Hizaha raha an̈atiny

Handeha amy tany misy hevitry maventy

TOKO 19

“Ho Velon̈o Raha Jiaby amy Tany Andalovany Ten̈arano io”

“Ho Velon̈o Raha Jiaby amy Tany Andalovany Ten̈arano io”

EZEKIELA 47:9

HEVITRY HIDINIHIN̈Y: Karakory nampatanteraka fahitan̈a momba ten̈arano mivalan̈a baka amy tempoly in̈y? Akory fahatantirahanizio amy zioty? Akory hampatanteraka izio aminy amaray?

1, 2. Izikoa Ezekiela 47:1-12 zahan̈a, ino aby raha hitany Ezekiela? (Zahava sary amy fanombohany toko ty.)

 NISY zavatra hafa nahafinaritra be hitan’i Ezekiela tao amin’ilay fahitana momba ny tempoly. Nisy rano nikoriana avy tao amin’ilay tempoly. Alao sary an-tsaina ange i Ezekiela nandeha nanaraka an’ilay rano mangalahala e! (Vakio ny Ezekiela 47:1-12.) Nikoriana avy teo amin’ny tokonan’ny toerana masina izy io ary nandalo tamin’ireo trano hafa anisan’ny tempoly teny akaikin’ny vavahady atsinanana. Nentin’ilay anjely niala ny tempoly izy avy eo sady norefesin’ilay anjely ihany ny lalana vitan-dry zareo. Nasainy niampita an’ilay rano imbetsaka i Ezekiela. Vetivety dia nihalalina ilay rano, ary tsy lasa lavitra akory i Ezekiela dia efa lasa renirano be ilay izy ka tsy maintsy nilomano izy raha te hiampita.

2 Lasa fantatr’i Ezekiela hoe nivarina tany amin’ny Ranomasina Maty io renirano io. Nasira be ilay ranomasina ka tsy nisy trondro mihitsy tao. Nositranin’ilay renirano anefa ilay ranomasina, dia lasa feno trondro izay nandalovan’ilay izy tao amin’ilay ranomasina. Nisy hazo isan-karazany koa teo amoron’ilay renirano, dia mamoa foana izy ireo isam-bolana ary manasitrana ny raviny. Rehefa nahita an’ireo rehetra ireo i Ezekiela, dia tsy maintsy hoe lasa tony sy nanana fanantenana. Inona anefa no dikan’io fahitana io ho an’i Ezekiela sy ny olona niara-natao sesitany taminy? Ary inona no dikan’izy io ho antsika?

Ino dikany fahitan̈a io tamindro Jiosy aby natao sesitany?

3. Akory nahaizandro Jiosy aby io fa tsy arabakiteny ten̈arano tamy fahitan̈a io?

3 Azo antoka fa fantatr’ireo Jiosy natao sesitany hoe tsy ara-bakiteny ilay renirano tao amin’ilay fahitana. Azo inoana hoe nampahatsiahy an-dry zareo faminaniana hafa momba ny famerenana amin’ny laoniny io fahitana io. I Joela mpaminany no nanoratra an’ilay izy, angamba 200 taona mahery talohan’izay. (Vakio ny Joela 3:18.) Rehefa namaky an’io faminaniana io ny Jiosy, dia tsy nieritreritra hoe ho tanteraka ara-bakiteny ilay izy, ka hoe “hisy divay mamy hitete eny an-tendrombohitra”, “hisy ronono hikoriana eny amin’ny havoana”, ary “hisy loharano hikoriana avy ao an-tranon’i Jehovah.” Azo inoana fa takatr’izy ireo koa hoe tsy ara-bakiteny ilay renirano tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela. a Inona àry ny hafatra tian’i Jehovah hampitaina tamin’ilay izy? Manampy antsika hahafantatra ny dikan’ny zavatra sasany ao amin’ilay fahitana ny Baiboly. Ny fanomezan-toky telo feno fitiavana ao amin’ilay fahitana anefa no tena hifantohantsika izao.

