Hizaha raha an̈atiny

Handeha amy tany misy hevitry maventy

TOKO 13

“Hazavà Raha Mombamomba Tempoly”

“Hazavà Raha Mombamomba Tempoly”

EZEKIELA 43:10

HEVITRY HIDINIHIN̈Y: Dikany Fahitan̈any Ezekiela momba tempoly araiky be voninahitry

1-3. a) Nan̈ino mety nankahery Ezekiela fahitan̈a momba tempoly maventy be io? (Zahava sary amy fanombohany toko ty.) b) Ino raha hidinihintsika amy toko ty?

 EFA 50 taona izao i Ezekiela, ary 25 taona izy izay no tany an-tsesitany. Efa ela be koa no rava ny tempolin’i Jerosalema. Mety hoe nanantena ny ho lasa mpisorona tao amin’io tempoly io izy, nefa indrisy fa nofy sisa izany. Mbola afaka 56 taona eo ho eo mantsy vao ho tapitra ilay sesitany, dia fantany hoe mety ho efa maty izy amin’izany. Tsy ho hitany ny hodian’ny vahoakan’i Jehovah any an-tanindrazany sy ny hanorenana ny tempoly indray. (Jer. 25:11) Nalahelo izao i Ezekiela nieritreritra an’izany rehetra izany!

2 Tsara fanahy be anefa i Jehovah, dia tamin’io fotoana io mihitsy i Ezekiela no nomeny fahitana mampahery sy manome fanantenana. Nentiny tany an-tanindrazany tamin’ny alalan’ilay fahitana io mpaminany io, ary napetrany teo ambony tendrombohitra avo be. Nahita anjely izy teny, ary “namirapiratra hoatran’ny varahina” ny fahitany azy. Nentin’ilay anjely nitsidika tempoly iray ngezabe i Ezekiela, dia nasehony azy daholo ny tao anatiny. (Vakio ny Ezekiela 40:1-4.) Hoatran’ny tena izy mihitsy ny zavatra hitan’i Ezekiela! Azo antoka hoe nanatanjaka ny finoany sy nahatalanjona azy izany, nefa mety ho nahalasa saina azy koa. Betsaka ny nampitovy an’io tempoly io tamin’ilay tempoly tany Jerosalema, nefa be dia be koa ny tsy nampitovy azy.

3 Miresaka momba an’io fahitana miavaka io ny toko sivy farany ao amin’ny bokin’i Ezekiela. Andao aloha hojerentsika hoe nahoana isika no tsy tokony hanasaro-javatra rehefa mandinika an’io fahitana io sy miezaka hahazo an’ilay izy. Horesahintsika avy eo raha io tempoly hitan’i Ezekiela io ihany ilay tempoly ara-panahy lehibe noresahin’ny apostoly Paoly taonjato maro tatỳ aoriana. Farany, dia hojerentsika hoe inona no dikan’io fahitana io ho an’i Ezekiela sy ny Jiosy natao sesitany niaraka taminy.

Tokony atao ten̈a tsotra fomba han̈azavan̈a fahitan̈a io

4. Karakory nataontsika taloha baka hatakaran̈a tsarabe dikany fahitan̈a momba tempoly io? Kanefa karakory fomba tokony han̈azavan̈a izy?

4 Voalaza tao amin’ny bokintsika taloha hoe ilay tempoly ara-panahy lehibe noresahin’i Paoly ao amin’ny Hebreo ihany ilay tempoly hitan’i Ezekiela. a Noho izany, dia nieritreritra isika hoe maro amin’ny zavatra tao amin’ilay tempoly noresahin’i Ezekiela no mifanitsy amin’ny zavatra hafa. Rehefa nitady àry isika hoe inona no mifanitsy amin’ireny zavatra ireny, dia niainga avy tamin’ny fanazavan’i Paoly momba ny tranolay masina isika. Nivavaka sy nisaintsaina bebe kokoa anefa isika, dia nahita hoe tokony ho tsotra kokoa ny fomba hanazavana an’ilay fahitan’i Ezekiela.

