Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

TOKO 21

“Izao Ty Ho Agnara I Tanàgney: ... I Jehovah Ty ao”

“Izao Ty Ho Agnara I Tanàgney: ... I Jehovah Ty ao”

EZEKIELA 48:35

HEVETSE HODINEHEGNE: Ty dika i tanàgney naho i fagnomezagney

1, 2. a) Nagnino ro miambake ty ampaha’e amy i tane raike trea i Ezekielay? (Henteo i sare amy ty fogno ty boke toỳ.) b) Ino ty toky azo o Jiosy boake natao sese-taneo amy i fahitagney?

 NAHITA ampahana tany iray i Ezekiela ao amin’ilay fahitana farany. Miavaka izy io satria natokana ho fanomezana ho an’i Jehovah fa tsy nomena ho lovan’ny foko iray teo amin’ny Israely. Nahita tanàna iray miavaka koa i Ezekiela, ary mahaliana be ny anaran’ilay izy. Nanome toky an’ireo Jiosy tany an-tsesitany io ampahany tamin’ilay fahitana io hoe ho eo amin-dry zareo i Jehovah rehefa tafody any amin’ilay tanindrazany tsy foiny ry zareo.

2 Nilaza tsipiriany momba an’io fanomezana io i Ezekiela. Handinika an’izany isika izao ary hijery ny lesona azontsika mpanompon’i Jehovah ianarana avy amin’izany.

I “fagnomezagne masigney” naho i “tanàgney”

3. Inogne iaby i faritse dime nampanokane i Jehovah-y, sady inogne ty anto’e nanokanagne iareo? (Henteo ty efajoro tihoe “Ilay ‘Ampahany Tokony Hatokana ho Fanomezana.’”)

3 Nisy ampahany efamira tao amin’ilay ampahana tany nasain’i Jehovah natokana. Nirefy 25 000 hakiho (13 kilaometatra) ilay izy avy any avaratra nankany atsimo, dia hoatr’izay koa ny avy any atsinanana nankany andrefana. Nantsoina hoe “fanomezana manontolo” io ampahana tany io. Mizara ho faritra telo mitsivalana izy io. Natao ho an’ny Levita ny faritra ambony, ary ho an’ny tempoly sy ny mpisorona ny faritra eo afovoany. Ireo faritra roa ireo no nantsoina hoe “fanomezana masina.” Ilay “faritra ambiny” kosa, izany hoe ilay faritra kely kokoa eo amin’ny farany ambany, dia natokana mba ‘hampiasain’ny vahoaka.’ Natao ho an’ilay tanàna ilay izy.​—Ezek. 48:15, 20.

4. Ino ty ianarantikagne boake amy ty fomba hizaràgne i taney?

4 Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba hizarana an’ilay tany? Araka ny Ezekiela 45:1, dia ilay tany hatao ho fanomezana ho an’i Jehovah no hatokana voalohany, dia avy eo vao hatokana ny tany ho an’ny foko samihafa. Nasehon’i Jehovah tamin’izany hoe ilay tany natokana ho azy no tokony ho zava-dehibe indrindra. Azo inoana fa hitan’ny Jiosy avy amin’izany hoe ny fanompoana an’i Jehovah no tokony hataony zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Manahaka an’io modely nomen’i Jehovah io koa isika raha mitadidy hoe ny fanompoana azy no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Izay mifandray amin’izany foana àry no ataontsika voalohany eo amin’ny fiainantsika andavanandro, anisan’izany ny hoe mianatra ny Teniny sy mivory ary mitory.

“Ho Agnivo io eo i Tanàgney”

5, 6. a) Ho an’ia i tanàgney? b) Tsy azo rehafegne tie inogne i tanàgney, sady nagnino tikagne ro mirehake izay?

5 Vakio ny Ezekiela 48:15. Mba hahitantsika ny lesona azo raisina avy amin’io “tanàna” io sy ny faritra manodidina azy, dia andao aloha hodinihintsika ny mombamomba an’ilay izy. (Ezek. 48:16-18) Mariho fa nilaza i Jehovah tao amin’ilay fahitana hoe “ho an’ny taranak’Israely rehetra” ny faritra misy an’ilay tanàna. (Ezek. 45:6, 7) Midika izany fa tsy anisan’ilay “fanomezana masina” izay ‘tokony hatokana ho an’i Jehovah’ ilay tanàna sy ny faritra manodidina azy. (Ezek. 48:9) Inona koa no fantatsika momba an’ilay tanàna?

