Hizaha raha an̈atiny

Handeha amy tany misy hevitry maventy

TOKO 9

“Zaho Han̈amia Iro Fô Araiky”

“Zaho Han̈amia Iro Fô Araiky”

EZEKIELA 11:19

HEVITRY HIDINIHIN̈Y: Fan̈ampodianan̈a amy plasiny fivavahan̈a madio ndreky iro faminanian̈any Ezekiela momba zen̈y

1-3. Akory nataondro Babylonianin̈y aby io koa fa nan̈adroadro panompony Jehovah? Ino nahavy iro nan̈ano zen̈y?

 ERITRERETO hoe anisan’ireo Jiosy tsy nivadika nipetraka tany Babylona ianao. Efa 50 taona teo ho eo ianao sy ny mpiray firenena aminao no natao sesitany. Andro sabata tamin’izay, dia hiaraka amin’ny mpiray finoana aminao ianao mba hanompo an’i Jehovah, hoatran’ny efa fanaonao. Eny an-dalana eny ianao dia mahita olona mifanaretsaka sy tempoly ngezabe ary toerana masina be dia be. Vahoaka be no mankany amin’ireny toerana ireny mba hanao fanatitra sy hihira ho an’ny andriamaniny, anisan’izany i Mardoka.

2 Lasa lavitra an’ilay vahoaka mikotaba be teo ianao sy ny namanao vitsivitsy, dia nahita toerana mangingina, mety hoe teo amoron’ny lakandrano iray tao amin’ilay tanàna. a Afaka miara-mivavaka, mihira salamo, ary misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra ianareo eo. Rehefa ilay mivavaka iny ianareo, dia maheno feona lakana manatona ny moron’ilay lakandrano. Faly erỳ ianao fa mba milamindamina ilay toerana sady mampitony. Mieritreritra ianao hoe: ‘Enga anie mba tsy ho tonga hanakorontana ny fivorianay eto indray ireny olona ao an-tanàna ireny!’ Efa fanaon-dry zareo mantsy izany. Fa maninona ry zareo no manao an’izany?

3 Efa imbetsaka ny Babylonianina no nandresy tamin’ny ady, ary mieritreritra ry zareo hoe ny andriamaniny no nanampy azy. Nihevitra ry zareo hoe mahery noho i Jehovah i Mardoka satria vitan-dry zareo ny nandrava tanteraka an’i Jerosalema. Izay no mahatonga an-dry zareo hanesoeso ny Andriamanitrareo sy ny vahoakany. Ihomehezany ianareo indraindray dia asainy ‘manao hira momba an’i Ziona.’ (Sal. 137:3) Be dia be ny salamo miresaka momba ny nandresen’i Ziona ny fahavalon’i Jehovah, ary ireny angamba no tena nihomehezan’ny Babylonianina sy nanesoesoany anareo. Misy salamo hafa koa anefa miresaka momba ny zavatra nataon’i Babylona mihitsy, anisan’izany ilay hoe: “Nataony korontam-bato mivangongo i Jerosalema” sy ilay hoe: “Maneso sy manaraby anay ny manodidina anay.”​—Sal. 79:1, 3, 4.

4, 5. Ino fampan̈antinan̈a hita amy faminanian̈any Ezekiela? Ino raha hidinihintsika amy toko ty? (Zahava sary amy fanombohany toko ty.)

4 Maneso anareo koa ny Jiosy nivadi-pinoana satria ianareo mino an’i Jehovah sy ny mpaminaniny. Na izany aza, dia mampahery anao sy ny fianakavianao ny manaraka ny fivavahana madio. Faly erỳ ianareo miara-mivavaka sy mihira! Mampitony anareo koa ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra. (Sal. 94:19; Rom. 15:4) Eritrereto hoe misy mpiray finoana aminao nitondra horonana misy ny faminanian’i Ezekiela amin’ilay fivoriana. Miavaka ilay izy satria resahina ao ilay fampanantenan’i Jehovah hoe haveriny any an-tanindrazany ny vahoakany. Faly be ianao rehefa vakina mafy ilay faminaniana. Lasa mieritreritra ny hoavy ianao, hoe mbola ho tafaverina any an-tanindrazana ihany ianao sy ny fianakavianao indray andro any, sady handray anjara amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio!

5 Miverimberina ao amin’ny faminanian’i Ezekiela ny fampanantenan’i Jehovah hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Handinika an’izany isika izao. Ahoana no nahatanteraka an’ireny fampanantenana ireny tamin’ny Jiosy natao sesitany? Ary ahoana no nahatanteraka azy ireny tatỳ aoriana? Hodinihintsika koa hoe misy amin’izy ireny mbola ho tanteraka amin’ny hoavy.

