Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

Fagnazavagne Vaovao amy ty Boke toy Ato

Fagnazavagne Vaovao amy ty Boke toy Ato

Nandritra ny taona maro, dia nahitsy ny fahazoantsika ny zavatra sasany ao amin’ny faminanian’i Ezekiela, ary navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana izy ireny. Mbola misy fanitsiana maromaro koa ato amin’ity boky hoe Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio! ity. Tadidinao ve hoe inona avy izany? Jereo àry raha hainao ny valin’ireto fanontaniana ireto:

Mampiseho inogne i tarehe efatse i raha managn’aigne rey?

Fanazavana taloha: Manana toetra efatra lehibe i Jehovah, ary mifanitsy amin’ny tsirairay amin’ireo ny tsirairay amin’ny tarehy efatr’ireo zavamananaina (kerobima).

Fanitsiana: Marina fa mifanitsy amin’ny tsirairay amin’ireo toetran’i Jehovah efatra lehibe ny tarehy tsirairain’ireo zavamananaina. Rehefa jerena amin’ny fitambarany anefa ireo tarehy ireo, dia ny toetran’i Jehovah rehetra no asehony. Asongadin’ireo tarehy efatra koa fa faran’izay mahery sy be voninahitra i Jehovah.

Anton’ilay fanitsiana: Matetika no mampiseho zavatra feno tsara ny isa efatra ao amin’ny Baiboly, ary ilazana hoe tafiditra daholo ny zava-drehetra tsy an-kanavaka. Rehefa jerena amin’ny fitambarany àry ireo tarehy efatra, dia tsy toetra miavaka efatra fotsiny no asehony fa fototra iorenan’ny toetran’i Jehovah rehetra mihitsy. Raha ny marina, dia hita taratra ao amin’ny toetrany hafa rehetra ireo toetra efatra ireo. Ankoatra an’izay, dia mampiseho fahamboniana na tanjaka na hery ny tarehy tsirairain’ireo zavamananaina ireo. Na dia matanjaka be aza anefa ireo zavamananaina ireo, dia eo ambany seza fiandrianan’i Jehovah no misy azy. Asehon’izany hoe i Jehovah no Mpanjaka Fara Tampony mifehy ny zavaboary rehetra.

Ia i lahilahy minday fisiagne ranomainte ty sekreteray?

Fanazavana taloha: Mampiseho ny sisa voahosotra ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty. Hoatran’ny hoe manisy marika eo amin’ny handrin’izay olona ho lasa anisan’ny “vahoaka be” ry zareo amin’izao, rehefa mitory sy mampianatra.​—Apok. 7:9.

Fanitsiana: Mampiseho an’i Jesosy Kristy ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty. Rehefa hitsara ny olona izy mandritra ny “fahoriana lehibe”, dia hambarany hoe ondry ny vahoaka be ka hoatran’ny hoe hasiany marika mba ho voavonjy.​—Mat. 24:21.

Anton’ilay fanitsiana: I Jesosy Zanany no notendren’i Jehovah hitsara ny olona. (Jaona 5:22, 23) Araka ny Matio 25:31-33, dia izy no hanao ny fitsarana farany ka hanapa-kevitra hoe iza no “ondry” ary iza no “osy.”

Mampiseho ty Fivavahagne Manao ty Vata’e o Kristianao vao i mpirahavave makorely atao tihoe Ohola naho Oholibay?

Fanazavana taloha: Mampiseho ny Fivavahana Katolika i Ohola (Samaria renivohitr’i Israely), ary mampiseho ny Fivavahana Protestanta i Oholiba zandriny (Jerosalema renivohitr’i Joda).

Fanitsiana: Tsy mampiseho ny fivavahana sasany anisan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ireo mpirahavavy ireo. Nanome an’ilay fahitana kosa i Jehovah mba hampisehoana hoe maharikoriko azy ny mahita ny mpanompony mivadika aminy ka hoatran’ny hoe mivaro-tena. Hoatr’izany koa no fiheverany ny fivavahan-diso rehetra.

Anton’ilay fanitsiana: Tsy misy porofo ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe mifanitsy amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina i Ohola sy Oholiba. Nantsoina hoe vadin’i Jehovah i Israely sy Joda, tamin-dry zareo mbola tsy nivadika. Mbola tsy azo nolazaina hoe vadin’i Jehovah mihitsy anefa ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Araka ny Ezekiela toko faha-16 sy faha-23 koa, dia mbola azo nantenaina hoe hiova ny vahoakan’Andriamanitra nivadika. Tsy hoatr’izany anefa ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, izay anisan’i Babylona Lehibe.

Mifagnitsy amy i Jerosalema nivalim-pinoagne vao o Fivavahagne Manao ty Vata’e ho Kristianao?

Fanazavana taloha: Mifanitsy amin’i Jerosalema nivadi-pinoana ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, ka ny faharavan’i Jerosalema dia midika fa ho rava koa ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina.

Fanitsiana: Mampahatsiahy antsika ny zavatra ataon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ny nataon’ny Jiosy nivadi-pinoana, anisan’izany ny fanompoan-tsampy sy ny kolikoly. Tsy milaza intsony anefa isika hoe mifanitsy amin’i Jerosalema izy io.

Anton’ilay fanitsiana: Tsy misy porofo mazava ao amin’ny Baiboly ahafahana milaza hoe mifanitsy amin’i Jerosalema nivadi-pinoana ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Tsy mbola nanaraka ny fivavahana madio hoatran’i Jerosalema mihitsy izy io. Nisy fotoana koa i Jehovah namela ny helok’i Jerosalema, nefa ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina tsy afaka manantena an’izany.

