Hizaha raha an̈atiny

Handeha amy tany misy hevitry maventy

EFAJORO 16A

Mifanitsy Amin’i Jerosalema ve ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?

Mifanitsy Amin’i Jerosalema ve ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?

Nilaza ny bokintsika taloha hoe tandindon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina i Jerosalema nivadi-pinoana. Nanjaka tao Jerosalema mantsy ny fanompoan-tsampy sy ny kolikoly ary ny zava-dratsy hafa, dia mitovy be amin’izany ny zava-misy ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Rehefa manazava faminaniana anefa ny bokintsika tato ho ato, anisan’izany ity boky ity, dia tsy milaza intsony hoe tandindona ny zavatra sasany ary misy mifanitsy aminy, raha tsy hoe ny Baiboly mihitsy no milaza hoe izay no izy. Raha ny Baiboly àry no jerena, dia misy antony ilazana ve hoe mifanitsy amin’i Jerosalema ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina? Tsia.

Diniho izao: Foiben’ny fivavahana madio i Jerosalema taloha, fa lasa nivadi-pinoana ny olona tao tatỳ aoriana. Ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina anefa mbola tsy nanaraka ny fivavahana madio mihitsy hatramin’izay. Nampianatra zavatra diso foana izy io, efa hatramin’izy vao nanomboka nisy, izany hoe tamin’ny taonjato fahefatra.

Ankoatra an’izay, na dia noravan’ny Babylonianina aza i Jerosalema, dia lasa nankasitrahan’i Jehovah indray izy io tatỳ aoriana, ary lasa foiben’ny fivavahana marina indray. Ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina kosa anefa mbola tsy nankasitrahan’i Jehovah mihitsy hatramin’izay. Rehefa horavana koa izy io amin’ny fahoriana lehibe, dia tsy ho tafarina intsony.

Raha fintinina àry dia izao: Rehefa mandinika ny faminaniana tanteraka tamin’i Jerosalema nivadi-pinoana isika, dia afaka milaza hoe mitovy amin’ny zavatra nataon’ny olona tao Jerosalema ny ataon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Tsy afaka miteny anefa isika hoe mifanitsy amin’i Jerosalema ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, satria tsy misy porofo ahafahana milaza an’izany ao amin’ny Baiboly.