Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

TOKO 14

“Izao Ty Lalàna Miomba I Tempolỳ”

“Izao Ty Lalàna Miomba I Tempolỳ”

EZEKIELA 43:12

HEVETSE HODINEHEGNE: Ty lesogne nianara o Jiosio boake amy i fahitagne miomba i tempolỳ naho ty lesogne ianarantikagne boake ama’e

1, 2. a) Ino ty nianarantika tamy i toko taloha itoỳ? b) Ino iaby ty fagnonteneagne hodinehentikagne ato?

 HITANTSIKA tao amin’ilay toko teo aloha fa tsy ilay tempoly ara-panahy lehibe noresahin’ny apostoly Paoly ilay tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Nianarantsika tao koa fa nanome an’ilay fahitana i Jehovah mba hampisehoana fa tokony ho zava-dehibe amin’ny vahoakany ny manaraka ny fitsipiny momba ny fivavahana madio. Raha manaraka ny fitsipiny ihany ny vahoakany vao hihavana tsara aminy indray. Tsy mahagaga àry raha nanamafy an’io hevitra io i Jehovah ao amin’ny andinin-teny iray, dia nilaza hoe “izao no lalàna momba an’ilay tempoly”, dia mbola naveriny ihany hoe “izany no lalàna momba an’ilay tempoly.”​—Vakio ny Ezekiela 43:12.

2 Misy fanontaniana roa hodinihintsika ato. Voalohany, inona no lesona nianaran’ny Jiosy momba ny fitsipik’i Jehovah avy tamin’ilay fahitana momba ny tempoly? Ho hitantsika amin’izany ny valin’ilay fanontaniana faharoa hoe: Inona no azontsika ianarana avy amin’ilay fahitana, amin’izao andro farany izao?

Ino ty Lesogne Nianara o Jiosio Boake amy i Fahitagney?

3. Nagnino ro toko’e ho megnatse o ndatio naho fa nahita tie tambone vohitse abo bey i tempoly tagnate i fahitagney taoy?

3 Mba hamaliana an’io fanontaniana io, dia andao isika handinika zavatra sasany niavaka tao amin’ilay fahitana momba ny tempoly. Ilay tendrombohitra avo be. Azo inoana fa nampifandraisin’ny Jiosy tamin’ilay tendrombohitra tao amin’ny faminanian’i Isaia ilay tendrombohitra tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. (Isaia 2:2) Inona no nianaran-dry zareo rehefa fantany hoe teo ambony tendrombohitra avo be ny tranon’i Jehovah? Hitan’izy ireo hoe tokony hasandratra sy hatao eo amin’ny toerana ambony noho ny zavatra hafa rehetra ny fivavahana madio. Marina fa efa misandratra ny fivavahana madio satria “misandratra avo dia avo noho ny andriamanitra rehetra” Ilay namorona azy io. (Sal. 97:9) Tsy mba niezaka hanandratra ny fivavahana madio anefa ny Jiosy. Imbetsaka ry zareo no niala tamin’izy io sy nandoto azy io, nandritra ny taonjato maro. Azo antoka àry fa rehefa fantatr’ireo Jiosy vonona hiova hoe nasandratra sy nomem-boninahitra ny tempolin’i Jehovah, dia menatra noho ny nataony ry zareo.

4, 5. Ino ty nianara o Jiosio boake amo o vavahady abo bey reo?

4 Ireo vavahady avo be. Vao nanomboka kelikely ilay fahitana, dia hitan’i Ezekiela nandrefy ny vavahadin’ny tempoly ilay anjely. Nahatratra 30 metatra teo ho eo ny haavon’ireo vavahady ireo sy ny trano teo amin’ny fidirana nankao amin’ny tempoly. (Ezek. 40:14) Nisy efitra fiambenana koa tao amin’ireo trano ireo. Inona no mety ho nianaran’izay nandinika ny planin’ilay tempoly rehefa nahita an’ireo tsipiriany ireo? Mariho fa nilaza tamin’i Ezekiela i Jehovah hoe: ‘Diniho tsara ny fidirana ao amin’ilay tempoly.’ Nasain’i Jehovah nanao an’izany izy satria nampiditra olona “tsy voafora fo sady tsy mifora” tao amin’io toerana masina io ny mpanompony. Inona no vokatr’izany? Nilaza i Jehovah hoe ‘nanazimbazimba ny tempoliny’ ireo olona ireo.​—Ezek. 44:5, 7.

