Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

TOKO 12

“Hampanjareko Ho Firenena Raike Iareo”

“Hampanjareko Ho Firenena Raike Iareo”

EZEKIELA 37:22

HEVETSE HODINEHEGNE: I fampitamà i Jehovah tihoey tie hamory o vahoa’eo reke vaho i faminaniagne miomba i hatae roey

1, 2. a) Nagnino ro va’e ho tena natahotse o Jiosy natao sesetaneo? b) Nagnino ro tsy nampoize iareo ty raha niseho? d) Inogne iaby ty fagnonteneagne hodinehentikagne?

 IMBETSAKA i Ezekiela no nanao karazana fampisehoana mba hampitana faminaniana tamin’ny Jiosy natao sesitany tany Babylona. Niresaka didim-pitsarana ny faminaniana voalohany nataony fampisehoana, dia hoatr’izay koa ny faharoa sy ny fahatelo. (Ezek. 3:24-26; 4:1-7; 5:1; 12:3-6) Izay faminaniana rehetra efa nataony fampisehoana aloha hatreto, dia miresaka didim-pitsarana henjana momba ny Jiosy.

2 Azo antoka àry hoe natahotra be ireo Jiosy natao sesitany rehefa nahita hoe io indray i Ezekiela fa miomankomana hanao karazana fampisehoana. Nieritreritra angamba ry zareo hoe: ‘Inona indray izao ny vaovao ratsy holazainy eo?’ Tsy nampoizin-dry zareo anefa ny zava-nitranga. Tsy didim-pitsarana henjana mantsy no nampitain’i Ezekiela fa fampanantenana tena tsara. (Ezek. 37:23) Inona àry ilay hafatra nampitain’i Ezekiela tamin’ireo Jiosy ireo, ary inona no dikan’ilay izy? Nahoana izy io no mahakasika ny mpanompon’i Jehovah amin’izao? Hamaly an’izany isika ato.

‘Hanjare ho Raike Avao An-tagnako eo Irey’

3. a) Manondro an’ia i hatae raike “hoahy i Joday”? b) Nagnino tika ro mirehake tie manondro ty fanjakà i foko folo rey i “hatae i Efraimay”?

3 Nasain’i Jehovah naka tapa-kazo roa i Ezekiela, dia nasainy nosoratana teo amin’ny iray hoe “ho an’i Joda”, dia teo amin’ny iray indray hoe “ho an’i Josefa, ilay tapa-kazon’i Efraima.” (Vakio ny Ezekiela 37:15, 16.) Ilay tapa-kazo “ho an’i Joda” dia mampiseho ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda sy Benjamina. Mpanjaka taranak’i Joda no nitondra tao, ary niara-niasa tamin-dry zareo ny mpisorona satria nanompo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. (2 Tan. 11:13, 14; 34:30) Tao amin’ny fanjakan’ny Joda àry no nisy ny mpanjaka taranak’i Davida sady nisy an’ireo Levita mpisorona. Ilay “tapa-kazon’i Efraima” kosa dia manondro ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely. Nahoana isika no milaza an’izany? I Jeroboama no mpanjaka voalohany tao amin’io fanjakana io, ary avy amin’ny fokon’i Efraima izy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia ny fokon’i Efraima no lasa foko natanjaka indrindra teo amin’ny Israely. (Deot. 33:17; 1 Mpanj. 11:26) Tsara hotadidintsika fa tsy nisy mpanjaka taranak’i Davida na Levita mpisorona tao amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely.

4. Ino ty nampanoe i Jehovah i Ezekiela, le mampiseho inogne zay? (Henteo i sare am-panomboha ty toko toỳ.)

4 Nasain’i Jehovah nataon’i Ezekiela nifanatona avy eo ireo tapa-kazo roa “mba ho lasa tapa-kazo iray ihany.” Nitaintaina be ireo Jiosy natao sesitany rehefa nandinika ny nataon’i Ezekiela, dia nilaza hoe: “Lazao aminay ny dikan’izao.” Namaly i Ezekiela hoe mampiseho ny zavatra hataon’i Jehovah ilay izy. Izao no nolazain’i Jehovah momba an’ireo tapa-kazo roa: “Hataoko lasa tapa-kazo iray ihany ireo, ka ho lasa anankiray ihany etỳ an-tanako.”​—Ezek. 37:17-19.

