpanompoko” i Jehovah, dia i Jesosy no tiany horesahina, satria taranak’i Davida i Jesosy ka manan-jo ara-dalàna hitondra. (Sal. 89:35, 36) “Mpiandry tena tsara” izy tamin’izy tetỳ an-tany, ary na ny ainy aza nafoiny “ho an’ny ondry.” (Jaona 10:14, 15) Any an-danitra izao io Mpiandry io. (Heb. 13:20) Notendren’i Jehovah ho Mpanjaka izy tamin’ny 1914, ary notendreny hiandry ny ondriny etỳ an-tany sy hanome sakafo azy ireo. Naniraka ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” io Mpanjaka io tamin’ny 1919 mba hanome sakafo ny “mpanompo ao an-tranony”, izany hoe ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika rehetra na ny manantena ho any an-danitra na ny manantena ho eto an-tany. (Mat. 24:45-47) Manaraka ny tari-dalan’i Kristy ny mpanompo mendri-pitokisana, dia mahazo sakafo ara-panahy foana ny ondrin’Andriamanitra. Manampy an-dry zareo io sakafo io mba ho voaro sy hihavana tsara ary hifandray tsara amin’i Jehovah, ka vao mainka mihatsara ilay paradisa ara-panahy misy an-dry zareo.

21 Niresaka momba ny “fifanekem-pihavanana” i Ezekiela, ary nilaza fa “hirotsaka hoatran’ny orana ny fitahiana.” Hanao ahoana ny hoavy raha ireo teniny ireo no dinihina? Noho ilay “fifanekem-pihavanana”, dia hahazo fitahiana be dia be ny olona manaraka ny fivavahana madio rehefa any amin’ny tontolo vaovao. Ho lasa paradisa ny tany manontolo, ary tsy hatahotra ady sy heloka bevava intsony ny olona, sady tsy hanahy hoe sao dia harary na tsy ho ampy sakafo. Tsy hatahorana intsony koa ny bibidia. (Isaia 11:6-9; 35:5, 6; 65:21-23) Tsy faly be ve ianao mieritreritra hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa isika, dia ‘hiadana sy hilamina ka tsy hisy hampatahotra’ intsony?​—Ezek. 34:28.

Miandry ny andian’ondrin’Andriamanitra avy any an-danitra i Jesosy, dia dinihiny tsara ny fomba itondrana azy ireny (Fehintsoratra 22)

22. Ino ty atao i Jesosy amo agnondrin’Andrianagnahareo? Akore ty ampisehoa o mpiarake mpagnampeo fa mikezake mikarakara soa o agnondrio ka iareo?

22 Inona no ianarantsika avy amin’ilay faminaniana? Hoatran’ny Rainy ihany, dia tena mitady izay hahasoa ny ondry ilay Mpiandry sady Mpanjaka. Ataony azo antoka hoe ampy sakafo ny ondrin’ny Rainy, ary ampiany izy ireo mba ho voaro sy hihavana tsara ao amin’ilay paradisa ara-panahy. Mampahery ny mieritreritra hoe mikarakara antsika io Mpitondra io! Mila miezaka mikarakara tsara ny ondry hoatr’izany koa ny mpiandry lefitra. Tokony hiandry ny andian’ondry “an-tsitrapo” àry ny anti-panahy sady ‘hazoto’ hanao an’izany, ary hiezaka ho modely. (1 Pet. 5:2, 3) Tsy tokony hampijaly ny ondrin’i Jehovah mihitsy ny anti-panahy! Tadidio fa nilaza i Jehovah hoe ‘hataony ampamoaka’ ireo mpiandry ratsy fanahy tamin’ny andron’i Ezekiela. (Ezek. 34:10) Mandinika tsara ny fomba itondrana ny ondriny àry ilay Mpiandry Lehibe Indrindra, ary izany koa no ataon’ny Zanany.

“I Davida Mpanompoko ro ho Mpifehe Ama’eo Nainai’e”

23. Ino ty raha nampitamae i Jehovah miomba ty firene o Israelio, le akore ty nahatanteraha izay?

23 Tian’i Jehovah hiray saina ny mpanompony, ary niresaka faminaniana iray momba an’izany izy. Nampanantena izy hoe hangoniny ny vahoakany, izany hoe ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda sy ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely, dia hataony lasa “firenena iray ihany.” Hoatran’ny hoe maka “tapa-kazo” roa izy dia atambany ireo ka lasa “anankiray ihany” eny an-tanany. (Ezek. 37:15-23) Tanteraka voalohany io faminaniana io tamin’ny 537 T.K., rehefa nataon’i Jehovah izay hahatonga ny firenen’Israely ho tafaraka sy ho tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina. c Mbola nisy firaisan-tsaina lehibe kokoa sy naharitra anefa tatỳ aoriana. Rehefa avy nampanantena mantsy i Jehovah hoe ho tafaray ny firenen’Israely, dia nasainy naminany i Ezekiela hoe hanangona ny tena mpivavaka eran-tany sy hanampy an-dry zareo mba hiray saina mandrakizay ilay Mpitondra nampanantenainy.