5 Tsy nankatò an’ilay didy mazava nomen’Andriamanitra tamin’ny andron’i Abrahama ireo olona “tsy mifora” ireo. (Gen. 17:9, 10; Lev. 12:1-3) Mbola ratsy kokoa anefa ny nataon’ireo olona “tsy voafora fo.” Nikomy ry zareo sady mafy loha be, dia tsy niraharaha ny tari-dalan’i Jehovah. Tsy tokony ho navela hiditra tao amin’ny trano masin’i Jehovah mihitsy ny olona hoatr’izany! Halan’i Jehovah mantsy ny fihatsarambelatsihy, nefa navelan’ny mpanompony hisy mpihatsaravelatsihy be dia be hiditra tao amin’ny tranony. Mazava àry fa ny tian’i Jehovah holazaina tamin’ny alalan’ireo vavahady sy efitra fiambenana dia hoe: ‘Tsy te hahita olona hoatran’ireo ato amin’ny tranoko intsony aho!’ Tsy maintsy nanaraka ny fitsipika ambony be napetrak’i Jehovah izay niditra tao amin’ny tranony. Amin’izay ihany izy vao hankasitraka ny fanompoan’izy ireo.

6, 7. a) Nagnino ro nisy faritse nalalake bey nagnelagnelagne i tempolỳ naho i manda nagnodidigne i faritse nisy azey? b) Ino ty raha natao ty vahoa i Jehovah taloha, nahavy i anjomba i Jehovah-y ho voaloto? (Henteo i fagnamarehagney.)

6 Ilay manda nanodidina an’ilay faritra nisy ny tempoly. Anisan’ny zavatra niavaka tao amin’ilay fahitana koa io manda io. Nilaza i Ezekiela hoe samy nirefy indimanjaton’ny bararata avy ny sakan’ilay izy sy ny lavany, izany hoe iray kilaometatra sy tapany teo ho eo be izao! (Ezek. 42:15-20) Kely lavitra noho izany anefa ilay faritra nisy ny tempoly sy ny tokotaniny. Efamira ilay izy ary 500 hakiho, izany hoe 250 metatra mahery kely fotsiny, ny lafiny tsirairay amin’ilay izy. Midika izany hoe nisy faritra midadasika be teo anelanelan’ilay tempoly sy ilay manda nanodidina an’ilay faritra nisy azy. a Fa inona no anton’io faritra midadasika be io?

7 Hoy i Jehovah: “Tsy tokony hivaro-tena amin’ny andriamanitra hafa intsony izy ireo, ary tokony hesoriny lavitra ahy ny fatin’ny mpanjakany. Dia honina eo aminy mandrakizay aho.” (Ezek. 43:9) Azo inoana fa sampy ilay hoe “fatin’ny mpanjakany.” Nisy an’io faritra midadasika be io àry tao amin’ilay fahitana satria te hilaza i Jehovah hoe: ‘Aza atao manakaikikaiky ny tempoliko atỳ ireo zavatra maharikoriko ireo fa esory lavitra any!’ Midika izany fa raha nataon’ny Jiosy izay hahatonga ny fanompoany an’i Jehovah hadio foana, dia ho eo amin’izy ireo i Jehovah ka hitahy azy ireo.

8, 9. Nimey i Jehovah torohevetse hentetse o lahilahy nanagne andraikitseo. Ino ty nianara o Jiosio boake amy izay?

