Hagnente ty agnate’ao

Hizilike amy ty lohahevetse

TOKO 22

“Andrianagnahare Ro Ivavaho”

“Andrianagnahare Ro Ivavaho”

APOKALYPSY 22:9

HEVETSE HODINEHEGNE: Ty hevetse lahibey nitreantikagne tamy i boke i Ezekielay ao naho ty raha azo ianaragne boake amy izay ndre amy izao ndra amy ty hoavy

1, 2. a) Ino ty safidy tsy maintsy ataontikagne tsikiraidraike? b) Ino ty natao i anjely raike tsy nivalikey naho fa niankohoke tan-tombo’eo ty Jaona mba hivavake ama’e?

 TSY maintsy misafidy isika tsirairay hoe iza no hivavahantsika. Be dia be ny fivavahana amin’izao, dia sahirana ny olona mifidy hoe aiza izy no handeha. Tsotra ihany anefa ny safidy azo atao: Na isika manompo an’i Jehovah Andriamanitra na isika manompo an’i Satana Devoly.

2 Tena tian’i Satana raha izy no ivavahana, ary niharihary izany rehefa naka fanahy an’i Jesosy izy. Noresahina tao amin’ny Toko voalohany fa nampanantena i Satana hoe homeny zavatra miavaka i Jesosy, izany hoe ny fahefana amin’ny fanjakana rehetra eto an-tany. Nisy takalony anefa izany. Nasainy ‘niankohoka indray mandeha teo anatrehany’ i Jesosy. (Mat. 4:9) Tsy nanaiky hivavahana kosa anefa ilay anjely niseho tamin’ny apostoly Jaona. (Vakio ny Apokalypsy 22:8, 9.) Nanetry tena io zanak’Andriamanitra io, ka rehefa niankohoka teo an-tongony i Jaona mba hivavaka taminy, dia nilaza izy hoe: “Aza manao an’izao!” Tsy nampirisika an’i Jaona hivavaka taminy izy fa niteny kosa hoe: “Andriamanitra no ivavaho.”

3. a) Ino ty tanjo ty boke toy? b) Ino ty hodinehentikagne ato?

3 Ny tanjon’ity boky ity dia ny hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hankatò an’io didy io, izany hoe hanompo an’i Jehovah Andriamanitra irery ihany. (Deot. 10:20; Mat. 4:10) Andao hiverenantsika kely izay nianarantsika momba ny fivavahana madio avy amin’ny faminaniana sy ny fahitan’i Ezekiela. Hodinihintsika avy eo izay lazain’ny Baiboly momba an’ilay fitsapana farany hatrehin’ny olona rehetra eto an-tany amin’ny hoavy. Hahazo tombontsoa miavaka izay tsy mivadika amin’io fitsapana io satria hahita ny fivavahana madio tafaverina amin’ny laoniny tanteraka.

Hevetse Lahibey Telo amy ty Boke i Ezekiela ao

4. Ino ty hevetse lahibey telo asongadigne amy ty boke i Ezekiela ao?

4 Asehon’ny bokin’i Ezekiela fa raha te hanaraka ny fivavahana madio isika dia tsy hoe misy fombafomba tsy maintsy atao fotsiny. Inona kosa no tafiditra amin’izany? 1) I Jehovah irery no tokony hivavahantsika. 2) Tokony hiray saina foana isika rehefa manaraka ny fivavahana madio. 3) Tokony hampiseho fitiavana amin’ny hafa isika. Hodinihintsika izao hoe ahoana no nanasongadinan’ny faminaniana sy fahitana tato amin’ity boky ity an’ireo hevi-dehibe ireo.

Hevi-dehibe voalohany: I Jehovah irery no tokony hivavahana

5-9. Ino ty nianarantikagne miomba tihoe i Jehovah raike avao ro toko’e hivavahagne?

5 Toko faha-3: a Asehon’ny fahitana mahavariana iray fa voahodidina avana i Jehovah sady mitarika zavaboary ara-panahy mahery. Izao no hevi-dehibe asongadin’izany: Ilay Mahery Indrindra irery ihany no mendrika hivavahana.​—Ezek. 1:4, 15-28.