6 Tsy ny tanànan’i Jerosalema naorina indray miaraka amin’ny tempoliny io tanàna hitan’i Ezekiela io. Nahoana isika no milaza an’izany? Satria tsy nisy tempoly tao amin’ilay izy. Tsy tanàna tao amin’ilay Tany Nampanantenaina naverina tamin’ny laoniny koa izy io. Tsy nisy nitovy tamin’ilay izy mantsy na ny tanàna naorin’ny Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany na ny tanàna naorin’ny taranak’izy ireo. Tsy tanàna any an-danitra koa ilay tanàna satria tsy naorina tao amina faritra natokana ho an’ny fanompoana masina izy io, fa naorina tao amina faritra “azon’ny vahoaka aleha”, izany hoe faritra tsy masina.​—Ezek. 42:20.

7. Tanàgne ara-bakiteny vao i nitrea i Ezekielay, sady va’e hanondro inogne io? (Henteo i sare am-panomboha ty toko toỳ.)

7 Inona àry ilay tanàna hitan’i Ezekiela? Tadidio fa tao amin’ilay fahitana nisy an’ilay tany no nahitany an’io tanàna io. (Ezek. 40:2; 45:1, 6) Asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa tsy ara-bakiteny ilay tany. Midika izany fa tsy ara-bakiteny koa ilay tanàna. Matetika no ampiasaina ilay teny hoe “tanàna” mba hampisehoana hoe misy olona miara-mipetraka ao amin’ny toerana iray, dia misy lamina arahin-dry zareo mba hirindra tsara ny zava-drehetra ao. Inona àry no asehon’ilay tanàna hitan’i Ezekiela, izay mitovy tanteraka ny refin’ny sakany sy ny lavany? Mety ho fitondrana na fitantanan-draharaha voalamina tsara izy io.

8. Miasa aia i fitantanan-draharahay, le inogne ty andraiki’e? Akore ty ahafantarantikagne izay?

8 Hitantsika ao amin’ilay fahitana fa ao amin’ilay tany ilay tanàna, izany hoe ao ihany ilay tanàna no miasa. Midika izany fa ao amin’ilay tany an’ohatra, na ny paradisa ara-panahy, ilay fitantanan-draharaha no manao ny andraikiny. Inona izany andraikiny izany? Mitarika ny asa ataon’ny vahoakan’i Jehovah izy io. Ankoatra an’izany, dia teo amina faritra “azon’ny vahoaka aleha”, izany hoe faritra tsy masina, no nisy an’ilay tanàna. Mampahatsiahy antsika izany fa tsy fitantanan-draharaha any an-danitra ilay tanàna fa eto an-tany, ary eto izy io no miasa mba hahasoa an’izay rehetra ao amin’ilay paradisa ara-panahy.

9. a) Ia ty amy i fitantanan-draharahay ao? b) Ino ty hatao i Jesosy agnate i Fanjakagne Arivo Taogney?

9 Araka an’ilay fahitan’i Ezekiela, dia olona nantsoina hoe “mpiadidy” no nitarika tao amin’ilay tanàna. (Ezek. 45:7) Mpiandraikitra teo amin’ny vahoaka izy nefa tsy mpisorona sady tsy Levita. Mampahatsiahy antsika an’ireo mpiandraikitra ao amin’ny fiangonana io mpiadidy io, indrindra fa ireo tsy anisan’ny voahosotra. Manetry tena sy tsara fanahy ireny mpiandraikitra anisan’ny “ondry hafa” ireny, ary miasa ho an’ny fitondran’i Kristy any an-danitra ry zareo. (Jaona 10:16) Hifidy anti-panahy mahay koa i Jesosy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, dia hotendreny ho “andriana” na mpitondra “manerana ny tany” ry zareo. (Sal. 45:16) Hiasa eo ambany fahefan’ilay Fanjakana any an-danitra ireo mpitondra ireo, ka hikarakara an’izay ilain’ny vahoakan’Andriamanitra mandritra ny arivo taona.

“I Jehovah ty Ao”

10. Inogne ty agnara i tanàgney, sady inogne ty toky azo boake amy izay?

10 Vakio ny Ezekiela 48:35. Ny anaran’ilay tanàna dia hoe “I Jehovah no Ao.” Manome toky io anarana io fa hahatsapa ny olona ao amin’ilay tanàna hoe eo amin’izy ireo i Jehovah. Nasehon’i Jehovah an’i Ezekiela io tanàna eo afovoan’ilay tany io, satria te hilaza tamin’ny Jiosy tany an-tsesitany izy hoe: ‘Hiaraka aminareo indray aho!’ Azo antoka fa nampahery an-dry zareo izany!

