Hizaha raha an̈atiny

Handeha amy tany misy hevitry maventy

EFAJORO 9E

Faminaniana Momba ny Sesitany sy ny Famerenana Amin’ny Laoniny

Faminaniana Momba ny Sesitany sy ny Famerenana Amin’ny Laoniny

Betsaka amin’ireo faminaniana momba ny nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona no tanteraka fanindroany tamin’ny fomba miavaka kokoa. Tanteraka koa izy ireny rehefa natao sesitany tao amin’i Babylona Lehibe ny fiangonana kristianina. Ireto misy ohatra:

1. FAMPITANDREMANA

2. SESITANY

3. FAMERENANA AMIN’NY LAONINY

FAHATANTERAHANY VOALOHANY

Talohan’ny 607 T.K.: Nampitandrina ny vahoakan’i Jehovah i Isaia sy Jeremia ary Ezekiela; mbola be dia be anefa no nivadi-pinoana

607 T.K.: Rava i Jerosalema; natao sesitany tany Babylona ny vahoakan’Andriamanitra

537 T.K. sy taorian’izay: Niverina tany Jerosalema ny Jiosy tsy nivadika, ary nanorina ny tempoly sy nanaraka ny fivavahana madio indray

FAHATANTERAHANY FAHAROA

Taonjato voalohany A.K.: Nampitandrina ny fiangonana i Jesosy sy Paoly ary Jaona; mbola be dia be ihany anefa no nivadi-pinoana

Nanomboka tamin’ny taona 100 A.K. tany ho any: Natao sesitany tao amin’i Babylona Lehibe ny tena Kristianina

1919 A.K. sy taorian’izay: Nafahan’i Jesosy Mpanjaka avy tao amin’i Babylona Lehibe ny voahosotra tsy mivadika, ary naveriny tamin’ny laoniny ny fivavahana madio