6 Toko faha-5: Nasehon’ny fahitana iray hafa fa voaloto ny tempolin’i Jehovah ary tena nanafintohina ny nahita an’ilay izy. Asongadin’io fahitana io hoe tsy misy miafina amin’i Jehovah. Hitany foana rehefa misy mpanompony mivadika aminy, ohatra hoe lasa manompo sampy, na dia tsy hitan’ny olona aza izany. Malahelo izy rehefa misy manao ratsy hoatr’izany ary tsy maintsy hosaziny izay manao an’izany.​—Ezek. 8:1-18.

7 Toko faha-7: Asehon’ireo didim-pitsarana momba ny firenena “nanesoeso” sy nanao tsinontsinona ny Israely, fa tsy maintsy hotsarain’i Jehovah izay mampijaly ny vahoakany. (Ezek. 25:6) Ianarantsika avy amin’ny fifandraisan’ny Israely tamin’ireo firenena ireo koa anefa fa ny hoe tsy hivadika amin’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika. Tsy tokony hampandefitra ny fitsipik’i Jehovah mihitsy isika satria hoe te hampifaly ny havantsika tsy manompo azy. Tsy tokony hatoky ny harena koa isika ary tsy tokony hanohana fitondram-panjakan’olombelona. I Jehovah irery mantsy no mendrika hotohanantsika sy hankatoavintsika tanteraka.

8 Toko faha-13 sy faha-14: Nianarantsika avy tamin’ilay fahitana momba an’ilay tempoly teo amin’ny tendrombohitra avo be fa tsy maintsy manaraka ny fitsipika ambony apetrak’i Jehovah isika sady miaiky hoe ambony noho ny andriamanitra hafa rehetra izy.​—Ezek. 40:1–48:35.

9 Toko faha-15: Ampitahaina amin’ny mpivaro-tena ny Israely sy Joda ao amin’ny fahitana iray azon’i Ezekiela. Mampahatsiahy antsika io fahitana io fa maharikoriko an’i Jehovah ny mahita ny mpanompony mivadika aminy ka hoatran’ny hoe mivaro-tena.​—Ezek. toko faha-​16, 23.

Hevi-dehibe faharoa: Tokony hiray saina foana izay manaraka ny fivavahana madio

10-14. Akore ty nagnasongadignagne tihoe toko’e hiharo saigne lognandro ze magnorike ty fivavahagne malio?

10 Toko faha-8: Araka ny asehon’ireo faminaniana momba ny “mpiandry iray” hotendren’i Jehovah hikarakara ny vahoakany, dia tokony hiara-miasa sy hiray saina ary hihavana tsara isika eo ambany fitarihan’i Jesosy.​—Ezek. 34:23, 24; 37:24-28.

11 Toko faha-9: Naminany i Ezekiela hoe hafahana avy any an-tsesitany any Babylona ny vahoakan’i Jehovah ary ho tafaverina any an-tanindrazany. Misy lesona ho an’izay te hampifaly an’i Jehovah sy te hanaraka ny fivavahana madio ao amin’ireny faminaniana ireny. Tsy maintsy miala amin’ny fanaon’ny fivavahan-diso izy ireo sady tsy hanaiky ho voatarika hanao an’izany intsony, raha tsy tiany ho voaloto ny fanompoany an’i Jehovah. Na dia avy amin’ny fivavahana sy firazanana samihafa aza isika ary samy manana ny fari-piainantsika, dia tsy maintsy miezaka mba hiray saina foana satria izany no ahafantarana ny vahoakan’i Jehovah.​—Ezek. 11:17, 18; 12:24; Jaona 17:20-23.

12 Toko faha-10: Nasongadin’ilay fahitana momba an’ireo taolana maina fa tena ilaina ny firaisan-tsaina. Sambatra isika hoe anisan’ilay vahoaka manaraka ny fivavahana madio sady miara-miasa hoatran’ny tafika iray!​—Ezek. 37:1-14.