5. Ino ty dika tihoe nampifankarinegne i hatae roe rey? (Henteo ty efajoro tihoe “Natao Nifanatona Ireo Tapa-kazo Roa.”)

5 Nohazavain’i Jehovah ny dikan’ilay hoe natao nifanatona ireo tapa-kazo roa. (Vakio ny Ezekiela 37:21, 22.) Haverina any Israely ireo Jiosy natao sesitany, na ny avy amin’ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda, na ny avy amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely (Efraima). (Jer. 30:1-3; 31:2-9; 33:7) Ho lasa “firenena iray ihany” ry zareo rehefa tonga any.

6. Inogne iaby i faminaniagne mifameno treantika amy Ezekiela toko faha-​37 ao rey?

6 Mahavariana fa mifameno tsara ireo faminaniana roa ao amin’ny Ezekiela toko faha-​37, ary samy miresaka momba ny famerenana amin’ny laoniny. Vitan’i Jehovah na ny manafaka ny vahoakany avy any an-tsesitany (andininy 1-14) na ny mampiray saina an-dry zareo (andininy 15-28). Tena mampahery izany!

Akore ty Fomba Namoria i Jehovah i Vahoa’e Rey?

7. Nagnino ty raha rehafe ty 1 Tantara 9:2, 3 ro magnamaregne fa “hain’Andrianagnahare ze kila raha”?

7 Raha ny fijerin’olombelona, dia tsy mampino mihitsy hoe ho afaka any an-tsesitany ny Jiosy ary ho lasa firenena iray ihany. a Tadidio anefa fa “hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (Mat. 19:26) Notanterahin’i Jehovah ny faminaniany. Nifarana ilay sesitany tany Babylona tamin’ny 537 T.K., ka nisy Jiosy avy amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely sy avy amin’ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda tonga tany Jerosalema mba hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina. Manaporofo an’izany ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Nisy nipetraka tao Jerosalema ny taranak’i Joda sy Benjamina sy Efraima ary Manase.” (1 Tan. 9:2, 3; Ezra 6:17) Tanteraka àry ny tenin’i Jehovah, satria hoatran’ny hoe natao nifanatona, izany hoe niray saina indray, ny olona avy amin’ireo fanjakana roa ireo.

8. a) Ino i faminaniagne nambara Isaiay? b) Ino ty raha soa homarehegne amy Ezekiela 37:21 ao?

8 Tokotokony ho 200 taona talohan’izay, dia naminany i Isaia hoe inona no hitranga amin’ny Israely sy ny Joda, rehefa avy atao sesitany ry zareo. Nilaza izy hoe hangonin’i Jehovah ireo “Israelita niparitaka”, ary hangoniny “avy any amin’ny vazan-tany efatra izay niely tamin’ny mponin’i Joda”, anisan’izany ny “avy any Asyria.” (Isaia 11:12, 13, 16) Tanteraka ny tenin’i Jehovah satria ‘nalainy avy tany amin’ireo firenena nandehanany ny Israelita.’ (Ezek. 37:21) Mariho fa tsy navahany hoe “Joda” sy “Efraima” intsony ireo Jiosy natao sesitany fa nantsoiny hoe “ny Israelita”, izany hoe antokon’olona iray. Resahina eo koa fa tsy hoe avy any amin’ny firenena iray ihany ry zareo, izany hoe avy any Babylona, fa “avy any amin’ny vazan-tany efatra”, izany hoe avy any amin’ny firenena maromaro.

9. Akore ty nagnampea i Jehovah i Jiosy rey mba hiharo saigne naho fa niheregne boake an-tsesetane agne iareo?

9 Rehefa tafaverina tany Israely ny Jiosy, dia ahoana no nanampian’i Jehovah an-dry zareo mba hiray saina? Nanendry mpiandry izy mba hanampy an-dry zareo hifandray tsara aminy, anisan’izany i Zerobabela, Josoa Mpisoronabe, Ezra, ary Nehemia. Nanendry an’i Hagay sy Zakaria ary Malakia ho mpaminany koa izy. Niezaka be ireo lehilahy tsy nivadika ireo mba hampirisika an’ilay firenena hankatò ny fitsipik’Andriamanitra. (Neh. 8:2, 3) Ankoatra an’izay, dia niaro ny firenen’Israely i Jehovah ka nataony tsy nahomby ny tetiky ny fahavalon-dry zareo.​—Est. 9:24, 25; Zak. 4:6.