5, 6. a) Akory hahitan̈a fa nanetry ten̈a Paoly koa fa baka nikoran̈a raha sasany tamy tran̈olay masin̈y? b) Ino koa tokony ataontsika izikoa fa mandiniky fahitan̈any Ezekiela?

5 Rehefa mandinika ny tsipiriany tsirairay ao amin’ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly isika, dia tsara kokoa raha tsy mitady hoe inona no mifanitsy amin’ilay izy na hoe sao dia faminaniana ilay izy. Nahoana? Mariho, ohatra, fa rehefa niresaka momba ny tranolay masina sy ny tempoly ara-panahy i Paoly, dia nanome tsipiriany momba an’ilay tranolay masina. Anisan’izany ny fitaovana volamena fandoroana emboka manitra sy ny saron’ny Vata misy ny fifanekena ary ny siny volamena nisy ny mana. Nilaza ve i Paoly hoe mifanitsy amin’ny zavatra mbola ho avy ireo zavatra ireo? Tsy nampirisika azy hanao an’izany ny fanahy masina. Nanaiky ny fitarihan’ny fanahy izy sady nanetry tena, dia vonona hiandry an’i Jehovah. (Heb. 9:8) Nanoratra izy hoe: ‘Tsy izao no fotoana tokony hiresahana an’izany rehetra izany amin’ny an-tsipiriany.’​—Heb. 9:4, 5.

6 Be tsipiriany koa ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly. Inona àry no tokony hatao rehefa mandinika azy io? Aleo miandry an’i Jehovah hanazava raha misy fanazavana fanampiny ilaina. (Vakio ny Mika 7:7.) Midika ve anefa izany hoe tsy nanome fanazavana fanampiny momba an’io fahitana io mihitsy ny fanahin’i Jehovah? Tsy izany mihitsy!

Tempoly arapan̈ahy araiky maventy be in̈y ma izy hitany Ezekiela io?

7, 8. a) Karakory fahatakarantsika fahitan̈any Ezekiela io letrizay? b) Nan̈ino atsika mivolan̈a fa tsy tempoly arapan̈ahy araiky nikoran̈iny Paoly in̈y izy hitany Ezekiela io?

7 Araka ny hitantsika teo aloha, dia efa an-taonany maro no nohazavaina tao amin’ny bokintsika hoe ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah no hitan’i Ezekiela, izany hoe ilay tempoly noresahin’i Paoly ao amin’ny Hebreo. Rehefa nandinika bebe kokoa anefa isika, dia hitantsika hoe tsy mitombina izany. Nahoana?

8 Voalohany, tsy mifanaraka amin’ny fanazavan’i Paoly ny zavatra noresahin’i Ezekiela momba an’ilay tempoly. Nohazavain’i Paoly fa aloky ny zavatra lehibe ho avy ilay tranolay masina tamin’ny andron’i Mosesy. Nitovitovy tamin’ny fomba nanorenana ny tempolin’i Solomona sy ny tempolin’i Zerobabela ny fomba nanorenana azy io. Nisy efitra atao hoe “Masina Indrindra” koa àry tao amin’ilay tranolay masina. Nantsoin’i Paoly hoe “toerana masina nataon’ny tanan’olona” io efitra io, ary nohazavainy hoe tsy tena izy izy io fa “sahala amin’ilay tena izy.” Fa inona ilay tena izy? Namaly i Paoly hoe ny ‘lanitra’, izany hoe ny lanitra misy an’i Jehovah mihitsy. (Heb. 9:3, 24) Io lanitra io ve anefa no hitan’i Ezekiela? Tsia. Tsy resahina ao amin’ilay fahitana mihitsy hoe nahita zavatra tany an-danitra izy.​—Ampitahao amin’ny Daniela 7:9, 10, 13, 14.

9, 10. Izikoa raha momba soron̈o zahan̈a, ino raha tsy mampitovy tempoly arapan̈ahy maventy be in̈y aminy araiky hitany Ezekiela?