11. Ino ty ianarantikagne boake amo o ampaha’e amy faminania i Ezekiela iohoe?

11 Inona no ianarantsika avy amin’io ampahany amin’ny faminanian’i Ezekiela io? Manome toky antsika ny anaran’ilay tanàna hoe eo amin’ny mpanompony tsy mivadika eto an-tany i Jehovah amin’izao ary mbola ho eo amin’izy ireo foana izy. Misy zava-dehibe hafa koa asongadin’io anarana misy heviny be io: Tsy hoe mba hahazoan’ny olombelona fahefana no antony isian’ilay tanàna, fa mba hampiharana ny fitsipika feno fitiavana sy voalanjalanja avy amin’i Jehovah. Inona, ohatra, no manaporofo an’izany? Tsy nomen’i Jehovah fahefana hizara an’ilay tany an’ohatra araka izay hitan’izy ireo fa mety ny mpitondra notendreny. Izy no manome anjara tany, na tombontsoa, ho an’ny mpanompony, anisan’izany izay mety hoheverina hoe tsy misy dikany, dia tiany hanaja sy hanaraka ny fanapahan-keviny ireo mpitondra ireo.​—Ezek. 46:18; 48:29.

12. a) Ino ty mampiambake i tanàgney, sady mampiseho inogne zay? b) Ino ty lesogne azo ty mpiandraikitse amo o fiangonagneo eo rambesegne boake amy izay?

12 Inona koa no mampiavaka an’ilay tanàna hoe “I Jehovah no Ao”? Tsy nasiana afa-tsy vavahady vitsivitsy ny mandan’ny tanàna taloha, nefa ny an’io tanàna io 12 be izao (telo isaky ny andaniny)! (Ezek. 48:30-34) Asehon’izany hoe mora hatonina ny mpiandraikitra ao amin’ilay tanàna sady vonona hanampy ny mpanompon’i Jehovah rehetra foana. Hamafisin’ireo vavahady 12 ireo koa hoe tena mora idirana ilay tanàna ary misokatra ho an’ny rehetra, izany hoe “ho an’ny taranak’Israely rehetra.” (Ezek. 45:6) Mampahatsiahy an’ireo mpiandraikitra ao amin’ny fiangonana izany fa tian’i Jehovah raha mora hatonina ry zareo sady mampiseho hoe vonona foana hanampy an’izay rehetra ao amin’ilay paradisa ara-panahy.

Mora hatonina ny mpiandraikitra ao amin’ny fiangonana sady mampiseho hoe vonona hanampy foana (Fehintsoratra 12)

“Avy Hivavake” naho “Manompo amy i tanàgney ao” o vahoa i Jehovah-o

13. Inogne iaby ty fanompoagne nisaontsie i Jehovah tie toko’e hatao ty ndaty amy i taney ao?

13 Hodinihintsika izao ny tsipiriany hafa nosoratan’i Ezekiela ao amin’ilay fahitana momba ny fizarana an’ilay tany. Niresaka momba ny antokon’olona samihafa i Jehovah, ary nilaza izy fa hanao fanompoana isan-karazany ry zareo. Ny mpisorona, izany hoe ny “mpanompo ao amin’ny toerana masina”, no tokony hanao sorona sy hanatona an’i Jehovah mba hanompo azy. Ny Levita indray, izany hoe ny “mpanompo ao amin’ny tempoly”, no tokony “hanao ny fanompoana ao sy hikarakara an’izay rehetra tokony hatao ao.” (Ezek. 44:14-16; 45:4, 5) Misy olon-kafa miasa koa anefa eo akaikin’ilay tanàna. Iza ireo olona ireo?

14. Maniahy antikagne inogne ty raha atao o ndaty miasa marine i tanàgney io?

14 Avy amin’ny “foko rehetra eo amin’ny Israely” ireo mpiasa ireo, ary manohana an’izay manompo ao amin’ilay tanàna no asany. Mamboly ry zareo, dia ny vokatra azony no “ho sakafon’ireo manompo ao amin’ilay tanàna.” (Ezek. 48:18, 19) Mampahatsiahy antsika ny zavatra ataontsika amin’izao izany. Afaka manohana ny voahosotra rahalahin’i Kristy mantsy izay rehetra ao amin’ilay paradisa ara-panahy, sady afaka manohana ny rahalahy anisan’ny “vahoaka be” izay notendren’i Jehovah hitarika. (Apok. 7:9, 10) Fomba lehibe ampisehoantsika an’izany ny hoe manaraka ny tari-dalan’ny mpanompo mendri-pitokisana amin’ny fo manontolo.

15, 16. a) Inogne ka ty pitsopitso’e mahaliagne treantikagne amy i fahitagney? b) Inogne ka ty raha azontikagne atao, oharegne amy ty raha natao i ndaty tamy i fahitagney tao rey?