‘Iro hatao sesitany ndreky hatao andevo’

6. Ino fampitandreman̈a nampodimpodiny Jehovah tamy vahoakanany tsy nan̈araka volan̈anany?

6 Nolazain’i Jehovah mazava tsara tamin’ny vahoakany tamin’ny alalan’i Ezekiela ny sazy miandry an-dry zareo noho ry zareo nikomy. Niteny izy hoe: ‘Hatao sesitany sy hoentina ho babo izy ireo.’ (Ezek. 12:11) Araka ny hitantsika tao amin’ny Toko faha-6, dia nanao karazana fampisehoana i Ezekiela mba hampahafantarana an’ilay sazy. Tsy vao izay anefa i Jehovah no nampitandrina ny vahoakany. Tamin’ny andron’i Mosesy, ohatra, izany hoe arivo taona teo ho eo talohan’izay, dia efa nampitandrina izy hoe hatao sesitany ry zareo raha mbola mikomy. (Deot. 28:36, 37) Nilaza fampitandremana mitovy amin’izany koa i Isaia sy Jeremia mpaminany.​—Isaia 39:5-7; Jer. 20:3-6.

7. Karakory nan̈asaziany Jehovah vahoakanany?

7 Mampalahelo fa tsy niraharaha an’ireo fampitandremana ireo ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah. Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa ratsy fanahy ny mpiandry teo amin’ny Israely ka nitarika ny vahoaka hikomy, hanompo sampy, hivadika amin’i Jehovah, ary hanao an’izao karazana fahotana rehetra izao. Nankarary ny fon’i Jehovah izany, dia navelany ho tratran’ny mosary ry zareo. Loza izany sady nahafa-baraka satria “tany tondra-dronono sy tantely” no nahalalana ny tanin-dry zareo hatramin’izay. (Ezek. 20:6, 7) Navelan’i Jehovah hatao sesitany koa ireo vahoaka mpikomy ireo, araka ny efa noteneniny hatry ny ela. Farany, dia noravan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny 607 T.K. An’arivony tamin’ny Jiosy tafavoaka velona no natao sesitany tany Babylona. Nisy nanesoeso sy nanohitra ry zareo tany, araka ny noresahina tamin’ny teny fampidirana an’ity toko ity.

8, 9. Nampitandreminy Jehovah amy pivadipinoan̈a fiangonan̈a kristianin̈y izio. Akory nan̈anovany zen̈y?

8 Misy zavatra mitovitovy amin’ny nanjo an’ireo Jiosy natao sesitany ireo ve nanjo ny fiangonana kristianina? Efa nampitandrina ny mpanara-dia azy koa i Jesosy rehefa nanomboka ny fanompoany hoe: “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka tonga eo aminareo, fa mitafy hodi-janak’ondry izy ireny nefa ny ao anatiny ao amboadia manaikitra.” (Mat. 7:15) Nampitandrina koa ny apostoly Paoly, taona maromaro tatỳ aoriana, hoe: “Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. Ary avy ao aminareo ihany no hivoahan’ny olona mampianatra zavatra diso mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.”​—Asa. 20:29, 30.

9 Nampianarina ny Kristianina ny fomba hamantarana an’ireny olona mampidi-doza ireny sy hialana amin’izy ireny. Nasaina nesorin’ny anti-panahy tsy ho ao amin’ny fiangonana intsony izay nivadi-pinoana. (1 Tim. 1:19; 2 Tim. 2:16-19; 2 Pet. 2:1-3; 2 Jaona 10) Na dia efa nampitandremana aza anefa ny Kristianina, dia betsaka no tsy niraharaha an’izany rehefa nandeha ny fotoana, hoatran’ny nataon’ny Israely sy Joda ihany. Efa lasa feno mpivadi-pinoana àry tao amin’ny fiangonana tamin’ny faran’ny taonjato voalohany. I Jaona sisa no apostoly velona tamin’izany, dia hitany hoe nikomy ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny fiangonana sady betsaka ny zavatra ratsy nataon-dry zareo. Izy irery sisa no afaka nanao zavatra mba hisakanana ny fivadiham-pinoana tsy hiely be. (2 Tes. 2:6-8; 1 Jaona 2:18) Inona anefa no nitranga rehefa maty izy?

10, 11. Kadiriny tamy taon̈o 100 tan̈y, akory nampatanteraka fan̈oharan̈any Jesosy momba vary ndreky tsiparifary io?

10 Rehefa maty i Jaona, dia nanomboka tanteraka ilay fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary. (Vakio ny Matio 13:24-30.) Namafy “tsimparifary” i Satana, izany hoe nampidirany Kristianina sandoka tao amin’ny fiangonana, ka vetivety dia nisy vokany ratsy izany. Azo antoka fa narary be ny fon’i Jehovah rehefa nahita hoe voaloto ilay fiangonana naorin’ny Zanany. Lasa nanompo sampy mantsy ny olona tao sady nanao fety sy fombafomba fanaon’ny mpanompo sampy. Nanaraka fampianaran-diso avy amin’ny filozofa tsy mino an’Andriamanitra sy avy amin’ny mpivavaka amin’i Satana koa ry zareo. Navelan’i Jehovah hatao sesitany àry ny vahoakany, hoatran’ny nataony tamin’ny Israely rehefa nivadika taminy ry zareo. Lasa tsy hita intsony hoe iza no tena Kristianina nanomboka tamin’ny taona 100 tany ho any, satria takon’ny Kristianina sandoka ry zareo. Hoatran’ny hoe natao sesitany tany Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra, ny fiangonana kristianina tamin’izay. Ny Kristianina sandoka kosa lasa anisan’i Babylona Lehibe, ary rehefa nihabetsaka ry zareo dia nanomboka nisy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina.