8 Ny torohevitra hentitra nomena an’ireo lehilahy nanana andraikitra. Be fitiavana i Jehovah ka nomeny torohevitra hentitra ireo lehilahy nanana andraikitra lehibe teo amin’ny vahoakany. Noteneniny mafy, ohatra, ny Levita sasany satria niala taminy ry zareo rehefa nanomboka nanompo sampy ny Israelita. Noderainy kosa ny zanak’i Zadoka, satria ‘niandraikitra ny toerany masina izy ireo rehefa nanalavitra azy ny Israelita.’ Nanao ny rariny sy namindra fo àry i Jehovah, satria arakaraka izay nataon’ireo antokona Levita roa ireo ny fomba nitondrany an-dry zareo. (Ezek. 44:10, 12-16) Tsy ny Levita ihany anefa no nanarin’i Jehovah mafy fa ny mpiadidy ny Israely koa.​—Ezek. 45:9.

9 Nasehon’i Jehovah mazava tsara àry fa mbola hotsarainy ireo lehilahy nanana fahefana teo amin’ny vahoakany, arakaraka ny fomba nanaovan-dry zareo ny andraikiny. Tsy maintsy nomena torohevitra sy fanitsiana koa ry zareo rehefa nanao ny tsy mety. Tsy hoe nahazo tsy nankatò ny fitsipik’i Jehovah akory ry zareo, fa ry zareo mihitsy aza no tokony ho modely amin’ny fampiharana an’izany!

10, 11. Ino ty magnaporofo fa nampihatse ty lesogne tamy i fahitagney ao ty Jiosy ila’e niheregne tan-tanendraza’e agne?

10 Nampihatra ny lesona tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela ve ny Jiosy niverina tany an-tanindrazany? Marina aloha fa tsy tena haintsika izay tao an-tsain’ireo Jiosy tsy nivadika rehefa nisaintsaina an’io fahitana miavaka io ry zareo. Betsaka anefa ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’izay nataon’ny Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany. Hita ao koa hoe ahoana no lasa fiheveran-dry zareo ny fivavahana madio. Rehefa dinihina izany, dia azo lazaina hoe nampihatra ny lesona tao amin’ilay fahitana ry zareo, indrindra raha oharina amin’ireo razambeny nikomy talohan’ilay sesitany.

11 Niezaka be nampianatra toro lalana mitovitovy amin’ilay tao amin’ny fahitan’i Ezekiela ny lehilahy sasany tsy nivadika, anisan’izany i Hagay sy Zakaria mpaminany, Ezra mpisorona sady mpanao dika soratra, ary Nehemia governora. (Ezra 5:1, 2) Nampianatra ny vahoaka ry zareo hoe tsy maintsy hasandratra ny fivavahana madio, ary izy io no tokony ho zava-dehibe kokoa amin’ny Jiosy noho ny fitadiavany an’izay ilainy na izay mahafinaritra azy. (Hag. 1:3, 4) Nantitranterin-dry zareo koa fa tokony hanaraka ny fitsipika momba ny fivavahana madio ny vahoaka. Hentitra be, ohatra, i Ezra sy Nehemia nampirisika an’ireo lehilahy nanambady hafa firenena mba hisaraka tamin’ny vadiny. Nitarika ny olona hivadika tamin’i Jehovah mantsy ireny vehivavy ireny. (Vakio ny Ezra 10:10, 11; Neh. 13:23-27, 30) Ankoatra an’izay, dia azo inoana hoe efa lasa nankahala ny fanompoan-tsampy ilay firenena taorian’ilay sesitany, na dia imbetsaka aza ry zareo no nidi-kizo tamin’izany taloha. Ary ahoana ny mpisorona sy ny mpiadidy na andriana? Nasehon’ilay fahitan’i Ezekiela mantsy fa nahazo torohevitra avy tamin’i Jehovah koa ry zareo. (Neh. 13:22, 28) Be dia be tamin-dry zareo no lasa nanetry tena sy nankatò.​—Ezra 10:7-9, 12-14; Neh. 9:1-3, 38.

