Hizaha raha an̈atiny

Handeha amy tany misy hevitry maventy

EFAJORO 4A

‘Nijery An’ireo Zavamananaina Ireo’ Aho

‘Nijery An’ireo Zavamananaina Ireo’ Aho

Nahitana sarivongana ngezabe mampiseho omby sy liona manana lohan’olona sady manana elatra eran’i Asyria sy Babylonia. Azo inoana fa efa nahita sarivongana hoatr’ireny i Ezekiela. Nijoro hoatran’ny hoe mpiambina teo anoloan’ny lapa sy ny tempoly izy ireny, ary enina metatra teo ho eo ny haavon’ny sasany taminy. Mety ho variana be ny mpandalo rehefa nahita an’ireny sarivongana ngezabe ireny, ary azo antoka fa hoatran’izany koa i Ezekiela. Na dia hoatran’ny hoe matanjaka be aza anefa no fahitana an’ireny biby ireny, dia tsy nanan’aina ilay izy satria vita tamin’ny vato.

Tsy hoatr’izany kosa anefa ireo “zavamananaina” efatra hitan’i Ezekiela. Velona izy ireo! Tena nahatalanjona an’i Ezekiela ny zavatra hitany, ka impolo be izao izy no namerina an’ilay teny hoe “zavamananaina” rehefa nanomboka niresaka momba an’ilay faminaniana! (Ezek. 1:5-22) Teo ambanin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ireo zavamananaina ireo, ary niara-nandeha sady nitovy ny lalany. Rehefa nahita an’izany i Ezekiela, dia azo antoka fa niaiky hoe voafehin’i Jehovah tanteraka ny zavaboariny rehetra. Mahatonga antsika hiaiky koa io fahitana io hoe tena lehibe sady mahery i Jehovah, ary Mpanjaka be voninahitra izy.​—1 Tan. 29:11.