11 Ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina no nanjaka nandritra ny taonjato maro, ary nampalahelo be ny zava-nitranga tamin’izany. Nisy ihany anefa ny tena Kristianina, izany hoe ilay “vary” noresahin’i Jesosy. Nahatsiaro an’ilay tena Andriamanitra ry zareo, hoatran’ny Jiosy natao sesitany resahin’ny Ezekiela 6:9. Sahy nanohitra ny zavatra diso nampianarin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ny sasany tamin-dry zareo, ka nesoesoina sy nenjehina. Dia sanatria ve hoe havelan’i Jehovah ho babo mandrakizay any amin’i Babylona Lehibe ireo mpanompony ireo? Tsy izany mihitsy! Araka ny antonony ny fomba nampiharany ny fahatezerany sy ny halavan’ny fotoana nanaovany an’izany, hoatran’ny tamin’ny Israelita ihany. (Jer. 46:28) Ankoatra an’izay, dia nanome fanantenana an’ireo mpanompony ireo i Jehovah, hoatran’ny nataony tamin’ny Jiosy natao sesitany. Ahoana no nanomezan’i Jehovah toky an’ireo Jiosy ireo hoe tsy maintsy ho tafaverina any an-tanindrazany ry zareo?

Nenjehin’i Babylona Lehibe ny tena Kristianina nandritra ny taonjato maro (Fehintsoratra 10, 11)

“Tsy ho meloko mare amindro eky zaho”

12, 13. Ino nahavy Jehovah tsy neloko mare tamy vahoakanany eky?

12 Nasehon’i Jehovah mazava tsara tamin’ny vahoakany hoe tezitra tamin-dry zareo izy ary rariny izy raha tezitra. Nomeny toky koa anefa ry zareo hoe tsy ho tezitra mandrakizay izy. Izao, ohatra, no nolazainy: “Tsy ho tezitra amin’izy ireo intsony aho ... sady ho tony ny hatezerako, ka ho afa-po aho. Rehefa avy nanamparako ny hatezerako izy ireo, dia tsy maintsy ho fantany fa izaho Jehovah no niteny, satria mitaky ny hanompoana ahy irery ihany aho.” (Ezek. 5:13) Nahoana i Jehovah no tsy ho tezitra amin’ny vahoakany intsony?

13 Nisy Jiosy tsy nivadika koa natao sesitany niaraka tamin’ireo Jiosy nivadika. Ankoatra an’izay, dia nilaza tamin’ny alalan’i Ezekiela i Jehovah hoe hisy mpanompony hibebaka rehefa any an-tsesitany. Hanenina ry zareo rehefa hahatsiaro ny zavatra nahamenatra nataony tamin’izy nikomy tamin’i Jehovah, ka hitalaho aminy mba hahazo famelan-keloka sy hankasitrahany indray. (Ezek. 6:8-10; 12:16) Anisan’ireo Jiosy tsy nivadika natao sesitany i Ezekiela, dia i Daniela mpaminany sy ny namany telo lahy. Teo i Daniela rehefa nanomboka ilay sesitany dia mbola velona izy rehefa nifarana ilay izy. Nibebaka noho ny fahotana nataon’ny Israely izy, ary hita ao amin’ny Daniela toko faha-9 ilay vavaka vokatry ny fo nataony. Azo antoka fa voalazany tao ny fihetseham-pon’ireo Jiosy an’arivony efa tena te hahazo ny famelan-kelok’i Jehovah sy te hahazo ny fitahiany indray. Faly be àry ry zareo rehefa naheno an’ilay fampanantenana noresahin’i Ezekiela hoe hafahana ry zareo dia haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio.

14. Ino raha ten̈a nahavy Jehovah han̈adoso iro vahoakanany natao sesitany tan̈y?

14 Inona no tena nahatonga an’i Jehovah hanafaka ny vahoakany sy hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio? Tsy hoe mendrika ny hafahana ry zareo satria nibebaka, fa tian’i Jehovah hohamasinina eo anatrehan’ny firenena rehetra indray ny anarany. (Ezek. 36:22) Ho fantatry ny Babylonianina indray mandeha tsy miverina fa tsy misy dikany ny andriamanitr’izy ireo, anisan’izany i Mardoka, raha oharina amin’ilay Tompo Fara Tampony. Andao isika izao handinika fampanantenana dimy nasain’i Jehovah noresahin’i Ezekiela tamin’ireo Jiosy niara-natao sesitany taminy. Hojerentsika aloha hoe ahoana no nahatanteraka ny fampanantenana tsirairay tamin’ireo Jiosy tsy nivadika. Hodinihintsika avy eo hoe tanteraka tamin’ny fomba miavaka kokoa ireo fampanantenana ireo tatỳ aoriana.