Nampianatra ny vahoaka momba ny fivavahana madio i Nehemia rehefa niara-miasa tamin-dry zareo (Fehintsoratra 11)

12. Ino iaby ty fahitagne nimey i Jehovah o Israelitao naho fa niheregne tan-tanendraza’e agne iareo?

12 Nomen’i Jehovah fitahiana ny Israelita vokatr’izany. Lasa nifandray akaiky taminy ry zareo, namokatra be ny taniny, ary nilamina ilay firenena. (Ezra 6:19-22; Neh. 8:9-12; 12:27-30, 43) Efa ela no tsy nisy hoatr’izany. Fa maninona no notahin’i Jehovah ny vahoakany? Satria nanohina ny fon-dry zareo ny lesona tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela, dia nanomboka nanaraka ny fitsipiny momba ny fivavahana madio ihany ry zareo tamin’ny farany. Raha fintinina, dia nisy soa lehibe roa noraisin’ny Jiosy tany an-tsesitany avy tamin’ilay fahitana: 1) Nianaran-dry zareo hoe ahoana no tokony hampiharana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fivavahana madio. 2) Nanome toky an-dry zareo ilay fahitana hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio, ary hotahin’i Jehovah ry zareo raha mbola manaraka an’izany. Tanteraka amin’izao andro izao ve anefa io fahitana io?

Ino ty Ianarantika Boake amy i Fahitagne Nitrea i Ezekielay?

13, 14. a) Akore ty ahafantarantika tie tanterake amo ze o andro zao i fahitagne nitrea i Ezekiela miomba i tempolỳ? b) Ino iaby ty soa rambesentika boake amy i fahitagney? (Henteo ka ty efajoro 13A manao tihoe “Tempoly Samy Hafa, Lesona Samy Hafa.”)

13 Mahakasika ny androntsika koa ve ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly? Izany mihitsy! Tadidio hoe misy itovizany ilay fahitan’i Ezekiela sy ilay faminanian’i Isaia. I Ezekiela nilaza hoe eo amin’ny “tendrombohitra iray tena avo be” ny trano masin’Andriamanitra. I Isaia indray niteny hoe ‘ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra ilay tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah.’ Mariho fa nilaza i Isaia avy eo hoe “any am-parany any” na “amin’ny andro farany” no ho tanteraka ilay faminaniany. (Ezek. 40:2; Isaia 2:2-4, f.a.p.; jereo koa ny Mika 4:1-4.) Mazava àry fa tanteraka amin’izao andro farany izao ireo faminaniana roa ireo. Nanomboka tamin’ny 1919 izany no tanteraka rehefa naverina tsikelikely tamin’ny laoniny ny fivavahana madio. Lasa nisandratra izy io ka hoatran’ny hoe natao teo ambony tendrombohitra avo be. b

14 Mahakasika ny fivavahana madio amin’izao androntsika izao àry ilay fahitan’i Ezekiela! Misy soa roa koa raisintsika avy amin’izy io, hoatran’ny tamin’ny Jiosy natao sesitany ihany: 1) Mampianatra antsika izy io hoe ahoana no tokony hampiharantsika ny fitsipik’i Jehovah momba ny fivavahana madio. 2) Manome toky izy io hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ary hanome fitahiana be dia be i Jehovah.

Fitsipike Hoahy ze Magnorike ty Fivavahagne Malio

15. Ino ty toko’e hotadidientika naho fa mandineke i fahitagne nitrea i Ezekiela miomba i tempolỳ tika?

15 Eritrereto hoe entin’i Ezekiela mitsidika an’ilay tempoly ngezabe isika. Tadidio fa tsy ilay tempoly ara-panahy lehibe izy io. Afaka mandray lesona avy amin’izy io anefa isika ary azontsika ampiharina amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah izany. Andao àry isika izao handinika zavatra niavaka sasany tao amin’ilay fahitana, dia handray lesona avy amin’izy io.

16. Ino ty ianarantika boake amy i refe maro amy i fahitagne nitrea i Ezekiela ao rey? (Henteo i sare am-panomboha ty toko toỳ.)