Nanendry mpiandry i Jehovah mba hanampy ny vahoakany hiray saina (Fehintsoratra 9)

10. Ino ty raha vita i Satana?

10 Na dia efa nanao an’ireo ezaka ireo aza anefa i Jehovah, dia mbola niala tamin’ny fivavahana madio ihany ny ankamaroan’ny Israelita. Miresaka momba ny nataon-dry zareo ny boky sasany ao amin’ny Baiboly, izay nosoratana taorian’ny niverenan-dry zareo avy tany an-tsesitany. (Ezra 9:1-3; Neh. 13:1, 2, 15) Zato taona teo ho eo taorian’ny nodian-dry zareo tany an-tanindrazany, dia vao mainka niala lavitra ny fivavahana madio ny Israelita, ka tsy maintsy niteny an-dry zareo i Jehovah hoe: “Miverena amiko.” (Mal. 3:7) Rehefa tonga tetỳ an-tany aza i Jesosy dia efa nizarazara ho sekta maromaro ny fivavahana jiosy, ary mpiandry nivadika tamin’i Jehovah no nitarika azy ireny. (Mat. 16:6; Mar. 7:5-8) Azo lazaina àry hoe vitan’i Satana ny nisakana ny vahoakan’i Jehovah tsy hiray saina tsara. Tsy maintsy ho tanteraka anefa ilay faminanian’i Jehovah hoe hiray saina daholo ny mpanompony. Ahoana no nahatanteraka an’izany?

“I Davida Mpanompoko ro ho Mpanjaka Iareo”

11. a) Ino ty nisaontsie i Jehovah miomba i faminaniagne mahakasike i hatae roey? b) Inogne ka ty natao i Satana tafara ty nandroahagne aze boake an-dagnitse agne?

11 Vakio ny Ezekiela 37:24. Nilaza i Jehovah hoe ho tanteraka amin’ny fomba feno ilay faminaniany momba ny tapa-kazo roa, rehefa lasa Mpanjaka i “Davida mpanompony’, izany hoe i Jesosy, tamin’ny 1914. b (2 Sam. 7:16; Lioka 1:32) Efa ny Israely ara-panahy, izany hoe ny voahosotra, no lasa solon’ny firenen’Israely tamin’izany. (Jer. 31:33; Gal. 3:29) Nataon’i Satana indray izay tsy hampiray saina ny vahoakan’i Jehovah, indrindra fa taorian’ny nandroahana azy avy tany an-danitra. (Apok. 12:7-10) Rehefa maty, ohatra, ny Rahalahy Russell tamin’ny 1916, dia nampiasa ny mpivadi-pinoana i Satana mba hahatonga ny voahosotra tsy hiray saina. Tsy ela taorian’izay anefa dia niala tamin’ny fandaminana ireny mpivadi-pinoana ireny. Mbola nataon’i Satana koa izay nanagadrana an’ireo rahalahy nitarika ny asan’ny fandaminana. Na dia nahomby aza izy, dia tsy vitany ny namongotra ny vahoakan’i Jehovah. Niray saina foana izay rahalahy voahosotra tsy nivadika tamin’i Jehovah.

12. Nagnino ty Satana ro tsy nahavita nampisaratsarake o Israely ara-pagnahio?

12 Tsy hoatran’ny firenen’Israely àry ny Israely ara-panahy, satria nahavita nanohitra ny tetik’i Satana dia niray saina foana. Fa maninona i Satana no tsy nahomby? Satria niezaka be ireo voahosotra mba hanaraka ny fitsipik’i Jehovah. Narovan’i Jesosy Kristy Mpanjaka ry zareo vokatr’izany. Mbola mandresy an’i Satana foana i Jesosy hatramin’izao.​—Apok. 6:2.

Hampanjaré i Jehovah “ho Raike” i Mpanompo’e Rey

13. Ino ty hevetse lahibey asongady i faminaniagne miomba i hatae roe naharo raikey?

13 Inona no ianarantsika avy amin’ilay faminaniana momba an’ireo tapa-kazo roa? Tadidio fa milaza izy io hoe misy antokon’olona roa ho lasa antokon’olona iray. Ny tena hamafisin’izy io anefa dia hoe i Jehovah no nahatonga an’ireo olona ireo hiray saina. Inona àry no hevi-dehibe mifandray amin’ny fivavahana madio asongadin’io faminaniana io? Raha tsorina dia hoe i Jehovah mihitsy no hanao izay hahatonga ny mpanompony ho “lasa anankiray”, izany hoe hiray saina.​—Ezek. 37:19.