15. Iro Jiosy aby io koa tafimpody a Jerosalema, han̈ano karakory fivavahan̈andro ho Jehovah?

15 FAMPANANTENANA 1: Tsy hisy intsony ny fanompoan-tsampy sy ny fanao hafa maharikoriko mifandray amin’ny fivavahan-diso. (Vakio ny Ezekiela 11:18; 12:24.) Hitantsika tao amin’ny Toko faha-5 fa voaloto i Jerosalema sy ny tempoliny, satria nisy nanao zavatra mifandray amin’ny fivavahan-diso tao, ohatra hoe nanompo sampy. Nanalavitra an’i Jehovah àry ny olona satria nanao ratsy. Nilaza tamin’ny alalan’i Ezekiela anefa i Jehovah fa afaka manantena ny Jiosy natao sesitany hoe mbola hadio ny fivavahana amin’i Jehovah indray andro any, dia hanompo azy amin’ny fomba ankasitrahany indray ry zareo. Rehefa tafaverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio vao hahazo ny fitahiana hafa rehetra nampanantenain’i Jehovah ireo Jiosy tafaverina any an-tanindrazany.

16. Ino raha nampan̈antinainy Jehovah iro Jiosy natao sesitany aby io?

16 FAMPANANTENANA 2: Hiverina any an-tanindrazany ny Jiosy. Nilaza tamin’ireo Jiosy natao sesitany i Jehovah hoe: “Homeko anareo ny tanin’ny Israely.” (Ezek. 11:17) Niavaka io fampanantenana io, satria raha jerena ny nataon’ny Babylonianina sy ny fanesoesoany ny Jiosy dia tsy ho afaka hanantena hody any an-tanindrazany mihitsy ry zareo. (Isaia 14:4, 17) Nilaza koa i Jehovah hoe raha tsy mivadika ry zareo rehefa tafaverina any dia hamokatra be foana ilay tany ka hanana asa tsara ry zareo sady hahazo an’izay sakafo ilainy. Tsy hijaly sy ho afa-baraka noho ny mosary intsony ry zareo. Hoatran’ny hoe tantara efa nivalona izany!​—Vakio ny Ezekiela 36:30.

17. Ino raha nivolan̈iny Ezekiela fa hataondro Jiosy aby io lera iro tafimpody a Jerosalema, baka io ino raha nitakiny Jehovah tamindro?

17 FAMPANANTENANA 3: Hiverina hanolotra fanatitra eo amin’ny alitaran’i Jehovah ny vahoakany. Hitantsika tao amin’ny Toko faha-2, fa raha ny Lalàna no jerena dia tena zava-dehibe ny hoe manao sorona sy fanatitra, ary anisan’ny fanarahana ny fivavahana madio izany. Tsy maintsy nankatò an’i Jehovah sy nanompo azy irery ihany ny Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany, raha tiany hankasitrahany ny fanatitra ataon-dry zareo. Ho voavela koa ny helok’izy ireo amin’izay, ary hifandray akaiky amin’Andriamanitra foana ry zareo. Nampanantena i Jehovah hoe: ‘Hanompo ahy ny taranak’Israely manontolo. Izy rehetra mihitsy no hanompo ahy any [Israely]. Dia any aho no hankasitraka azy ireo. Any koa ianareo no hasaiko hitondra fanomezana sy hanome ny tsara indrindra amin’ny fanatitra hatolotrareo ho ahy, dia ny zava-masina rehetra omenareo.’ (Ezek. 20:40) Ho tafaverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio amin’izay, dia hahazo fitahiana be dia be ny vahoakan’Andriamanitra.

18. Akory nataony Jehovah hikarakaran̈a tsarabe vahoakanany?

18 FAMPANANTENANA 4: Hesorina ireo mpiandry ratsy fanahy. Ry zareo mantsy no nitarika ny vahoakan’Andriamanitra hanao zavatra ratsy be. Nilaza i Jehovah hoe: “Tsy havelako hiandry ny ondriko intsony izy ... Dia hovonjeko avy eo am-bavany ny ondriko.” Nanome toky ny mpanompony tsy mivadika kosa izy hoe: “Hokarakaraiko ny ondriko.” (Ezek. 34:10, 12) Ahoana no hataony? Hanendry lehilahy tsy mivadika sy mendri-pitokisana izy mba hikarakara ny vahoakany.

19. Ino fampan̈antinan̈any Jehovah fahadimy?

19 FAMPANANTENANA 5: Hiray saina ny mpanompon’i Jehovah. Nisara-bazana ny vahoakan’Andriamanitra talohan’ilay sesitany, ka nalahelo be ny Jiosy tsy nivadika. Nikomy tamin’ny mpaminanin’i Jehovah ny vahoaka satria voatariky ny mpaminany sandoka sy ny mpiandry ratsy fanahy. Nifankahala mihitsy aza ry zareo dia lasa nizara ho antoko be dia be. Nampanantena tamin’ny alalan’i Ezekiela anefa i Jehovah hoe: “Homeko fo iray izy ireo, ary toe-tsaina vaovao no hataoko ao aminy.” (Ezek. 11:19) Io no anisan’ny zavatra mahafinaritra indrindra hitranga rehefa haverina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Raha nifandray tsara tamin’i Jehovah ny Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany sady niray saina foana, dia tsy hisy fahavalo haharesy an-dry zareo mihitsy. Ho afaka hanome voninahitra an’i Jehovah indray ny firenen-dry zareo amin’izay fa tsy hanala baraka azy intsony.