13 Toko faha-12: Ilay faminaniana momba an’ireo tapa-kazo roa nakambana ho iray no tena manasongadina ny firaisan-tsaina. Manatanjaka ny finoantsika ny mahita hoe manatanteraka an’io faminaniana io ny voahosotra sy ny ondry hafa! Na dia voazarazaran’ny fivavahana sy ny politika aza izao tontolo izao, dia miray saina foana isika satria mifankatia sady samy tsy mivadika.​—Ezek. 37:15-23.

14 Toko faha-16: Misy fampitandremana mampieritreritra ao amin’ilay fahitana momba an’ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty sy ireo lehilahy mitondra fitaovam-piadiana famotipotehana: Izay efa manaraka ny fivavahana madio alohan’ny “fahoriana lehibe” ihany no hasiana marika ka ho tafavoaka velona.​—Mat. 24:21; Ezek. 9:1-11.

Hevi-dehibe fahatelo: Ilaina ny mampiseho fitiavana amin’ny hafa

15-18. Nagnino tikagne ro tsy maintsy mampiseho hatea, sady akore ty azontikagne anoagne izay?

15 Toko faha-4: Nampianatra antsika momba ny toetran’i Jehovah ilay fahitana momba an’ireo zavamananaina efatra, ary ny fitiavana no lehibe indrindra amin’izany. Porofointsika hoe i Jehovah no Andriamanitsika raha mampiseho fitiavana isika amin’izay lazaintsika sy ataontsika.​—Ezek. 1:5-14; 1 Jaona 4:8.

16 Toko faha-6 sy faha-11: Ny fitiavana no nahatonga an’i Jehovah hanendry mpitily, anisan’izany i Ezekiela. Be fitiavana izy ka tsy tiany hisy olona ho ringana rehefa hofoanany ny fitondran’i Satana eto an-tany. (2 Pet. 3:9) Afaka manahaka ny fitiavan’i Jehovah isika rehefa manohana an’ilay mpitily amin’izao andro izao. Tombontsoa be izany!​—Ezek. 33:1-9.

17 Toko faha-17 sy faha-18: Fantatr’i Jehovah hoe betsaka ny olona tsy hibebaka na dia mamindra fo aza izy, ary hanandrana handripaka ny mpanompony tsy mivadika ireny olona ireny. Tian’i Jehovah anefa ny mpanompony, dia harovany ry zareo rehefa hotafihin’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga.” Tia ny mpiara-belona amintsika koa isika, ka miezaka mampitandrina olona betsaka araka izay azo atao hoe horinganin’i Jehovah izay mampijaly ny vahoakany.​—Ezek. 38:1–39:20; 2 Tes. 1:6, 7.

18 Toko faha-19, faha-20 ary faha-21: Asongadin’ireo fahitana momba an’ilay rano mahavelona sy ny fizarana an’ilay tany fa tena tian’i Jehovah ny vahoakany. Asehon’ireo fahitana ireo ny vokatr’ilay porofom-pitiavana lehibe indrindra avy amin’i Jehovah. Nanome ny Zanany ho sorona izy mba hahazoantsika famelan-keloka sy fiainana tonga lafatra, ary hahatonga antsika ho anisan’ny fianakaviany. Resahintsika amin’ny mpiara-belona amintsika ilay hoavy tena tsara omanin’i Jehovah ho an’izay mino ny Zanany. Izay no anisan’ny fomba tsara indrindra ampisehoantsika hoe tiantsika ry zareo.​—Ezek. 45:1-7; 47:1–48:35; Apok. 21:1-4; 22:17.