15 Misy tsipiriany hafa andraisantsika lesona koa ao amin’ilay fahitan’i Ezekiela, ary mifandray amin’ny fanompoantsika ilay izy. Inona izany? Nilaza i Jehovah hoe hankao amin’ny toerana roa samihafa ny olona avy amin’ny foko 12 izay tsy anisan’ny fokon’i Levy, izany hoe ao amin’ny tokotanin’ny tempoly sy ao amin’ny kijanan’ilay tanàna. Inona no hataon’izy ireo ao? “Tonga hivavaka” amin’i Jehovah ireo olona mankao amin’ny tokotanin’ny tempoly, ary manolotra sorona ho azy. (Ezek. 46:9, 24) Mamboly kosa izay tonga ao amin’ilay kijana mba hanohanana an’ilay tanàna. Inona no ianarantsika avy amin’ireo mpiasa ireo?

16 Misy zavatra mitovy amin’ny nataon’ireo olona ireo koa amin’izao, ary afaka mandray anjara amin’izany ny vahoaka be. Mivavaka amin’i Jehovah “ao amin’ny tempoliny” ry zareo ary manolotra sorona fiderana ho azy. (Apok. 7:9-15) Manao an’izany ry zareo rehefa mitory, sy rehefa mamaly teny sy mihira any am-pivoriana. Anisan’ny fanompoany an’i Jehovah ireo, ary heveriny ho andraikiny lehibe indrindra. (1 Tan. 16:29) Betsaka koa ny mpanompon’i Jehovah manohana ny fandaminany amin’ny fomba maro isan-karazany. Misy, ohatra, manao fanorenana sy mikojakoja Efitrano Fanjakana sy tranon’ny sampana, na manampy amin’ny tetikasa maro hafa ataon’ny fandaminana. Misy koa manome vola mba hanohanana an’ireny tetikasa ireny. Rehefa manao an’ireo ry zareo, dia hoatran’ny hoe mamboly ao amin’ilay tany “mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.” (1 Kor. 10:31) Mazoto ry zareo sady falifaly manao ny asany satria fantany hoe “tena mahafaly an’Andriamanitra ny sorona toy izany.” (Heb. 13:16) Manararaotra mandray anjara amin’ireo koa ve ianao?

Inona no ianarantsika avy amin’ireo fanompoana isan-karazany atao ao amin’ilay tanàna hitan’i Ezekiela sy eo amin’ny manodidina azy io? (Fehintsoratra  14-16)

“Hisy Lagnitse Vaovao Naho Tane Vaovao ... Sady Izay ty Lignisantikagne”

17. a) Mbe ho tanterake amy ty fomba miambake vao i fahitagne nitrea i Ezekielay? Hazavao b) Ia ty handrambe soa boake amy ty asa i fitantanan-draharaha amy i Fanjakagne Arivo Taogney?

17 Mbola ho tanteraka amin’ny fomba miavaka kokoa ilay fahitan’i Ezekiela momba an’ilay fanomezana! Mariho fa teo afovoan’ilay tany no nisy an’ilay ampahana tany nantsoina hoe “fanomezana masina.” (Ezek. 48:10) Manome toky antsika izany fa aorian’ny Aramagedona, dia ho eo amintsika i Jehovah na aiza na aiza hisy antsika eto an-tany. (Apok. 21:3) Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, dia mbola hitondra ilay fitantanan-draharaha, izany hoe ireo olona notendren’i Jehovah hikarakara ny vahoakany, ary ny tany manontolo no hiandraiketan-dry zareo. Hanome tari-dalana sy toromarika feno fitiavana ho an’izay rehetra anisan’ilay “tany vaovao” ry zareo, izany hoe ho an’ny olona rehetra ankasitrahan’i Jehovah.​—2 Pet. 3:13.

18. a) Nagnino tikagne ro matoky fa hagnaja ty fomba fitondran’Andrianagnahare lognandro i fitantanan-draharahay? b) Ino ty toky anagnantikagne boake amy ty agnara i tanàgney?

18 Nahoana isika no afaka matoky fa hanaja ny fitondran’Andriamanitra foana ilay fitantanan-draharaha? Satria asehon’ny Tenin’Andriamanitra mazava tsara hoe misy itovizany be ilay tanàna eto an-tany misy vavahady 12 sy ilay tanàna any an-danitra antsoina hoe Jerosalema Vaovao, izay tsy iza fa ireo 144 000 hiara-manjaka amin’i Kristy. Misy vavahady 12 koa mantsy ao amin’io tanàna any an-danitra io. (Apok. 21:2, 12, 21-27) Midika izany hoe izay fanapahan-kevitra raisin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra dia hampiharin’ilay fitantanan-draharaha eto an-tany. Manome toky antsika tsirairay ny anaran’ilay tanàna hoe “I Jehovah no Ao” fa tsy ho foana mihitsy ny fivavahana madio ary hihatsara foana izy io ao amin’ny Paradisa. Hoavy tsara be izany miandry antsika izany!