20, 21. Ino porofo ahitan̈a fa ten̈a tanteraka tamindro Jiosy tafimpody tantanindrazan̈andro fampan̈antinan̈any Jehovah?

20 Tanteraka tamin’ny Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany ve ireo fampanantenana ireo? Ie! Tadidio ny tenin’i Josoa, lehilahy tsy nivadika, hoe: “Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah Andriamanitrareo anareo. Efa tanteraka taminareo daholo izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.” (Jos. 23:14) Hoatran’ny tamin’ny andron’i Josoa ihany, dia notanterahin’i Jehovah izay nampanantenainy an’ireo Jiosy.

21 Nanalavitra an’i Jehovah ny Jiosy satria nanompo sampy sy nanao zavatra maharikoriko mifandray amin’ny fivavahan-diso. Tsy nanao an’izany intsony anefa ry zareo. Iza koa moa no nanampo hoe ho tafaverina any an-tanindrazany ry zareo, dia hamboly indray sady hankafy fiainana! Vao tonga ry zareo dia naoriny indray ny alitaran’i Jehovah tao Jerosalema, ary nanao fanatitra teo ry zareo. (Ezra 3:2-6) Azo antoka fa nankasitrahan’i Jehovah ireny fanatitra ireny. Nomen’i Jehovah mpiandry tsara koa ry zareo. Anisan’izany i Ezra mpisorona sady mpanao dika soratra, Nehemia sy Zerobabela, izay samy governora, Josoa Mpisoronabe, ary Hagay sy Zakaria ary Malakia, mpaminany be herim-po. Niray saina foana ny vahoaka raha mbola nankatò ny tari-dalan’i Jehovah, ary efa ela be ry zareo no tsy niray saina hoatr’izany.​—Isaia 61:1-4; vakio ny Jeremia 3:15.

22. Akory ahaizantsika fa mbala ho tanteraka amy fomba miavaka koa faminanian̈any Ezekiela momba fan̈ampodianan̈a amy plasiny in̈y?

22 Azo antoka fa nampahery be ny nahita hoe tanteraka tamin’ny Jiosy ireo fampanantenan’i Jehovah ireo! Ahoana anefa no ahafantarantsika fa ho tanteraka amin’ny fomba miavaka kokoa izy ireny? Tadidio fa nilaza i Jehovah hoe rehefa tsy mivadika sy mankatò ihany ny vahoakany, izay izy vao hanatanteraka an’izay nampanantenainy. Na dia nivadika sy nikomy aza ny Jiosy tatỳ aoriana, dia tsy hoe tsy hotanterahiny intsony ny teniny. Mitana ny teniny foana mantsy i Jehovah, araka ny nolazain’i Josoa. Tanteraka tamin’ny fomba miavaka sy maharitra kokoa àry ireo fampanantenana ireo tatỳ aoriana, dia izany koa no hitranga amin’ny hoavy. Izay izao no hodinihintsika.

“Zaho hankasitraka anaro”

23, 24. Taminy ombian̈a ma nanomboko “fan̈ampodianan̈a raha jiaby amy plasiny”, baka io ino raha nandalo tamy zen̈y?

23 Rehefa nianatra Baiboly isika, dia lasa fantatsika hoe nanomboka tamin’ny 1914 ny andro farany, ary midika izany fa efa ho rava ity tontolo ratsy ity. Vaovao tsara izany ho an’ny mpanompon’i Jehovah! Asehon’ny Baiboly mantsy fa tamin’io taona io no nanomboka ny “fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny.” (Asa. 3:21) Ahoana no ahafantarantsika an’izany? Inona no nitranga tany an-danitra tamin’izay? Lasa Mpanjaka i Jesosy Kristy! Nahoana izany no azo lazaina hoe famerenana amin’ny laoniny? Tadidio fa nampanantena an’i Davida Mpanjaka i Jehovah hoe hisy amin’ny taranany ho mpanjaka mandrakizay. (1 Tan. 17:11-14) Tsy nisy taranany nanjaka intsony anefa nanomboka tamin’ny 607 T.K. rehefa noravan’ny Babylonianina i Jerosalema.

24 Taranak’i Davida i Jesosy, ilay antsoina hoe “Zanak’olona”, ka manan-jo ara-dalàna ho mpanjaka handimby azy. (Mat. 1:1; 16:13-16; Lioka 1:32, 33) Rehefa notendren’i Jehovah ho mpanjaka any an-danitra izy tamin’ny 1914, dia nanomboka ny “fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny.” Lasa afaka nampiasa an’io Mpanjaka lavorary io i Jehovah mba hanohy ny famerenana amin’ny laoniny.

