Hizaha raha an̈atiny

Handeha amy tany misy hevitry maventy

EFAJORO 18A

Mampitandrina Momba An’ilay Ady Lehibe ho Avy i Jehovah

Mampitandrina Momba An’ilay Ady Lehibe ho Avy i Jehovah

Betsaka ny faminaniana ao amin’ny Baiboly mampitandrina hoe handringana an’izay rehetra manohitra azy sy ny vahoakany i Jehovah amin’ny ady lehibe iray ho avy. Misy santionany amin’izany faminaniana izany etsy ambany. Mariho ny itovizan’izy ireo, ary jereo fa nataon’i Jehovah azo antoka hoe maheno an’ilay fampitandremana daholo ny olona ka hanao zavatra mifanaraka amin’izany.

TAMIN’NY ANDRON’NY ISRAELY

EZEKIELA: “‘Hiantso sabatra hamely [an’i Goga] eny amin’ny tendrombohitro rehetra aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”​—Ezek. 38:18-23.

JEREMIA: “[I Jehovah] mihitsy no hitsara ny olombelona rehetra. Ary hatolony hovonoina amin’ny sabatra ny ratsy fanahy.”​—Jer. 25:31-33.

DANIELA: “Hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra. ... Hotorotoroin’io fanjakana io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo.”​—Dan. 2:44.

TAMIN’NY TAONJATO VOALOHANY

JESOSY: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy hoatr’izany hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao.”​—Mat. 24:21, 22.

PAOLY: ‘Hamaly an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra i Jesosy miaraka amin’ny anjeliny mahery.’​—2 Tes. 1:6-9.

PETERA: ‘Ho avy toy ny mpangalatra ny andron’i Jehovah, ary haharihary ny tany sy ny asa eo aminy.’​—2 Pet. 3:10.

JAONA: “Nisy sabatra maranitra lava be nivoaka avy tamin’ny [vavan’i Jesosy] mba hamelezany ny firenena.”​—Apok. 19:11-18.

AMIN’IZAO ANDRONTSIKA IZAO

Ny Baiboly no boky voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra sady miely indrindra hatramin’izay

INONA NO ATAON’NY MPANOMPON’I JEHOVAH AMIN’IZAO?

  • Mizara boky ara-baiboly an’arivony tapitrisa amin’ny fiteny an-jatony

  • Manokana ora an-jatony tapitrisa isan-taona mba hitoriana