24. Tinoka i Jehovah tie ia i Mesiay, sady hanao akore ty fitondrà’e?

24 Inona no lazain’ilay faminaniana? (Vakio ny Ezekiela 37:24-28.) Mbola nantsoin’i Jehovah hoe “Davida mpanompoko” sy “mpiandry iray” ary “mpiadidy” ny Mesia ao amin’ireo andininy ireo. Nantsoiny hoe “mpanjaka” koa anefa izy. (Ezek. 37:22) Haharitra mandrakizay ny fitondrany. Ilay hoe “mandrakizay” ao amin’ilay andininy dia midika fa haharitra daholo izay zavatra tsara hataony. d Hiray saina foana ny olona eo ambany fitondrany. Hiaraka “hipetraka eo amin’ilay tany” izy rehetra, dia “mpanjaka iray ihany” no hitondra azy ary ‘didim-pitsarana’ na lalàna iray ihany no harahin’izy ireo. Hanampy ny vahoakany hifandray kokoa amin’i Jehovah Andriamanitra io Mpanjaka io. Hanao “fifanekem-pihavanana” amin-dry zareo i Jehovah, dia izy no ho Andriamaniny ary ry zareo no ho vahoakany. Ho “eo amin’izy ireo mandrakizay” ny toerany masina amin’izay.

25. Akore ty nahatanteraha i faminaniagne miomba i Mesia Mpanjakay?

25 Ahoana no nahatanteraka an’ilay faminaniana? Lasa tafaray ny voahosotra tsy mivadika tamin’ny 1919 ary “mpiandry iray” no nikarakara an-dry zareo, dia i Jesosy Kristy, ilay Mesia Mpanjaka. Nisy “vahoaka be” “avy tamin’ny firenena sy foko sy firazanana ary fiteny rehetra” koa tafaray tamin’izy ireo tatỳ aoriana. (Apok. 7:9) Lasa “andiany iray” izy rehetra, ary “iray ihany ny mpiandry azy.” (Jaona 10:16) Mankatò ny lalàn’i Jehovah izy rehetra, na manantena ho any an-danitra na manantena ho eto an-tany. Vokatr’izany, dia lasa hoatran’ny fianakaviana iray maneran-tany ry zareo ao amin’ilay paradisa ara-panahy. Ampian’i Jehovah ry zareo mba hihavana tsara sy hifandray tsara aminy. Hoatran’ny hoe eo amin’izy ireo ny toerany masina satria ry zareo manaraka ny fivavahana madio. I Jehovah no Andriamanitr’izy ireo, dia mirehareha ry zareo hoe manompo azy dieny izao sy mandrakizay!

26. Ino ty azo’o atao mba hiharo saigne avao ze agnate i paradisa ara-pagnahỳ ao?

26 Inona no ianarantsika avy amin’ilay faminaniana? Tombontsoa be ilay hoe anisan’ny fianakaviana iray maneran-tany, izay miray saina sady manaraka ny fivavahana madio. Andraikitsika anisan’io fianakaviana io anefa ny manao izay hampiray saina azy io foana. Mila miezaka àry isika rehetra mba ho iray foana ny zavatra inoantsika sy ataontsika. (1 Kor. 1:10) Mitovy ny sakafo ara-panahy raisintsika sy ny fitsipika omena antsika momba ny fitondran-tena ary ny asa asaina ataontsika. Raha tiantsika hiray saina foana àry ny fianakavian’i Jehovah, dia mila mazoto mandray an’ilay sakafo ara-panahy isika, manaraka ny fitsipik’i Jehovah, ary mitory sy mampianatra. Ny fitiavana anefa no tena mampiray saina antsika. Milaza ny Baiboly fa “toy ny tady tonga lafatra mampifamatotra antsika” izy io. Hiray saina isika raha samy miezaka mampiseho fitiavana amin’ny fomba isan-karazany, ohatra hoe mangoraka sy mamela heloka.​—Kol. 3:12-14; 1 Kor. 13:4-7.

Mifankatia ny mpanompon’i Jehovah maneran-tany dia tahin’i Jehovah (Fehintsoratra 26)

27. a) Akore ty fahatreava’o i faminaniagne miomba ty Mesia rehafe i boke i Ezekielay? b) Ino ty hodinehentikagne amy ty toko magnarake?

27 Tena tiantsika ireo faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny bokin’i Ezekiela! Rehefa mamaky sy misaintsaina azy ireny isika, dia lasa haintsika hoe mendrika hatokisana i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka tena tiantsika. Hitantsika tao koa hoe manan-jo ara-dalàna hitondra izy, Mpiandry be fitiavana, ary manampy antsika mba hiray saina mandrakizay. Sambatra isika hoe vahoakan’ilay Mesia Mpanjaka! Tadidio fa ireny faminaniana momba ny Mesia ireny dia mifandray amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio, izay anisan’ny hevi-dehibe resahin’ny bokin’i Ezekiela. I Jesosy mantsy no ampiasain’i Jehovah hanangona ny vahoakany sy hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. (Ezek. 20:41) Tena mahaliana antsika izany! Hianatra momba an’izany isika ao amin’ireo toko maromaro manaraka. Hodinihintsika koa hoe ahoana no anazavana tsikelikely an’io hevi-dehibe io ao amin’ny bokin’i Ezekiela.

a Nanomboka tamin’ny 617 T.K ny taona voalohan’ilay sesitany, rehefa nentina tany Babylona ny Jiosy natao sesitany voalohany. Noho izany, dia tamin’ny 612 T.K. no nanomboka ny taona fahenina.

b Resahina mazava ao amin’ny Filazantsara ny tetirazan’i Jesosy avy amin’i Davida.​—Mat. 1:1-16; Lioka 3:23-31.

c Horesahina ao amin’ny Toko 12 ny faminanian’i Ezekiela momba an’ireo tapa-kazo roa, sy hoe ahoana no nahatanteraka an’ilay izy.

d Izao no lazain’ny boky iray momba an’ilay teny hebreo nadika hoe “mandrakizay”: “Milaza zavatra maharitra, tsy manam-pahataperana, ho eo foana, ary tsy miova mihitsy io teny io.”