16 Refy be dia be. Hitan’i Ezekiela hoe nandrefy zavatra be dia be tao amin’ilay tempoly ilay anjely namirapiratra hoatran’ny varahina, anisan’izany ny manda, ny vavahady, ny efitra fiambenana, ny tokotany, ary ny alitara. Betsaka ny refy nalainy sady feno tsipiriany ka mety hahafanina. (Ezek. 40:1–42:20; 43:13, 14) Misy lesona lehibe azontsika ianarana anefa avy amin’ireny tsipiriany ireny. Tian’i Jehovah hohamafisina hoe tena tokony harahina ny fitsipiny. Izy mantsy no manome azy ireny fa tsy olombelona. Diso hevitra àry izay mieritreritra hoe mety foana izay fomba anompoany an’Andriamanitra. Ankoatra an’izay, dia te hampiseho i Jehovah fa azo antoka tanteraka hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Tiany haseho amin’ireo refy voafaritra tsara hoe ho tanteraka ny tsipiriany rehetra amin’ny fampanantenany. Manome toky àry ilay fahitana hoe tsy maintsy haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio mandritra ny andro farany!

Feno tsipiriany sady voafaritra tsara ny refin’ilay tempoly. Inona no ianaranao avy amin’izany? (Fehintsoratra 16)

17. Ino ty ianarantika boake amy i manda magnodidigne i faritse nisy i tempolỳ?

17 Ilay manda nanodidina an’ilay faritra nisy ny tempoly. Nampahatsiahy ny vahoakan’Andriamanitra io manda io hoe tsy tokony holotoin-dry zareo ny tranon’Andriamanitra, izany hoe tokony hataon-dry zareo lavitra ny fivavahana madio izay rehetra mifandray amin’ny fivavahan-diso. (Vakio ny Ezekiela 43:7-9.) Tena ilaintsika koa io torohevitra io amin’izao! Rehefa avy nafahana tao amin’i Babylona Lehibe ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny 1919, dia nanendry ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina i Kristy. Nanomboka tamin’izay, dia vao mainka niezaka be ny vahoakan’i Jehovah mba hiala tamin’ny fampianaran-diso sy ny fanao mifandray amin’ny fanompoan-tsampy. Mitandrina isika hatramin’izao ka manalavitra an’izay mety handoto ny fanompoantsika an’i Jehovah. Na ny zavatra mifandray amin’ny varotra sy ny asa fivelomana aza tsy ataontsika ao amin’ny Efitrano Fanjakana, satria tsy tiantsika hifangaro amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny zavatra hoatr’izany.​—Mar. 11:15, 16.

18, 19. a) Ino ty ianarantika boake amy i vavahady abo bey rey? b) Akore ty fihevera o ndatio ty fitsipy i Jehovah, le akore ty toko’e hatao’o naho tendreke ndaty mieretseretse hoe izay rehe? Magnomeza ohatse.

18 Ireo vavahady avo be. Azo antoka fa rehefa nandinika an’ireo vavahady ireo ny Jiosy, dia takany hoe ambony be ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena. Ary inona no lesona raisintsika avy amin’ireo vavahady ireo amin’izao andro izao? Manompo an’i Jehovah ao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe isika, ka vao mainka tokony hiezaka mafy mba tsy hihatsaravelatsihy fa hitondra tena tsara foana. (Rom. 12:9; 1 Pet. 1:14, 15) Nampian’i Jehovah tsikelikely ny vahoakany nandritra ny andro farany mba hanaraka akaiky ny fitsipiny momba ny fitondran-tena. c Rehefa tsy mibebaka, ohatra, ny olona nanao fahotana lehibe, dia asainy roahina tsy ho anisan’ny fiangonana. (1 Kor. 5:11-13) Ankoatra an’izay, dia mampahatsiahy antsika ny efitra fiambenana tao anatin’ireo vavahady ireo fa tsy mahazo miditra ao amin’ilay tempoly ara-panahy ny olona tsy ankasitrahan’i Jehovah. Ahoana, ohatra, raha misy olona manompo azy nefa manao ratsy any ambadimbadika any? Na dia mety ho tafiditra ao amin’ny Efitrano Fanjakana aza izy, dia tsy hankasitrahan’i Jehovah mihitsy raha tsy miezaka mba hifandray tsara aminy indray. (Jak. 4:8) Arovan’i Jehovah tsara àry ny fivavahana madio amin’izao fotoana anjakan’ny faharatsiana izao!