14. Akore ty nahatanteraha i faminaniagney tamy ty fomba miambake nanomboke tamy 1919?

14 Nanomboka tanteraka tamin’ny fomba miavaka kokoa ilay faminaniana momba an’ireo tapa-kazo roa tamin’ny 1919. Avy nodiovina ny vahoakan’Andriamanitra tamin’izay, dia nampian’i Jehovah hiray saina, ary lasa miaina ao amin’ny paradisa ara-panahy. Nanantena ho mpanjaka sy mpisorona any an-danitra ny ankamaroan’izy ireo tamin’izany. (Apok. 20:6) Azo oharina amin’ilay tapa-kazo “ho an’i Joda” ireo voahosotra ireo satria tao Joda no nisy ny mpanjaka taranak’i Davida sy ny Levita mpisorona. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nihabetsaka ny olon-kafa nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny voahosotra. Manantena hiaina eto an-tany ireo olona ireo. Azo oharina amin’ilay “tapa-kazon’i Efraima” izy ireo satria tsy nisy mpanjaka taranak’i Davida na Levita mpisorona tao amin’ny firenen’i Efraima. Miara-manompo an’i Jehovah sy miray saina ireo antokon’olona roa ireo, ary i Jesosy Kristy Mpanjaka no mitarika azy ireo.​—Ezek. 37:24.

“Ho Vahoako Iareo”

15. Ino ty magnaporofo fa tanterake amo androntikagne zao i faminaniagne amy Ezekiela 37:26, 27 aoy?

15 Asehon’ny faminanian’i Ezekiela hoe be dia be ny olona hazoto hanaraka ny fivavahana madio miaraka amin’ny voahosotra. Nilaza mantsy i Jehovah hoe ‘hataony lasa maro be’ ny vahoakany ary ‘ho eo ambonin’izy ireo ny tranolainy.’ (Ezek. 37:26, 27, f.a.p.) Mampahatsiahy antsika faminaniana iray nolazaina tamin’ny apostoly Jaona, 700 taona teo ho eo taorian’ny andron’i Ezekiela, izany. Voalaza tao fa ‘hamelatra ny tranolainy eo ambonin’ny vahoaka be Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana.’ (Apok. 7:9, 15) Hoatran’ny hoe firenena iray ny voahosotra sy ny vahoaka be amin’izao, dia eo ambanin’ny tranolain’Andriamanitra ry zareo satria arovany.

16. Ino ty faminaniagne nirehafe i Zakaria mba hampisehoagne fa hiharo saigne Israely ara-pagnahy rey naho ty ndaty mitamà hiaigne an-tane etoy?

16 Efa naminany koa i Zakaria, izay anisan’ireo niverina avy tany an-tsesitany, fa hiray saina ny Israely ara-panahy sy ny olona manantena hiaina eto an-tany. Nilaza izy hoe ‘hisy folo lahy avy amin’ireo firenena hitazona mafy ny akanjon’ny Jiosy iray’, ka hiteny hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa henonay hoe manampy anareo Andriamanitra.” (Zak. 8:23) Asehon’ilay teny hoe “anareo” fa tsy olona tokana ilay hoe “Jiosy iray” fa antokon’olona, izay manondro ny sisa voahosotra, na ny Jiosy ara-panahy. (Rom. 2:28, 29) Manondro ny olona manantena hiaina eto an-tany kosa ilay hoe “folo lahy.” ‘Mitazona mafy’ ny voahosotra izy ireo sady ‘mandeha miaraka’ amin-dry zareo. (Isaia 2:2, 3; Mat. 25:40) Asehon’ilay teny hoe ‘mitazona mafy’ sy ilay hoe ‘mandeha miaraka’ fa miray saina tsara ireo antokon’olona roa ireo.

17. Akore ty fomba nirehafa i Jesosy tie miharo saigne ty mpanonjohy ty lia’e?

17 Ilay faminaniana momba ny tapa-kazo roa angamba no tao an-tsain’i Jesosy tamin’izy nilaza an’ilay fanoharana hoe ho lasa “andiany iray” ny ondriny (ny voahosotra) sy ny “ondry hafa” (ny olona manantena hiaina eto an-tany), ary izy no ho mpiandry azy ireo. (Jaona 10:16; Ezek. 34:23; 37:24, 25) Mahavariana fa miray saina isika na dia tsy mitovy aza ny fanantenantsika, ary mahalaza tsara an’izany ireo tenin’i Jesosy ireo sy izay nolazain’ny mpaminany taloha. Eritrereto ange e! Mizarazara ho antokom-pivavahana be dia be ny fivavahan-diso, nefa isika miray saina tsara.