9 Misy porofo lehibe kokoa mampiseho hoe tsy ilay tempoly ara-panahy noresahin’i Paoly no hitan’i Ezekiela. Momba ny sorona ilay izy. Henon’i Ezekiela tao amin’ilay fahitana hoe nomena toromarika be dia be momba ny sorona sy ny fanatitra ny vahoaka sy ny mpiadidy ary ny mpisorona. Nasaina nanao fanatitra noho ny fahotana vitany ireo olona ireo. Nasaina nanao sorona iombonana koa ry zareo, ary angamba niara-nihinana an’izany tao amin’ny efitra fisakafoana tao amin’ny tempoly. (Ezek. 43:18, 19; 44:11, 15, 27; 45:15-20, 22-25) Nisy sorona natao matetika hoatr’izany koa ve tao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe?

Tsy ilay tempoly ara-panahy lehibe ilay tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela

10 Tsotra sy mazava ny valiny. Hoy i Paoly: “Efa lasa mpisoronabe ... i Kristy, ary mandray fitahiana avy amin’izany isika. Rehefa lasa mpisoronabe izy, dia niditra tao amin’ny tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon’ny tanan’olona, izany hoe tsy anisan’ny zavatra eto an-tany. Indray mandeha fotsiny izy no niditra tao amin’ny toerana masina, nefa tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny, fa ny ran’ny tenany, ary tamin’ny alalany no nahazoantsika fanafahana mandrakizay.” (Heb. 9:11, 12) Hita amin’izany fa iray ihany ny sorona natao tao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe. Tsy inona izany fa ny sorom-panavotana natolotr’i Jesosy Kristy, ilay Mpisoronabe. Mazava àry fa tsy ilay tempoly ara-panahy lehibe no hitan’i Ezekiela, satria be dia be ny omby sy osy natao sorona tao amin’ilay tempoly hitany.

11. Nan̈ino tsy taminy andrany Ezekiela nan̈ambarany Jehovah raha momba tempoly arapan̈ahy maventy be in̈y?

11 Faharoa, mbola tsy tamin’io ny fotoana nofidin’i Jehovah hampahafantarana ny momba an’ilay tempoly ara-panahy lehibe. Tadidio fa ho an’ny Jiosy natao sesitany tany Babylona no tena nanomezana an’ilay fahitana. Teo ambany Lalàn’i Mosesy ry zareo, ary mbola hampihatra an’izay voalazan’io Lalàna io momba ny fivavahana madio rehefa tapitra ilay sesitany. Hiverina any Jerosalema ry zareo, dia hanorina ny tempoly sy ny alitarany. Hanao sorona eo amin’io alitara io koa ry zareo, ary naharitra 600 taona teo ho eo izany. Ahoana àry raha ilay tempoly ara-panahy lehibe no nasehon’ilay fahitan’i Ezekiela, dia nohazavaina tamin’ny Jiosy hoe hanao sorona ny ainy ny mpisoronabe, dia lasa tsy ilaina intsony ny sorona hafa? Ho azon-dry zareo ve izany? Mbola ho vonona hankatò ny Lalàn’i Mosesy ve ry zareo aorian’izay? Tena hita hoe amin’ny fotoana mety foana no ampihariharian’i Jehovah ny marina, ary miandry izy hoe efa vonona handray an’izany ny vahoakany.

12-14. Ino ifandraisany fahitan̈any Ezekiela momba tempoly ndreky fan̈azavan̈any Paoly momba tempoly arapan̈ahy? (Zahava efajoro “Tempoly Samy Hafa, Lesona Samy Hafa.”)

12 Inona àry no ifandraisan’ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly sy ny fanazavan’i Paoly momba an’ilay tempoly ara-panahy? Tadidio fa tsy ilay tempoly hitan’i Ezekiela no nampiasain’i Paoly mba hanazavana an’ilay tempoly ara-panahy, fa ilay tranolay masina tamin’ny andron’i Mosesy. Marina fa nanonona zavatra vitsivitsy nisy tao amin’ny tempolin’i Solomona sy ny tempolin’i Zerobabela izy, ary nisy an’ireo zavatra ireo koa tao amin’ilay tempoly hitan’i Ezekiela. Na izany aza, dia tsy mitovy ny zavatra nifantohan’i Paoly sy Ezekiela amin’ny ankapobeny. b Mifameno ihany anefa ny zavatra noresahin’izy ireo.