4. a) Ino hatsaran̈a nantinaindro Jiosy aby io, iro koa fa nieritreritry ten̈arano hitany Ezekiela in̈y? b) Ino toky anan̈antsika izikoa fa zahan̈a fomba ampiasainy Baiboly “ten̈arano” ndreky “rano”? (Zahava efajoro “Renirano Mitondra Fitahiana avy Amin’i Jehovah.”)

4 Renirano mitondra fitahiana. Matetika no mampiseho ny fitahiana be dia be omen’i Jehovah ny vahoakany ny rano sy ny renirano, ao amin’ny Baiboly. Avy tao amin’ny tempoly ilay renirano hitan’i Ezekiela no nikoriana. Azo inoana àry fa takatry ny Jiosy hoe hahazo fitahiana ara-panahy be dia be ry zareo raha mbola manaraka ny fivavahana madio. Inona izany fitahiana izany? Hanoro an-dry zareo an’izay tokony hataony, ohatra, ny mpisorona. Hisy sorona hatao koa ao amin’ny tempoly, ka ho afaka hatoky indray ny vahoaka hoe ho voavela ny fahotany. (Ezek. 44:15, 23; 45:17) Ho azo lazaina hoe madio indray ry zareo amin’izay, ka hoatran’ny hoe nosasana tamin’ilay rano mangalahala nikoriana avy tao amin’ny tempoly.

5. Nan̈ino fahitan̈a momba ten̈arano io man̈amia toky atsika fa ho ampy ninolo jiaby hatsaran̈a hamiany Jehovah?

5 Ho ampy tsara ho an’ny olon-drehetra foana ve ilay fitahiana? Asehon’ilay fahitana fa rano kely no nikoriana tamin’ny voalohany, nefa mahagaga fa afaka roa kilaometatra teo ho eo fotsiny dia lasa renirano be ilay izy! (Ezek. 47:3-5) Nanome toky izany hoe na dia hihabetsaka aza ny Jiosy rehefa tafaverina any an-tanindrazany, dia azo antoka fa hampitomboin’i Jehovah arakaraka izay ny fitahiana harotsany. Asehon’ilay renirano àry hoe be dia be ny fitahiana homen’i Jehovah.

6. a) Ino toky anan̈atsika baka amy rano mahavelon̈o tamy fahitan̈a in̈y? b) Ino fampitandreman̈a azontsika baka aminany io? (Zahava lamariky amy pazy ambany.)

6 Rano mahavelona. Nikoriana nankany amin’ny Ranomasina Maty ilay renirano hitan’i Ezekiela, dia lasa velona izay rano nandalovan’izy io tao. Mariho fa lasa nisy trondro be dia be tao amin’izay toerana nandalovan’ilay rano, ary nisy karazany maro ilay izy, hoatran’ny tao amin’ny Ranomasina Lehibe (Ranomasina Mediterane). Niroborobo be mihitsy aza ny fanaratoana teo amoron’ny Ranomasina Maty, teo anelanelan’ny tanàna roa izay azo inoana hoe nifanalavitra be. Hoy koa ilay anjely: “Ho velona ny zava-drehetra any amin’izay ikorianan’ilay renirano.” Midika ve izany hoe ny Ranomasina Maty iray manontolo no tongan’ilay rano nikoriana avy tao amin’ny tranon’i Jehovah? Tsia. Nohazavain’ilay anjely fa tsy tongan’ilay rano mahavelona ny faritra sasany feno honahona, ary “havela hisy sira eo foana” izy ireny. b (Ezek. 47:8-11) Nanome toky àry ilay fahitana hoe hahatonga ny vahoakan’i Jehovah ho velona indray ny fivavahana madio ka ho sambatra be ry zareo. Nampitandrina koa anefa izy io hoe tsy ny rehetra no hanaiky handray ny fitahian’i Jehovah ary tsy ny rehetra no ho sitrana.