Akore ty nahatanterake i fahitagne miomba i vavasaka feno taolagne maikey?

Fanazavana taloha: Lasa babo tany Babylona Lehibe ny voahosotra rehefa nenjehina tamin’ny 1918, ary hoatran’ny hoe maty satria voafetra ny asa fitoriana azony natao. Vetivety ihany anefa ry zareo no babo satria hoatran’ny hoe novelomin’i Jehovah indray tamin’ny 1919, rehefa niverina nitory momba an’ilay Fanjakana.

Fanitsiana: Efa ela be talohan’ny 1918 ny voahosotra no hoatran’ny hoe lasa babo, ary naharitra ela be izany satria nanomboka tamin’ny taona 100 tany ho any dia nifarana tamin’ny 1919. Mifanitsy amin’ilay fotoana lava be nanirian’ny vary sy ny tsimparifary ao amin’ny fanoharan’i Jesosy koa io fotoana io.

Anton’ilay fanitsiana: Natao sesitany ela be ny Israelita nanomboka tamin’ny 740 T.K. ka hatramin’ny 537 T.K. Resahin’ilay faminanian’i Ezekiela koa hoe “maina” na “maina be” ireo taolana, ary midika izany fa taolan’olona maty efa ela be ireo. Elaela vao velona ireo taolana ireo satria nandeha tsikelikely ny famelomana azy.

Ino ty dika tihoe tapa-katae roe natambatse ho raike?

Fanazavana taloha: Tsy niray saina nandritra ny fotoana kelikely ny voahosotra tsy nivadika tamin’ny Ady Lehibe I, fa niray saina indray tamin’ny 1919.

Fanitsiana: Asongadin’ilay faminaniana fa hataon’i Jehovah izay hahatonga ny mpanompony ho hoatran’ny hoe iray ihany. Lasa nanompo azy niaraka tamin’ny sisa voahosotra ny olona manantena hiaina eto an-tany taorian’ny 1919, ary nihabetsaka foana izy ireo. Lasa vahoaka iray miara-manompo an’i Jehovah ireo antokon’olona roa ireo.

Anton’ilay fanitsiana: Tsy tapa-kazo nozaraina roa dia avy eo natambatra ho iray no resahin’ilay faminaniana. Tsy antokon’olona iray lasa nizarazara dia avy eo natao niray saina àry no tiany holazaina. Antokon’olona roa samy hafa mihitsy no nakambana dia lasa iray ihany.

Ia ty Goga boake a Magoga agne?

Fanazavana taloha: Anarana iantsoana an’i Satana rehefa avy natsipy avy tany an-danitra ilay hoe Goga avy any Magoga.

Fanitsiana: Firenena maromaro mitambatra hanafika an’izay manaraka ny fivavahana madio mandritra ny fahoriana lehibe i Goga avy any Magoga.

Anton’ilay fanitsiana: Voalaza ao amin’ilay faminaniana fa natao sakafo ho an’ny vorona mpihaza i Goga sady nomena fasana eto an-tany. Asehon’izany fa tsy zavaboary ara-panahy i Goga. Milaza koa ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy fa hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ireo firenena, ary misy itovizany amin’izany fanafihana izany ilay fanafihan’i Goga. ​—Dan. 11:40, 44, 45; Apok. 17:14; 19:19.

I tempoly ara-pagnahy lahibey nirehafe i apostoly Paolỳ vao i tempoly nitrea i Ezekiela sady nitilihe’ey?

Fanazavana taloha: Ilay tempoly ara-panahy lehibe noresahin’ny apostoly Paoly ihany ilay tempoly hitan’i Ezekiela.

Fanitsiana: Tsy ilay tempoly ara-panahy nanomboka nisy tamin’ny taona 29 no hitan’i Ezekiela. Nasehon’ilay fahitana kosa fa rehefa tafaverina any amin’ny taniny ny Jiosy, dia haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ary ho lasa mifanaraka tsara amin’ny voalazan’ny Lalàn’i Mosesy. Rehefa nanazava an’ilay tempoly ara-panahy i Paoly, dia ny asa nataon’i Jesosy nanomboka tamin’ny taona 29 ka hatramin’ny taona 33 amin’ny maha Mpisoronabe azy no nasongadiny. Ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio nanomboka tamin’ny 1919 kosa no asongadin’ilay fahitan’i Ezekiela, ary tsy misy resaka mpisoronabe mihitsy ao amin’izy io. Rehefa mandinika an’ireo tsipiriany sy refy be dia be ao amin’ilay fahitana àry isika, dia tsy mitady hoe inona no mifanitsy amin’izy ireny. Ny ifantohantsika kosa dia ny lesona azo ianarana momba ny fitsipik’i Jehovah ho an’izay manaraka ny fivavahana madio.

Anton’ilay fanitsiana: Misy porofo lehibe mampiseho hoe tsy ilay tempoly ara-panahy no hitan’i Ezekiela. Nisy sorona biby be dia be, ohatra, tao amin’ilay tempoly hitany. Iray ihany anefa ny sorona natao tao amin’ilay tempoly ara-panahy, ary “indray mandeha fotsiny” izany no natao. (Heb. 9:11, 12) Hitan’i Jehovah hoe mbola tsy fotoana tokony hampahafantarana fahamarinana lalina momba an’ilay tempoly ara-panahy tamin’ny andron’i Ezekiela, izany hoe taonjato maro talohan’ny nahatongavan’i Kristy.