13 Fa inona moa no noresahin-dry zareo? Nanazava ny dikan’ny zavatra sasany mampiavaka ny tempoly ara-panahy lehibe i Paoly, anisan’izany ny mpisoronabe, ny sorona, ny alitara, ary ny Masina Indrindra. Nanao an’izany izy mba hampianarana momba ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanompoana azy. I Ezekiela indray niresaka tsipiriany be dia be momba an’ilay tempoly hitany. Tiany haseho amin’izany hoe misy fitsipika ambony tian’i Jehovah harahin’izay manaraka ny fivavahana madio. Ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanompoana azy àry no nasongadin’ny fanazavan’i Paoly, fa ny fitsipika tian’i Jehovah harahin’ny mpanompony kosa no nasongadin’ny fahitan’i Ezekiela.

14 Tsy dia mahakasika antsika ve izany ilay fahitan’i Ezekiela satria tsy ilay tempoly ara-panahy lehibe no resahiny? Mazava ho azy fa tsia! Mba hahitantsika hoe tena mahasoa antsika izy io, dia andao hojerentsika ny vokatr’ilay izy tamin’ireo Jiosy tsy nivadika tamin’ny andron’i Ezekiela sy taorian’izay.

Ino dikany fahitan̈a io tamindro Jiosy natao sesitany?

15. a) Ino ma hafatra maventy amy fahitan̈any Ezekiela? b) Nan̈ino atsika mivolan̈a fa mifanohitry raha koran̈iny Ezekiela toko faha-​8 ndreky Ezekiela toko faha-​40 firaka faha-​48?

15 Mba hahitana ny valin’io fanontaniana io avy ao amin’ny Baiboly, dia andao aloha isika handinika fanontaniana vitsivitsy hanampy antsika hahazo tsara an’ilay fahitana. Voalohany, inona no hafatra lehibe ao amin’ilay fahitana? Raha tsorina dia hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Azo antoka fa nazava tsara tamin’i Ezekiela izany. Nahoana isika no milaza an’izany? Hita ao amin’ny Ezekiela toko faha-​8 fa efa nasehon’i Jehovah azy hoe nisy nanao zavatra ratsy be tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Azo antoka anefa fa faly be izy tatỳ aoriana rehefa nanoratra ny Ezekiela toko faha-40 ka hatramin’ny faha-48. Resahina ao mantsy hoe tsy voaloto intsony ny fivavahana tamin’i Jehovah fa lasa nadio tsara araka ny tokony ho izy, izany hoe nifanaraka tsara tamin’izay voalazan’ny Lalàn’i Mosesy.

16. Nan̈ino atsika mivolan̈a fa fahitan̈any Ezekiela momba tempoly in̈y mankamafy raha nivolan̈iny Isaia?

16 Mba hamerenana amin’ny laoniny ny fivavahana amin’i Jehovah, dia tokony hatao amin’ny toerana ambony izy io. Nasain’i Jehovah naminany momba an’izany i Isaia, 100 taona mahery talohan’izay, hoe: “Any am-parany any, ilay tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra, ka hasandratra ho avo noho ireo havoana.” (Isaia 2:2) Hitan’i Isaia hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio sady hatao amin’ny toerana ambony, ka hoatran’ny hoe hatao eo amin’ny tendrombohitra avo indrindra. Ary taiza no nisy an’ilay tempoly hitan’i Ezekiela? “Teo an-tampon’ny tendrombohitra iray tena avo be.” (Ezek. 40:2) Hamafisin’ilay fahitan’i Ezekiela àry hoe tena haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio.

