Hizaha raha an̈atiny

Handeha amy tany misy hevitry maventy

EFAJORO 19A

Renirano Mitondra Fitahiana avy Amin’i Jehovah

Renirano Mitondra Fitahiana avy Amin’i Jehovah

Mampiasa an’ilay teny hoe “renirano” na “rano” ireto andinin-teny ireto mba hilazana ny fitahiana omen’i Jehovah ny vahoakany. Hampahery be antsika ny handinika azy ireo satria hahitantsika hoe ahoana no itahian’i Jehovah ny vahoakany amin’izao.

JOELA 3:18: Resahin’io faminaniana io hoe hisy loharano hikoriana avy ao amin’ny toerana masin’ny tempoly, dia hanondraka an’ilay lohasaha maina antsoina hoe “Lohasahan’ny Hazo Akasia.” Samy mamelona toerana tsy misy zavamananaina ny renirano hitan’i Joela sy Ezekiela, sady samy miainga avy ao amin’ny tranon’i Jehovah, izany hoe ny tempoly.

ZAKARIA 14:8: Nahita “rano velona” mikoriana avy ao Jerosalema i Zakaria mpaminany. Mivarina any amin’ny ranomasina atsinanana (Ranomasina Maty) ny antsasany, dia ny antsasany any amin’ny ranomasina andrefana (Ranomasina Mediterane). Antsoina hoe “tanànan’ny Mpanjaka lehibe” i Jerosalema, ary i Jehovah ilay Mpanjaka lehibe. (Matio 5:35) Rehefa niresaka momba an’i Jerosalema àry ilay faminanian’i Zakaria, dia te hampiseho fa hanjaka amin’ny tany manontolo i Jehovah amin’ny hoavy. Azo inoana fa asehon’ilay rano ao amin’ny faminaniany hoe hotahin’i Jehovah ny vahoakany ao amin’ny Paradisa, na ireo tafavoaka amin’ny fahoriana lehibe na ireo hatsangana amin’ny maty.

APOKALYPSY 22:1, 2: Nahita renirano misy itovizany be amin’ilay hitan’i Ezekiela ny apostoly Jaona. Tsy avy ao amin’ny tempoly anefa ilay izy no mikoriana fa avy eo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah. Hoatran’ilay fahitan’i Zakaria, dia asongadin’io fahitana io ny fitahiana be dia be hoentin’ny fitondran’Andriamanitra mandritra ny arivo taona.

Kely ihany ny tsy mampitovy an’ireo fitahiana ireo sy ny fitahiana asehon’ilay renirano hitan’i Ezekiela. Avy amin’i Jehovah daholo mantsy ireny fitahiana ireny, ary ny olona rehetra tsy mivadika no homeny an’izany.

SALAMO 46:4: Samy resahina ao na ny fitondran’i Jehovah na ny fivavahana aminy. Mampifaly ny “tanànan’Andriamanitra”, izany hoe ny Fanjakany sy ny fitondrany, ilay renirano resahina ao, sady mampifaly an’ilay “tranolay be voninahitra sy masina, izay an’ny Avo Indrindra”, izany hoe ny fivavahana madio.

Rehefa dinihina ireo andinin-teny ireo, dia misy fomba roa hitahian’i Jehovah ny vahoakany tsy mivadika: Ny fitondrany sy ny fandaharana ataony mba hanarahantsika ny fivavahana madio. Handray soa mandrakizay avy amin’ireo isika amin’ny hoavy. Tokony hisotro an’ilay “rano velona” avy amin’i Jehovah sy ny Zanany foana àry isika, izany hoe handray an’izay fanampiana rehetra omeny mba hahafahantsika hiaina mandrakizay.​—Jer. 2:13; Jaona 4:10.