25, 26. a) Ombian̈a ma ten̈a Kristianin̈y nadoso baka tamy Babylony be, baka io karakory ahaizantsika zen̈y? (Zahava koa efajoro: “Fa Maninona no hoe 1919?”) b) Ino raha nanomboko tanteraka taminy 1919?

25 Inona no anisan’ny zavatra voalohany nataon’i Kristy rehefa lasa Mpanjaka izy? Nandinika ny fanompoana nataon’ny vahoakan’Andriamanitra teto an-tany izy sy ny Rainy. (Mal. 3:1-5) Araka ny efa nolazain’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary, dia sarotra be ny nanavaka ny tena Kristianina voahosotra sy ny Kristianina sandoka, ary naharitra ela be izany. b Lasa niavaka tsara anefa ireo antokon’olona ireo, rehefa nanomboka ny fotoam-pijinjana tamin’ny 1914. Efa am-polony taona talohan’io taona io ny Mpianatra ny Baiboly no nampiharihary ny zava-dratsy ataon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina sy ny fampianaran-dison’izy ireo. Efa nanomboka niala tamin’izy io koa ry zareo. Afaka namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio i Jehovah nanomboka teo. Nafahana tanteraka avy tao amin’i Babylona Lehibe àry ny vahoakany, tamin’ny fiandohan’ny taona 1919, izany hoe taona vitsivitsy taorian’ny nanombohan’ny “fotoam-pijinjana.” (Mat. 13:30) Vita hatreo ilay sesitany!

26 Nanomboka teo dia tanteraka tamin’ny fomba miavaka kokoa ireo fampanantenana dimy nolazain’i Ezekiela mifandray amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Tamin’ny fomba ahoana? Andao izao izay no hojerentsika.

27. Akory nahavy vahoakany Jehovah tsy hanompo sampy eky?

27 FAMPANANTENANA 1: Ho vita hatreo ny fanompoan-tsampy sy ny fanao hafa maharikoriko mifandray amin’ny fivavahan-diso. Niara-nivory ny Kristianina tsy mivadika vitsivitsy tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 sy tamin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-20, dia nanomboka niala tamin’ny fombafomban’ny fivavahan-diso. Tsy nivavaka tamin’ny Andriamanitra telo izay iray intsony ry zareo, ary tsy nino intsony hoe tsy mety maty ny fanahy na hoe mampijaly olona any amin’ny afobe Andriamanitra. Tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina mantsy izany fa avy amin’ny fivavahan-diso. Nahariharin-dry zareo koa hoe manompo sampy izay mampiasa sary rehefa mivavaka. Rehefa nandeha ny fotoana, dia takatr’izy ireo fa manompo sampy izay mampiasa lakroa rehefa mivavaka.​—Ezek. 14:6.

28. Nan̈ino atsika mivolan̈a fa vahoakany Zagnahary karaha nipody tamy tanindro?

28 FAMPANANTENANA 2: Hoatran’ny hoe hiverina any amin’ny taniny ny vahoakan’i Jehovah. Niala tao amin’i Babylona Lehibe ny Kristianina tsy mivadika, dia nanaraka ny fivavahana madio indray. Notahin’i Jehovah ry zareo dia nataony tsy ory sakafo ara-panahy intsony, amin’izay mifandray tsara aminy. (Vakio ny Ezekiela 34:13, 14.) Horesahina bebe kokoa ao amin’ny Toko faha-19 fa mbola tsy betsaka hoatr’izany ny sakafo ara-panahy azon’ny vahoakan’i Jehovah hatramin’izay.​—Ezek. 11:17.

29. Nanomboko tamy 1919, nan̈ino vahoakany Jehovah nanjary nazoto nitory?

29 FAMPANANTENANA 3: Hanao fanatitra eo amin’ny alitaran’i Jehovah indray ny vahoakany. Nampianarina ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany fa tsy sorona biby intsony no homen-dry zareo fa fanomezana sarobidy kokoa. Inona izany? Izay teny rehetra lazain-dry zareo mba hiderana an’i Jehovah sy hiresahana momba azy amin’ny hafa. (Heb. 13:15) Tsy nisy fandaminana nitarika ny vahoakan’Andriamanitra sy nandamina an-dry zareo mba hanao an’io karazana sorona io nandritra ny taonjato maro, satria natao sesitany tany Babylona Lehibe ry zareo. Rehefa akaiky hifarana anefa ilay sesitany, dia efa nanao an’io sorona fiderana io indray ry zareo. Nazoto nitory ry zareo sady faly erỳ nidera an’i Jehovah rehefa niara-nivory. Nanomboka tamin’ny 1919, dia nantitranterin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” hoe tena ilaina ny mitory sady nalamin-dry zareo tsara kokoa ny fomba hanaovana an’io asa io. (Mat. 24:45-47) Be dia be àry ny olona lasa nanompo an’i Jehovah sy nidera azy, ka hoatran’ny hoe feno sorona ny alitarany!