Teo amin’ny toerana avo be ilay tempoly hitan’i Ezekiela (Fehintsoratra 16)

17. Fintin̈a raha voakoran̈a aminy Ezekiela toko faha-​40 firaka faha-​48.

17 Inona avy no hitan’i Ezekiela sy henony, araka ny Ezekiela toko faha-​40 ka hatramin’ny faha-​48? Nahita anjely iray nandrefy ny vavahady, ny manda, ny tokotany, ary ny toerana masina tao amin’ny tempoly izy. (Ezek. 40-42) Nisy zava-nitranga niavaka avy eo: Tonga tao amin’ny tempoly i Jehovah dia nofenoiny voninahitra izy io! Nomeny torohevitra ny vahoakany nikomy sy ny mpisorona ary ny mpiadidy. (Ezek. 43:1-12; 44:10-31; 45:9-12) Nahita renirano nikoriana avy teo amin’ilay toerana masina koa i Ezekiela. Nivarina tany amin’ny Ranomasina Maty izy io, dia velona sy nahazo fitahiana daholo izay nandalovany tao amin’ilay ranomasina. (Ezek. 47:1-12) Hitany koa hoe nozarazaraina ilay tany ary voafaritra tsara ny refin’ny fizarana tsirairay. Teo afovoany no nisy ny fivavahana madio, ary teo mihitsy no tokony hisy azy. (Ezek. 45:1-8; 47:13–48:35) Asehon’izany rehetra izany hoe te hanome toky ny vahoakany i Jehovah fa haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio sady hasandratra ho ambony. Ho tonga ao amin’ny tempoliny izy, dia avy ao izy no hanasitrana sy hamelona ny vahoakany ary hanao izay hampilamina an’ilay tany.

Nasehon’i Jehovah mazava tsara tamin’ilay fahitana momba ny tempoly hoe haveriny amin’ny laoniny ny fivavahana madio (Fehintsoratra 17)

18. Tokony hiraesin̈y arabakiteny ma fahitan̈a momba tempoly in̈y? Hazavà.

18 Faharoa, tokony horaisina ara-bakiteny ve ilay fahitana? Tsia. Azo antoka hoe tonga dia azon’i Ezekiela sy ny Jiosy natao sesitany niaraka taminy fa tsy tokony horaisina ara-bakiteny izy io. Nahoana isika no milaza an’izany? Tadidio fa teo an-tampon’ny “tendrombohitra iray tena avo be” ilay tempoly hitan’i Ezekiela. Marina fa mifanaraka tsara amin’ny faminanian’i Isaia izany, nefa tsy mitombina hoe teo amin’ny toerana nisy ny tempolin’i Solomona tany Jerosalema no nisy an’ilay izy. Teo amin’ny Tendrombohitra Moria no nisy ny tempolin’i Solomona, ary teo koa izy io no tokony hoe naorina indray. Tsy azo lazaina hoe “tena avo be” anefa ny Tendrombohitra Moria, satria nisy tendrombohitra hafa nitovy haavo taminy na avo noho izy teo akaiky teo. Ankoatra an’izany, dia ngezabe ilay tempoly hitan’i Ezekiela. Nisy tokotany nalalaka be tao anatin’ny mandan’ilay izy. Azo antoka fa tsy ho omby teo an-tampon’ny Tendrombohitra Moria io tempoly io, ary na ny tanànan’i Jerosalema tamin’ny andron’i Solomona aza tsy ho omby azy io. Tsy vitan’izany fa tsy ho tonga tao an-tsain’ny Jiosy natao sesitany mihitsy hoe hisy renirano hikoriana avy ao amin’ny toerana masin’ny tempoly, dia hivarina any amin’ny Ranomasina Maty ilay izy ka hanasitrana azy io. Farany, resahina ao amin’ilay fahitana fa mahitsy sady mifanitsy tsara ny sisin-tanin’ny foko tsirairay. Azo antoka hoe tsy hety ho hoatr’izany mihitsy ny fizarana tany tao amin’ny Tany Nampanantenaina satria be tendrombohitra ilay faritra. Araka izany, dia tsy tokony horaisina ara-bakiteny ilay fahitana.