Fiambaneagne Miambake Afara i Fanjakagne Arivo Taogney

19. Ino ty hatao i Jesosy amy i Fanjakagne Arivo Taogney? (Henteo ty efajoro tihoe “Ilay Fitsapana Farany.”)

19 Hoatran’ny tantara mahavaky fo ny tantaran’ny olombelona satria fijaliana sy fahafatesana foana no nanjaka hatramin’izay. Hitondra fanamaivanana anefa i Jesosy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Hovelominy indray ny olona an’arivony tapitrisa efa maty, ary hositraniny ny alahelo vokatry ny fahafatesana, izay fahavalontsika. (1 Kor. 15:26; Mar. 5:38-42; Asa. 24:15) Rehefa atsangan’i Jesosy tsikelikely ny maty, dia hoatran’ny hoe voafafa tsikelikely ilay tantara mampalahelo, ary ho afaka hamorona tantara vaovao sady tsara kokoa izay rehetra atsangana amin’ny maty. Noho ny sorom-panavotana, dia ho afaka hanala ny zava-dratsy rehetra vokatry ny aretina sy ny ady ary ny mosary i Jesosy. Hampiany koa isika mba ho afaka tanteraka amin’ny ota nolovantsika avy tamin’i Adama, satria io no tena fototry ny fahoriantsika. (Rom. 5:18, 19) Aorian’izay dia ho azo lazaina hoe vitan’i Jesosy tanteraka ny ‘nandrava ny asan’ny Devoly.’​—1 Jaona 3:8.

Ho afaka hamorona tantara vaovao sady tsara kokoa ireo rehetra atsangana amin’ny maty

20. Akore ty hanoroa i Jesosy naho i 144 000 rey tie tena miambane iareo? Hazavao. (Henteo i sare am-panomboha ty toko toỳ.)

20 Vakio ny 1 Korintianina 15:24-28. Inona no hitranga rehefa lasa lavorary ny olombelona rehetra sady lasa Paradisa ny tany, araka ny efa nokasain’i Jehovah tamin’ny voalohany? Hamerina ny Fanjakana amin’i Jehovah i Jesosy sy ireo 144 000 niara-nanjaka taminy, ka ho hita hoe tena manetry tena. Na efa nitondra nandritra ny arivo taona aza mantsy ry zareo dia hiala an-tsitrapo amin’izany toerany izany. Haharitra mandrakizay kosa ny zava-bitan’ilay Fanjakana.

I Fitsapagne Fara’ey

21, 22. a) Hanao akore o fiaignagneo naho fa ho tapetse i arivo taogney? b) Ino ty anto’e mahavy i Jehovah hagnafake i Satana naho o demoniao?

21 Hanao zavatra miavaka i Jehovah aorian’izay, ary ho hita amin’ilay izy hoe tena matoky ny vahoakany eto an-tany izy. Hasainy hafahana avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demonia rehefa avy nigadra tao arivo taona. (Vakio ny Apokalypsy 20:1-3.) Tena tsy hitovy amin’ny fiainana hitan-dry zareo talohan’ny nigadrany anefa ny fiainana eto an-tany amin’izay. Voafitak’i Satana ny ankamaroan’ny olona talohan’ny Aramagedona, dia nisara-bazana ny olona satria nifankahala sady nifanavakavaka. (Apok. 12:9) Amin’ny faran’ny arivo taona kosa, dia ho efa manompo an’i Jehovah daholo ny olona ka lasa fianakaviana miray saina sy mifankatia. Ho efa lasa paradisa anjakan’ny fiadanana ny tany amin’izany.

22 Nahoana anefa no mbola hafahan’i Jehovah indray ireo mpanao ratsy ireo dia havelany hiditra ao amin’ilay tontolo vaovao efa tsy misy ratsy intsony? Satria tsy mbola nanaporofo ny ankamaroan’ny olona ho velona amin’ny faran’ny arivo taona hoe tsy mivadika aminy. Mbola tsy niatrika fitsapana hoatran’ny mpanompony tsy nivadika mantsy ry zareo. Mbola tsy nahalala an’i Jehovah ny ankamaroan’ireny olona ireny talohan’ny nahafatesany, nefa tonga dia ao amin’ny Paradisa izy rehefa hatsangana. Homen’i Jehovah an’izay rehetra ilainy ry zareo sady hampiany mba hifandray tsara aminy. Tia an’i Jehovah sy manompo azy ny manodidina an-dry zareo, ka tsy hisy hitarika azy hanao ratsy fa hampirisika azy hanao ny tsara daholo. Hoatran’ny nataony tamin’i Joba, dia ho afaka hanendrikendrika an’ireny olona hatsangana amin’ny maty ireny indray i Satana hoe manompo an’i Jehovah ry zareo satria fotsiny hoe arovany sy tahiny. (Joba 1:9, 10) Alohan’ny hitazonan’i Jehovah ny anarantsika mandrakizay ao amin’ny bokin’ny fiainana àry, dia havelany hanaporofo indray mandeha tsy miverina isika hoe tsy mivadika aminy sady manaiky hoe izy no Raintsika sy Mpitondra antsika.​—Apok. 20:12, 15.