19 Efa nilaza ny Baiboly fa vao mainka hiharatsy ny fitondran-tenan’ny olona alohan’ny hahatongavan’ny farany. Resahina ao fa “vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka, ka sady mamitaka izy ireo no voafitaka.” (2 Tim. 3:13) Mihabetsaka ny olona voafitaka ka mieritreritra fa hentitra loatra sy lany andro ny fitsipik’i Jehovah, na diso mihitsy aza. Ary ianao? Ho voafitaka koa ve ianao? Raha misy miezaka mandresy lahatra anao, ohatra, hoe diso Andriamanitra rehefa mandrara ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, dia hanaiky ve ianao? Sa ianao hitovy hevitra amin’i Jehovah ka hanaiky hoe “mamoafady” izany, araka ny voalaza mazava ao amin’ny Teniny? Mampitandrina antsika i Jehovah hoe na ny mankasitraka ny fitondran-tena hoatr’izany aza dia efa tsy mety. (Rom. 1:24-27, 32) Raha misy mitady handresy lahatra anao hoatr’izany àry, dia eritrereto ilay tempoly hitan’i Ezekiela sy ireo vavahady avo be. Tadidio fa na inona na inona fomba fisainan’izao tontolo izao, dia tsy hampandeferin’i Jehovah mihitsy ny fitsipiny ka hoe hataony mifanaraka amin’izay metimety amin’ny olona. Manaiky ny fomba fihevitr’ilay Raintsika any an-danitra ve ianao, ka vonona hanaraka an’izany sy hiaro an’izany mihitsy aza?

Manao “sorona fiderana” isika rehefa mandray anjara amin’ny fivavahana madio

20. Ino ty hevetse mampahery o “vahoake marò” boake amy i fahitagney?

20 Ny tokotanin’ilay tempoly. Tsy maintsy hoe faly be i Ezekiela rehefa nahita hoe ngezabe ny tokotany ivelan’ilay tempoly, satria be dia be ny olona ho afaka hivory eo dia ho falifaly miara-manompo an’i Jehovah. Tsara lavitra noho izany anefa ilay tempoly ara-panahy anompoan’ny Kristianina an’i Jehovah amin’izao. Manompo an’i Jehovah eo amin’ny tokotany ivelany amin’io tempoly io ny “vahoaka be”, ary misy hevitra afaka mampahery azy ireo ao amin’ilay fahitan’i Ezekiela. (Apok. 7:9, 10, 14, 15) Nisy efitra fisakafoana be dia be hitan’i Ezekiela nanodidina an’ilay tokotany. (Ezek. 40:17) Ho afaka hankao ny olona dia hiara-hihinana ny sorona iombonana entiny. Hoatran’ny hoe hiara-hisakafo amin’i Jehovah Andriamanitra ry zareo amin’izay, ka hiharihary fa minamana tsara aminy. Tsy manao ny sorona notakin’ny Lalàn’i Mosesy isika amin’izao. Manao “sorona fiderana” kosa isika rehefa mitory na rehefa mihira sy manome valin-teny any am-pivoriana. (Heb. 13:15) Omen’i Jehovah sakafo ara-panahy koa isika. Tsy mahagaga àry raha mahatsapa hoatran’ny zanak’i Kora isika hoe ‘ny indray andro eo an-tokotanin’i Jehovah dia tsara noho ny arivo andro any an-toeran-kafa!’​—Sal. 84:10.