19-21. Ino raha tiany Jehovah tsapany vahoakanany iro koa fa naharen̈y fahitan̈any Ezekiela io? Nan̈ino fahitan̈a io mety nahavy iro hahatsapa zen̈y?

19 Fahatelo, inona no tokony ho vokatr’ilay fahitana eo amin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Ezekiela? Tokony ho menatra ry zareo rehefa nisaintsaina hoe ambony ny fitsipik’i Jehovah ho an’izay manaraka ny fivavahana madio. Nilaza tamin’i Ezekiela i Jehovah hoe: “Hazavazavao amin’ny taranak’Israely ny momba an’ilay tempoly.” Hisy tsipiriany be dia be io fanazavan’i Ezekiela io, ka hoatran’ny hoe ho afaka ‘handinika ny planin’ilay izy’ mihitsy ny Israelita. Fa maninona ry zareo no tokony handinika tsara an’io tempoly io? Tsy hoe mba hanorenana an’ilay izy akory, fa nilaza i Jehovah hoe mba hahatonga azy ireo ho ‘menatra noho ny fahadisoany.’​—Vakio ny Ezekiela 43:10-12.

20 Nahoana io fahitana io no mety ho nahatonga an’izay Jiosy tia an’i Jehovah henjehin’ny eritreriny sy ho menatra? Mariho fa nilaza tamin’i Ezekiela i Jehovah hoe: “Ry zanak’olona, diniho tsara, dia jereo, ka henoy tsara izay rehetra lazaiko aminao momba ny fitsipika sy ny lalàna mahakasika ny tempolin’i Jehovah.” (Ezek. 44:5) Imbetsaka i Ezekiela no naheno momba ny fitsipika sy ny lalàna tao amin’ilay fahitana. (Ezek. 43:11, 12; 44:24; 46:14) Nampahatsiahivina matetika momba ny fitsipik’i Jehovah koa izy, hatramin’ny fitsipika hoe hoatran’ny ahoana no tokony ho refin’ny hakiho sy hoe hoatran’ny ahoana izany hoe lanja marina. (Ezek. 40:5; 45:10-12; ampitahao amin’ny Ohabolana 16:11.) In-50 mahery mihitsy i Ezekiela no nampiasa an’ilay teny tany am-boalohany midika hoe “refy” na “fatra” na teny mitovitovy amin’izany, tao amin’ilay fahitana!

21 Fa maninona i Jehovah no nanome refy sy lanja mazava tsara sady nanome lalàna sy fitsipika? Azo inoana fa tiany hazava amin’ny vahoakany hoe izy irery no tokony hanome fitsipika ho an’izay manaraka ny fivavahana madio. Tokony ho menatra àry izay tsy nanaraka an’ireo fitsipika ireo! Inona tao amin’ilay fahitana anefa no tena nahatonga ny Jiosy ho tonga saina? Handinika ohatra vitsivitsy isika ao amin’ny toko manaraka. Hazava kokoa amin’izay ny dikan’io fahitana miavaka io ho antsika.

Nahoana ilay fahitan’i Ezekiela no hahatonga an’izay olona tia an’i Jehovah ho menatra? (Fehintsoratra 19-21)

a Ny tempoly ara-panahy dia ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hahafahan’ny olona hanaraka ny fivavahana madio, miorina amin’ny sorom-panavotana nataon’i Jesosy Kristy. Araka ny fahazoantsika azy, dia tamin’ny taona 29 no nanomboka nisy io tempoly io.

b Ny momba ny mpisoronabe sy ny andraikiny mandritra ny Andro Fandrakofam-pahotana, ohatra, no tena noresahin’i Paoly. (Heb. 2:17; 3:1; 4:14-16; 5:1-10; 7:1-17, 26-28; 8:1-6; 9:6-28) Ilay fahitana hitan’i Ezekiela kosa tsy misy resaka mpisoronabe na Andro Fandrakofam-pahotana.