7. Ino toky nazondro Jiosy aby io, iro koa fa nieritreritry kakazo maniry amy sisiny ten̈arano io?

7 Hazo fihinam-boa sady manasitrana. Tsy hoe manome endrika an’ilay tanàna fotsiny ireo hazo be dia be teo amoron’ilay renirano ireo, fa misy dikany koa. Azo antoka fa faly erỳ i Ezekiela sy ny Jiosy niara-natao sesitany taminy, rehefa nieritreritra hoe ho tsara be ny voankazo avy amin’ireo hazo ireo sady amin’izay isam-bolana ry zareo hioty amin’izany foana! Nanome toky an-dry zareo koa io fahitana io hoe hanome sakafo ara-panahy ho azy ireo foana i Jehovah. Ankoatra an’izay, dia resahin’ilay andininy hoe ‘hanasitrana’ ny ravin’ireo hazo ireo. (Ezek. 47:12) Nampanantena i Jehovah fa homeny fanasitranana ara-panahy ny vahoakany, satria fantany hoe izay no tena ilain-dry zareo rehefa tafaverina any an-tanindrazany ry zareo. Nanazava ny fomba nanasitranan’i Jehovah ny vahoakany ny faminaniana hafa momba ny famerenana amin’ny laoniny, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko faha-9.

8. Ino man̈aboaka fa mbala ho tanteraka amy fomba miavaka koa fahitan̈any Ezekiela io?

8 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-9 koa anefa fa ny ampahany tamin’ireny faminaniana ireny ihany no tanteraka tamin’ny Jiosy niverina tany an-tanindrazany. Ny nataon’izy ireo ihany no nahatonga an’izany. Matetika mantsy ry zareo no lasa nanao ratsy indray sady tsy nankatò ary tsy niraharaha ny fivavahana madio. Ahoana moa no mbola hitahian’i Jehovah an-dry zareo amin’izany? Nalahelo sady diso fanantenana ny Jiosy tsy nivadika rehefa nahita ny nataon’ny Jiosy hafa. Fantatr’izy ireo koa anefa fa mitana ny teniny foana i Jehovah, ka tsy maintsy tanteraka izay ampanantenainy. (Vakio ny Josoa 23:14.) Tsy maintsy mbola ho tanteraka amin’ny fomba miavaka kokoa àry ilay fahitan’i Ezekiela. Rahoviana anefa?

Mivalan̈a ten̈arano io amy zioty!

9. Ombian̈a vo ho tanteraka amy fomba miavaka tsarabe fahitan̈any Ezekiela momba tempoly in̈y?

9 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-14 fa tanteraka amin’ny fomba miavaka kokoa ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly “amin’ny andro farany”, rehefa asandratra avo noho ny hatramin’izay ny fivavahana madio. (Isaia 2:2, f.a.p.) Ahoana àry no ahatanterahan’io ampahany amin’ny fahitan’i Ezekiela io amin’izao andro izao?

10, 11. a) Ino hatsaran̈a amezany Jehovah vahoakanany ke mampatsiaro atsika ten̈arano in̈y? b) Ino porofo fa nahampy fo hanin̈y arapan̈ahy nazony panompony Jehovah ndray nitombo isakandro?

10 Renirano mitondra fitahiana. Inona ny fitahiana omen’i Jehovah, ka mampahatsiahy antsika an’ilay renirano mikoriana avy ao amin’ny tranon’i Jehovah? Anisan’izany ny zavatra rehetra ataony mba hahatonga antsika ho salama ara-panahy sy ho ampy sakafo ara-panahy. Ny soron’i Kristy no lehibe indrindra amin’ny fitahiana azontsika, satria izy io no mahatonga antsika hahazo famelan-keloka. Azo oharina amin’ny rano mahavelona sy manadio koa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Efes. 5:25-27) Inona no porofo fa tena mahazo an’ireo fitahiana ireo isika amin’izao andro izao?