21. Ino ty ianara o voahosotseo boake amy i fahitagney?

21 Ny mpisorona. Hitan’i Ezekiela hoe nitovy ihany ny haben’ny vavahady rehetra sy ny paoziny, na ny vavahady nankany amin’ny tokotany anatiny nidiran’ny mpisorona sy ny Levita, na ny vavahady nankany amin’ny tokotany ivelany nidiran’ny olona tsy anisan’ny fokon’ny mpisorona. Nampahatsiahy ny mpisorona sy Levita izany fa na dia taranaka mpisorona aza ry zareo, dia tsy maintsy manaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fivavahana madio hoatran’ny olon-kafa. Ary ahoana amin’izao andro izao? Na dia tsy misy taranaka mpisorona intsony aza ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao, dia nilaza i Jehovah fa “firazanana voafidy” ny Kristianina voahosotra ary “mpanjaka sady mpisorona.” (1 Pet. 2:9) Nitokana tao amin’ny tokotany anatiny ny mpisorona taloha rehefa nanompo an’i Jehovah. Na tsy mitokana hoatr’izany aza ny voahosotra amin’izao, dia azo lazaina hoe miavaka amin’ny mpiara-manompo aminy satria natsangan’i Jehovah ho zanany dia lasa manana fifandraisana manokana aminy. (Gal. 4:4-6) Mandray lesona avy amin’ilay fahitan’i Ezekiela àry ny voahosotra. Tsy maintsy mitadidy, ohatra, ry zareo hoe mety ho nahazo torohevitra sy anatra ny mpisorona taloha. Ny Kristianina rehetra mihitsy no mila mitadidy hoe “andiany iray” ihany isika ary “iray ihany ny mpiandry” antsika.​—Vakio ny Jaona 10:16.

22, 23. a) Ino ty azo o androanavi-pagnahio ianaragne boake amy ty mpiadidy nirehafegne amy i fahitagne nitrea i Ezekielay ao? b) Ino ty raha va’e mbe hiseho amy ty hoavy?

22 Ny mpiadidy. Voaresaka matetika ao amin’ny fahitan’i Ezekiela ny mpiadidy. Tsy anisan’ny fokon’ny mpisorona izy, ary tsy maintsy nanaiky ny tari-dalan’ny mpisorona rehefa nanao ny asa tao amin’ny tempoly. Na izany aza, dia azo lazaina hoe nanana fahefana tamin’ny vahoaka izy sady nanampy azy ireo hanao sorona. (Ezek. 44:2, 3; 45:16, 17; 46:2) Noho izany, dia modely ho an’ny rahalahy manana andraikitra ao amin’ny fiangonana ny mpiadidy. Tsy maintsy manaraka ny tari-dalan’ny mpanompo mendri-pitokisana, ohatra, ny anti-panahy, anisan’izany ny mpiandraikitra ny faritra. (Heb. 13:17) Miezaka be koa ry zareo mba hanampy ny vahoakan’i Jehovah hanao sorona fiderana any am-pivoriana sy eny amin’ny fanompoana. (Efes. 4:11, 12) Tsy vitan’izany fa tokony handraisan’ny anti-panahy lesona ny fananaran’i Jehovah an’ireo mpiadidy nanampatra fahefana teo amin’ny Israely. (Ezek. 45:9) Tsy tokony hieritreritra ry zareo hoe tsy mila ahitsy na omena torohevitra. Faly kosa aza ry zareo rehefa ahitsin’i Jehovah, satria amin’izay ry zareo afaka manao tsara kokoa ny asan’ny mpiandry sy mpiandraikitra.​—Vakio ny 1 Petera 5:1-3.