23. Inogne ty safidy tsy maintsy hatao ty tsikiraidraike?

23 Havela hitaona ny olona tsy hanompo an’Andriamanitra intsony i Satana mandritra ny fotoana kelikely. Inona àry ny safidy tsy maintsy hataon’ny tsirairay amin’izay? Mitovy amin’ny safidy tsy maintsy nataon’i Adama sy Eva ihany: Na hanaiky ny fitsipik’i Jehovah dia hanohana ny fitondrany sy hanompo azy, na hikomy amin’i Jehovah dia hanohana an’i Satana.

24. Nagnino ro tokavegne tihoe “Goga naho Magoga” i ndaty higoreve rey?

24 Vakio ny Apokalypsy 20:7-10. “Goga sy Magoga” no iantsoana ny olona rehetra hikomy amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Misy itovizany amin’ireo mpikomy hanohitra ny fitondran’i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe, izany hoe i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”, ireo olona ireo. (Ezek. 38:2) Tsy avy amin’ny firenena iray ihany i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”, fa mizarazara ho firenena samihafa. Mampiasa ny hoe ‘ireo firenena’ koa ny Apokalypsy rehefa miresaka momba an’ireo hikomy amin’ny faran’ny arivo taona. Nahoana izany no mahaliana? Satria efa tsy mizarazara ho firenena intsony ny olona eto an-tany mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, ary fitondram-panjakana iray ihany no mitondra, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho firenena iray ny olombelona rehetra amin’izany. Antsoin’ilay faminaniana hoe “Goga sy Magoga” sy hoe ‘ireo firenena’ àry ireo mpikomy hiala amin’ny vahoakan’i Jehovah ireo, mba hampisehoana fa ho vitan’i Satana ny hampizarazara an-dry zareo. Tsy ho afaka hanery an’iza na iza hanaraka azy anefa i Satana. Samy hanao ny safidiny ny olona lavorary tsirairay.

Antsoina hoe “Goga sy Magoga” ireo mpikomy (Fehintsoratra 24)

25, 26. Fire ty ndaty hagnorike i Satana, sady hanao akore ty hiafara iareo?

25 Firy ny olona hanaraka an’i Satana? Ho “hoatran’ny fasika any an-dranomasina ny isan’izy ireo.” Tsy midika izany hoe ho be dia be ny olona hikomy. Nahoana isika no milaza an’izany? Nampanantena an’i Abrahama, ohatra, i Jehovah fa ho lasa hoatran’ny “fasika eny amoron-dranomasina” ny taranany. (Gen. 22:17, 18) Hita anefa tatỳ aoriana hoe 144 001 ihany ny olona anisan’io taranany io. (Gal. 3:16, 29) Hoatran’ny hoe betsaka izany, nefa kely ihany raha oharina amin’ny isan’ny olombelona rehetra. Mety ho betsaka koa ny isan’ny olona hanaraka an’i Satana, nefa ho vitsy ihany raha oharina amin’ny olona tsy mivadika. Tsy misy tokony hatahoran’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika àry, satria tsy hahavita handripaka an-dry zareo ireo mpikomy ireo!

26 Horinganin’i Jehovah haingana ireo olona hikomy ireo. Hofoanana miaraka amin’i Satana sy ny demonia ry zareo, ary tsy ho afaka hanantena hoe ho velona indray. Ny fanapahan-kevitra ratsy nataony sy ny vokatr’izany sisa no hotsaroana mandrakizay.​—Apok. 20:10.

27-29. Inogne ty ho valesoa ze tsy mivalike amy i fitsapagne fara’ey?

27 Inona no ho valisoan’izay tsy mivadika amin’ilay fitsapana farany? Ho voasoratra mandrakizay ao amin’ny “bokin’ny fiainana” ny anarany. (Apok. 20:15) Ho lasa fianakaviana miray saina ny zanak’i Jehovah rehetra aorian’izay, ka hanompo azy satria tena mendrika an’izany izy.