30. Akory nataony Jesosy hikarakaran̈a tsarabe ondrikondrikinany?

30 FAMPANANTENANA 4: Hesorina ny mpiandry ratsy fanahy. Tia tena sady maty eritreritra ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, dia nafahan’i Kristy tamin’izy ireny ny vahoakan’i Jehovah. Raha nisy mpiandry nanao hoatr’izany koa tao amin’ny fiangonana, dia tsy navela hiandry ny ondrin’i Kristy intsony. (Ezek. 20:38) Mpiandry Tena Tsara i Jesosy, dia nataony izay hikarakarana tsara ny ondriny. Nanendry ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina izy tamin’ny 1919. Ireo Kristianina voahosotra vitsivitsy ireo no nanome sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakan’Andriamanitra nanomboka teo, dia lasa voakarakara tsara ry zareo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nampiofanina mba hikarakara “ny andian’ondrin’Andriamanitra” koa ny anti-panahy. (1 Pet. 5:1, 2) Matetika ny Ezekiela 34:15, 16 no ampiasaina mba hampahatsiahivana ny mpiandry kristianina hoe inona no takin’i Jehovah sy Jesosy amin-dry zareo.

31. Akory nan̈atantirahany Jehovah faminanian̈a aminy Ezekiela 11:19?

31 FAMPANANTENANA 5: Hiray saina ny mpanompon’i Jehovah. Lasa antokom-pivavahana sy sekta be dia be ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina tao anatin’ny taonjato maro, ary tsy miray saina mihitsy ry zareo. Tsy hoatr’izany anefa ny vahoakan’i Jehovah rehefa avy nafahana tao amin’i Babylona Lehibe. Tanteraka tamin’ny fomba miavaka ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Homeko fo iray izy ireo.” (Ezek. 11:19) An-tapitrisany mantsy ny mpanara-dia an’i Kristy maneran-tany. Avy amin’ny foko sy fivavahana isan-karazany ry zareo ary samy manana ny fari-piainany, nefa miray saina izy rehetra satria mitovy ny fampianarana raisiny sy ny asa ataony. Hoatran’ny hoe nanao fahagagana mihitsy i Jehovah! Tadidio koa fa tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany, dia nivavaka mafy i Jesosy hoe mba hiray saina foana ny mpanara-dia azy. (Vakio ny Jaona 17:11, 20-23.) Novalian’i Jehovah amin’ny fomba miavaka izany vavaka izany.

32. Ino raha tsapanao anao koa fa mieritreritry fomba han̈ampodianan̈a amy plasiny raha jiaby? (Zahava koa efajoro: “Faminaniana Momba ny Sesitany sy ny Famerenana Amin’ny Laoniny.”)

32 Tsy faly be ve ianao hoe ao anatin’ny fotoana amerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio isika izao? Manatanteraka ny faminanian’i Ezekiela ny zava-drehetra ataontsika mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Afaka matoky isika hoe mankasitraka ny vahoakany i Jehovah amin’izao, araka ny efa nolazainy tamin’ny alalan’i Ezekiela hoe: “Hankasitraka anareo aho.” (Ezek. 20:41) Mba eritrereto ange e! Nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe ny vahoakan’i Jehovah rehefa avy natao sesitany ela be. Miparitaka eran-tany ry zareo nefa miray saina sady miara-midera an’i Jehovah ary mahazo sakafo ara-panahy araka izay ilainy. Tsy hitanao ve fa tombontsoa be ny hoe anisan’io vahoaka io? Mbola ho tanteraka amin’ny fomba miavaka kokoa anefa ny faminaniana sasany nolazain’i Ezekiela momba ny famerenana amin’ny laoniny.

“Karaha zaridain̈iny Edena”

33-35. a) Ino raha navy tan̈aty jerindro Jiosy baka sesitany koa fa naharen̈y faminanian̈any Ezekiela 36:35? b) Mba mahakasiky panompony Jehovah izioty ma fampan̈antinan̈a io? Hazavà. (Zahava koa efajoro: “Fotoana Hamerenana ny Zava-drehetra Amin’ny Laoniny.”)

33 Hitantsika teo fa tamin’i Jesosy lasa Mpanjaka tamin’ny 1914 no nanomboka “ny fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny”, satria lasa nisy mpanjaka taranak’i Davida indray nanomboka teo. (Ezek. 37:24) Nampian’i Jehovah i Jesosy avy eo mba hanafaka ny vahoakany avy tao amin’i Babylona Lehibe sy hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Mbola misy zavatra hafa haverin’i Jesosy amin’ny laoniny anefa amin’ny hoavy, ary tena miavaka ny fomba hanatanterahany an’izany. Misy tsipiriany mahaliana momba an’izany ao amin’ny faminanian’i Ezekiela.

34 Izao, ohatra, no nampanantenain’i Jehovah: “Hiteny ny olona hoe: ‘Oay! Lasa hoatran’ny zaridainan’i Edena ilay tany tsy nisy mponina!’” (Ezek. 36:35) Inona no tonga tao an-tsain’i Ezekiela sy ny Jiosy hafa natao sesitany rehefa naheno an’izany? Azo antoka fa tsy nieritreritra ry zareo hoe ara-bakiteny ireo teny ireo, ka ho lasa hoatran’ilay Paradisa namboarin’i Jehovah tamin’ny voalohany ny tanin-dry zareo. (Gen. 2:8) Azo inoana kosa fa azon’izy ireo hoe te hanome toky i Jehovah fa ho lasa tsara tarehy be sy hamokatra be ilay tany rehefa tafaverina any ry zareo.