23 Mbola hanome mpiandraikitra mahay sy be fitiavana foana i Jehovah na dia rehefa ao amin’ny Paradisa aza. Betsaka amin’izao ny anti-panahy ampiofanina mba ho lasa mpiandry mahay ka ho afaka hanampy ny hafa rehefa ao amin’ny Paradisa. (Sal. 45:16) Tsy faly be ve ianao rehefa mieritreritra ny asa tsara hataon’ireo lehilahy ireo ao amin’ny tontolo vaovao? Mety mbola hohazavain’i Jehovah bebe kokoa ilay fahitan’i Ezekiela sy ny faminaniana hafa momba ny famerenana amin’ny laoniny, amin’ny fotoana hitany hoe mety. Angamba mbola ho tanteraka amin’ny fomba miavaka kokoa ny ampahany sasany amin’izy ireny, fa mbola sarotra amintsika fotsiny aloha amin’izao ny hahazo an’izany. Ho hitantsika eo ihany izay hitranga!

Inona no ianaranao avy amin’ireo vavahady avo be sy ireo tokotany? (Fehintsoratra 18-21)

Hotahie i Jehovah ze Magnorike ty Fivavahagne Malio

24, 25. Inogne amy i fahitagne nitrea i Ezekielay ty manoro ty fitahiagne homey i Jehovah o vahoa’eo?

24 Nisy zavatra tena niavaka nitranga tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela. Tonga tao amin’ilay tempoly i Jehovah, dia nanome toky an’ilay vahoakany hoe hijanona ao foana izy raha mbola manaraka ny fitsipiny momba ny fivavahana madio ry zareo. (Ezek. 43:4-9) Inona no ho vokatr’izany amin’ny vahoakany sy ny tanin-dry zareo?

25 Hanome fitahiana be dia be i Jehovah, ary misy zavatra roa ao amin’ilay fahitana mampiseho hoe inona avy izany: 1) Misy renirano mikoriana avy amin’ilay toerana masin’ny tempoly, dia lasa mamelona an’ilay tany sy mahatonga azy hamokatra be. 2) Voazarazara tsara ilay tany sady voafaritra tsara ny refiny, ary eo afovoany no misy ny tempoly sy ny trano hafa miaraka aminy. Mahakasika antsika amin’izao ve ireo zavatra ireo? Tadidio fa masina kokoa noho ny fanompoana natao taloha ny fanompoana ataontsika ao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe. Efa niditra tao i Jehovah, dia nanadio an’ilay izy sady mankasitraka ny fanompoana atao ao. (Mal. 3:1-4) Hodinihintsika bebe kokoa ao amin’ny Toko faha-19 ka hatramin’ny faha-21 ireo zavatra roa miavaka ireo.

a Tsy hoatr’izany anefa ny tempoly tao Jerosalema. Hoy i Jehovah momba ny zava-nitranga tamin’izany: “Nandoto ny anarako masina tamin’ny zavatra maharikoriko fanaony ... izy ireo, satria nataony teo akaikin’ny tokonam-baravarako ny tokonam-baravarany. Nataony teo akaikin’ny tolàm-baravarako koa ny tolàm-baravarany, ka rindrina sisa no nanasaraka ahy tamin’ny fatin’ny mpanjakany.” (Ezek. 43:8) Hita amin’izany fa nifanakaiky kely ny tranon’i Jehovah sy ny tranon’ny Jiosy sasany. Niala tamin’i Jehovah anefa ry zareo sady tsy nanaraka ny fitsipiny, dia lasa nandoto ny tranon’i Jehovah ny sampin-dry zareo. Tena nahatsiravina an’i Jehovah izany!

b Mifandray amin’ny faminaniana hafa momba ny famerenana amin’ny laoniny koa ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly, ary tanteraka amin’izao andro farany izao ireny faminaniana ireny. Jereo, ohatra, ny itovizan’ny Ezekiela 43:1-9 sy ny Malakia 3:1-5; ary ny Ezekiela 47:1-12 sy ny Joela 3:18.

c Tamin’ny taona 29 no nanomboka nisy ilay tempoly ara-panahy, tamin’i Jesosy natao batisa sy nanomboka nanao ny asan’ny Mpisoronabe. Tsy nanaraka ny fivavahana madio anefa ny ankamaroan’ny olona nandritra ny taonjato maro taorian’ny nahafatesan’ny apostolin’i Jesosy. Nasandratra indray ny fivavahana marina, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1919.