28 Alao sary an-tsaina ange ny hoavy e! Hanana asa mahafa-po sy namana mahafinaritra ianao amin’izany. Tsy hijaly intsony mihitsy ianao sy ny olona akaiky anao. Ho efa lavorary koa ianao, ka ianao ihany no ho tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah amin’izay ataonao fa tsy hila mpanelanelana intsony. Ho afaka hifandray mivantana sy hinamana be amin’i Jehovah ny olona rehetra. Fa ny tena tsara indrindra dia hoe hifanaraka tanteraka amin’ny fitsipik’i Jehovah ny fomba hanompoana azy, na any an-danitra na eto an-tany. Ho tafaverina amin’ny laoniny tanteraka ny fivavahana madio amin’izay!

Rehefa lavorary ianao, dia ianao ihany no ho tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah amin’izay ataonao fa tsy hila mpanelanelana (Fehintsoratra 28)

29 Ho eo ve ianao amin’io fotoana miavaka io? Inona no tokony hataonao raha te ho eo ianao? Ampiharo foana ireo lesona telo lehibe hitantsika tao amin’ny bokin’i Ezekiela, ka i Jehovah irery no ivavaho, ataovy foana izay hampiray saina antsika, ary asehoy hoe tianao ny hafa. Mbola misy lesona iray farany sady tena lehibe anefa hitantsika ao amin’ny faminanian’i Ezekiela. Inona izany?

Tena ho faly isika rehefa hiray saina sy hanaraka ny fivavahana madio ny zavaboary rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany (Fehintsoratra 27-29)

“Ho Fanta’e fa Iraho ro Jehovah”

30, 31. Ino ty dika tihoe “tsy maintsy ho fanta’e fa iraho ro Jehovah” a) hoahy o fahavalon’Andrianagnahareo? b) hoahy o vahoan’Andrianagnahareo?

30 Miverimberina be ao amin’ny bokin’i Ezekiela ilay hoe “tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah”, na ny mitovitovy amin’izany. (Ezek. 6:10; 39:28) Inona no dikan’izany ho an’ny fahavalon’i Jehovah? Midika izany hoe hiady amin’izy ireo i Jehovah ary ho faty ry zareo. Rehefa iharan’ny didim-pitsarany ny fahavalony dia hiaiky hoe misy i Jehovah, ary ho fantatr’izy ireo fa ny dikan’ny anaran’i Jehovah dia hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Ho lasa “mpiady tena mahery” mantsy i “Jehovah Tompon’ny tafika” dia hiady amin-dry zareo. (Eks. 15:3; 1 Sam. 17:45) Efa tara loatra vao ho fantatr’izy ireo hoe tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hanatanteraka ny fikasany!

31 Ary midika ho inona ho antsika vahoakan’Andriamanitra kosa ilay hoe “tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah”? Midika izany hoe hiadana sy hiaina mandrakizay isika. Hataon’i Jehovah izay hahatonga antsika ho lasa zanany ka hanahaka tanteraka ny toetrany, araka ny efa noeritreretiny tamin’ny voalohany. (Gen. 1:26) Na amin’izao aza anefa dia efa Ray be fitiavana ho antsika i Jehovah sady Mpiandry miaro antsika. Kely sisa dia ho lasa Mpanjaka mandresy koa izy. Alohan’izay anefa dia andao isika hiezaka hampiseho amin’ny tenintsika sy ny ataontsika isan’andro hoe mahafantatra an’i Jehovah sy ny toetrany, araka an’ilay hafatra nampitain’i Ezekiela. Tsy hatahotra isika amin’izay rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe. Hitraka kosa isika satria fantatsika fa efa akaiky ny fanafahana antsika. (Lioka 21:28) Eo am-piandrasana an’izany, dia andao isika hanampy olona betsaka araka izay azo atao mba hahafantatra sy ho tia an’ilay Andriamanitra tena mendrika hivavahana, izany hoe ilay Andriamanitra mitondra an’ilay anarana miavaka indrindra hoe Jehovah.​—Ezek. 28:26.

a Toko ato amin’ity boky ity no atao hoe toko manomboka eto.