35 Mbola mahakasika antsika ve io fampanantenana io? Tsy manantena aloha isika hoe ho tanteraka ara-bakiteny izany amin’izao. Mbola i Satana Devoly mantsy no mifehy ny tontolo misy antsika. Takatsika kosa hoe ilay tany an’ohatra naverina tamin’ny laoniny, izany hoe ilay paradisa ara-panahy, no tiana horesahina. Mahasoa ny hafa sy manome voninahitra an’i Jehovah ny fanompoana masina ataontsika ao amin’io paradisa io, ary izany fanompoana izany no zava-dehibe indrindra amintsika. Vao mainka mihatsara io paradisa ara-panahy io arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Fa mbola ho tanteraka ara-bakiteny ve io fampanantenana io amin’ny hoavy?

36, 37. Ino aby fampan̈antinan̈a ho tanteraka amy Paradisa?

36 Haverin’i Jesosy amin’ny laoniny ny tany manontolo rehefa vita ny ady Aramagedona. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, dia hanampy ny olombelona izy mba hanova ny tany ho lasa paradisa hoatran’ny zaridainan’i Edena, araka ilay efa noeritreretin’i Jehovah tamin’ny voalohany. (Lioka 23:43) Hihavana tsara ny olombelona rehetra amin’izay ary hikarakara tsara ny tany. Tsy hisy na inona na inona hampidi-doza na hampatahotra amin’izany. Eritrereto ange hoe hanao ahoana ny fiainana amin’izany e! Ho tanteraka ilay fampanantenana hoe: “Hanao fifanekem-pihavanana amin’izy ireo aho, ary hesoriko tanteraka ao amin’ilay tany ny bibidia masiaka, ka hiadana sy hilamina izy ireo any an-tany efitra, ary hatory any an’ala.”​—Ezek. 34:25.

37 Alao sary an-tsaina ange e! Midadasika be ity tany ity nefa ho afaka hitety an’izay toerana tianao haleha ianao. Tsy hatahotra ianao hoe hisy biby na zavatra hafa hampidi-doza anao. Ho afaka hitsangantsangana irery any anaty ala mikitroka ianao, dia hankafy ny hakanton’ny zavaboary. Ho afaka hatory any anaty ala mihitsy aza ianao nefa tsy hanana ahiahy, ary hahazo aina tsara rehefa mifoha avy eo.

Eritrereto hoe ho afaka “hatory any an’ala” ianao indray andro any nefa tsy hatahotra mihitsy (Fehintsoratra 36, 37)

38. Ino raha tsapanao anao koa fa mieritreritry fahatantirahany faminanian̈a aminy Ezekiela 28:26?

38 Ho tanteraka koa ity fampanantenana ity amin’izay: “Hiadana sy hilamina izy ireo ao amin’ilay tany, ka hanao trano sy hamboly voaloboka. Ary hiadana sy hilamina izy ireo rehefa mampihatra didim-pitsarana amin’izay manesoeso azy aho, dia izay rehetra manodidina azy. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny.” (Ezek. 28:26) Tsy ho eo intsony ny fahavalon’i Jehovah ka hiadana sy hilamina isika. Hikarakara ny tany isika sady ho afaka hikarakara an’izay ilaintsika sy ny fianakaviantsika. Hanorina trano mety tsara amintsika isika sady hamboly voaloboka.

39. Nan̈ino anao matoky fa ho tanteraka faminanian̈a nikoran̈iny Ezekiela momba Paradisa?

39 Hoatran’ny hoe nofinofy fotsiny ve ireo fampanantenana ireo aminao? Raha izany, dia tadidio fa efa be dia be ny faminaniana tanteraka hatramin’ny nanombohan’ny “fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny.” Eritrereto fa vitan’i Jesosy ny namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio, na dia tao anatin’ny haizim-pito aza izao tontolo izao ary na dia nanohitra mafy azy aza i Satana. Porofo tsy azo lavina izany fa tsy maintsy ho tanteraka daholo izay nampanantenain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Ezekiela!

a Tao amin’ny tanàna kely tsy lavitra an’i Babylona ny ankamaroan’ny Jiosy natao sesitany no nipetraka. Nisy tamin-dry zareo, ohatra, teo amoron’ny reniranon’i Kebara, anisan’izany i Ezekiela. (Ezek. 3:15) Nisy Jiosy vitsivitsy anefa tao Babylona mihitsy no nipetraka, anisan’izany “ny avy amin’ny taranaky ny mpanjaka sy ny taranaky ny olona ambony.”​—Dan. 1:3, 6; 2 Mpanj. 24:15.

b Marina fa nisy olona nitondra fanovana teo amin’ny fivavahana tamin’ny taona 1500 tany ho any, nefa tsy misy porofo ahafahantsika milaza hoe Kristianina voahosotra ry zareo.