Miray saina sy miara-manompo an’i Jehovah ny voahosotra sy ny “ondry hafa”, ka toy ny “andiany iray” (Fehintsoratra 17)

“Ho amy Iareo eo Nainai’e i Toerako Masigney”

18. Tena tsy toko’e ho agnisa ty tontolo toy ty vahoa i Jehovah. Nagnino zay ro tena lahibey naho henteagne ty Ezekiela 37:28?

18 Asongadin’ny teny farany ao amin’ilay faminanian’i Ezekiela hoe inona no tokony hataontsika mba hiray saina foana isika. (Vakio ny Ezekiela 37:28.) Miray saina ny vahoakan’i Jehovah satria “eo amin’izy ireo” ny toerany masina, izany hoe ny fivavahana madio. Ho eo amin’izy ireo foana io toerana masina io raha miezaka ry zareo mba ho ‘masina’, izany hoe ho tafasaraka amin’ny tontolon’i Satana. (1 Kor. 6:11; Apok. 7:14) Mariho fa rehefa nivavaka mafy ho an’ny mpianany i Jesosy indray mandeha, dia niteny hoe: ‘Ray Masina ô, arovy izy ireo mba ho iray. Tsy anisan’izao tontolo izao izy ireo. Mba hamasino amin’ny alalan’ny fahamarinana izy ireo.’ (Jaona 17:11, 16, 17) Nampifandraisin’i Jesosy ny hoe “iray” sy ny hoe “tsy anisan’izao tontolo izao”, ka tiany hasongadina amin’izany hoe tsy tokony ho anisan’izao tontolo izao ny mpanara-dia azy raha te hiray saina.

19. a) Akore ty ampisehoantika tie manahake an’Andrianagnahare tikagne? b) Ino ty raha nihamafese i Jesosy tamy i halegne fara’e taloha ty nimateza’ey?

19 Raha ny Baiboly no jerena, dia tamin’io vavaka io ihany i Jesosy no niantso an’i Jehovah hoe “Ray Masina.” Masina i Jehovah satria madio tanteraka sady manao ny tsara foana. Nandidy ny firenen’Israely izy hoe: “Tsy maintsy masina ... ianareo, satria masina aho.” (Lev. 11:45) Mila mankatò an’io didy io eo amin’ny fiainantsika rehetra isika, satria te ‘hanahaka an’Andriamanitra.’ (Efes. 5:1; 1 Pet. 1:14, 15) Rehefa olombelona no lazaina hoe “masina”, dia midika izany hoe voatokana izy na tafasaraka amin’ny hafa. Nasongadin’i Jesosy tamin’ilay alina farany talohan’ny nahafatesany àry, fa raha te hiray saina foana ny mpanara-dia azy dia tokony ho tafasaraka amin’izao tontolo izao ary tsy hanao ny fanaony.

“Arovo amy i Ratỳ Iareo”

20, 21. a) Nagnino tika ro vao mainke matoky tie miaro antika ty Andrianagnahare? b) Tapa-kevetse hanao ino rehe?

20 Miavaka ny firaisan-tsaina misy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Porofo izany fa novalian’i Jehovah ilay vavak’i Jesosy hoe: ‘Mangataka aminao aho mba hiaro azy ireo amin’ilay ratsy.’ (Vakio ny Jaona 17:14, 15.) Vao mainka isika matoky fa miaro ny vahoakany i Jehovah, rehefa hitantsika hoe tsy vitan’i Satana mihitsy ny mandrava ny firaisan-tsaina misy eo amin-dry zareo. Nilaza koa i Jehovah tao amin’ilay faminanian’i Ezekiela hoe ho lasa iray eny an-tanany ireo tapa-kazo roa. Midika izany hoe izy mihitsy no mahatonga antsika hiray saina. Mampiasa ny tanany izy mba hiarovana antsika, dia tsy azon’i Satana isika.

21 Tokony ho tapa-kevitra àry isika hoe hiezaka mafy foana mba hanao izay hampiray saina ny vahoakan’i Jehovah. Sarobidy mantsy io firaisan-tsaina io! Manao an’izany isika raha mandray anjara tsy tapaka amin’ny fivavahana madio ao amin’ny tempoly ara-panahy. Horesahina ao amin’ireo toko manaraka hoe inona avy no tafiditra amin’izany.

a Nataon’ny Asyrianina sesitany ny mponina tao amin’ny fanjakan’ny foko folo (“ilay tapa-kazon’i Efraima”), 200 taona teo ho eo talohan’ny nampahafantarana an’i Ezekiela an’ilay faminaniana.​—2 Mpanj. 17:23.

b Resahina amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Toko 8 ny faminaniana momba ny Mesia.