11 An’aliny fotsiny ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny 1919, ary faly be ry zareo hoe nahazo an’izay sakafo ara-panahy nilainy. Nihanitombo foana anefa ny isan-dry zareo, dia efa valo tapitrisa mahery amin’izao. Naharaka foana ve ny sakafo ara-panahy azon-dry zareo? Ie! Be dia be ny fahamarinana ara-baiboly nohazavaina tamintsika, ka hoatran’ny hoe nikoriana foana ilay renirano mitondra fitahiana. An’arivony tapitrisa ny Baiboly, boky, gazety, bokikely, ary taratasy mivalona navoaka tao anatin’ny zato taona lasa, mba hampianarana ny vahoakan’Andriamanitra. Hoatran’ilay renirano hitan’i Ezekiela àry, dia nitombo haingana be ny sakafo ara-panahy ka ampy tsara ho an’ny olona rehetra mangetaheta ny fahamarinana eran-tany. Mbola misy vita pirinty hoatran’ny hatramin’izay ny boky ara-baiboly avoakantsika. Misy amin’ny endrika elektronika koa anefa izy ireny amin’izao ary azo jerena amin’ny fiteny 1000 mahery ao amin’ny tranonkala jw.org! Inona no vokatr’izany rehetra izany amin’ny olona tia ny fahamarinana?

12. a) Nan̈ino karaha mamelon̈o ndreky man̈ajanga olo fahamarin̈ana io? b) Ino fampitandrema ten̈a ilaintsika amy fahitan̈a io? (Zahava lamariky amy pazy ambany.)

12 Rano mahavelona. Nolazaina tamin’i Ezekiela hoe: “Ho velona ny zava-drehetra any amin’izay ikorianan’ilay renirano.” Eritrereto ange e! Nisy vokany tsara teo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany ao amin’ilay paradisa ara-panahy ny fahamarinana, ka lasa hoatran’ny hoe velona sy sitrana ry zareo. Misy fampitandremana tena ilaintsika koa anefa ao amin’ilay fahitana. Mitovy amin’ireo heniheny sy honahona tao amin’ilay izy ny fon’ny olona sasany, satria lasa tsy mety manaiky sy mampihatra ny fahamarinana intsony ry zareo rehefa mandeha ny fotoana. c Tokony ho mailo àry isika mba tsy ho lasa hoatr’izany!​—Vakio ny Deoteronomia 10:16-18.

13. Ino raha hianarantsika baka tamy kakazo naniry tamy sisiny ten̈arano io?

13 Hazo fihinam-boa sady manasitrana. Inona ny lesona mampahery raisintsika avy amin’ireo hazo teo amoron’ilay renirano? Tadidio fa tsara be ny voankazo tamin’ireo hazo ireo ary namoa isam-bolana izy ireo sady nanasitrana ny raviny. (Ezek. 47:12) Mampahatsiahy antsika izany hoe manome sakafo ara-panahy be dia be i Jehovah sady manasitrana antsika amin’ny lafiny ara-panahy, ary izay no fanasitranana tena ilaintsika. Tsy mahazo ny fahamarinana resahin’ny Baiboly ny olona eo amin’izao tontolo izao, ka hoatran’ny hoe marary sy noana. Eritrereto kosa ny zavatra omen’i Jehovah antsika. Efa nisy fotoana ve ianao faly be rehefa nahazo sakafo ara-panahy? Vao avy namaky lahatsoratra iray tao amin’ny gazetintsika angamba ianao tamin’izay, na avy nihira ny hira farany tamin’ny fivoriambe, na avy nijery video na fandaharana Tele JW. Tsapantsika amin’ireny hoe ampy tsara ny sakafo ara-panahy azontsika! (Isaia 65:13, 14) Mahasalama antsika ve ireny sakafo ara-panahy ireny? Izany mihitsy! Miorina amin’ny Soratra Masina mantsy ny torohevitra azontsika, dia manampy antsika izany mba hanam-pinoana bebe kokoa sy hanalavitra ny ratsy, ohatra hoe ny fitondran-tena maloto na ny faniriana tsy mety afa-po. Nanao fandaharana koa i Jehovah mba hanampiana ny Kristianina marary ara-panahy satria nanao fahotana lehibe. (Vakio ny Jakoba 5:14.) Mahazo fitahiana be dia be àry isika, ary izay no asehon’ireo hazo ao amin’ilay fahitan’i Ezekiela.

14, 15. a) Ino fianaran̈a tsy tokony hoadin̈antsika baka tamindro honahona tamy fahitan̈any Ezekiela in̈y? b) Ino hatsaran̈a azontsika baka amy ten̈arano tamy fahitan̈a in̈y?

14 Misy lesona azontsika raisina koa avy amin’ireo honahona tao amin’ilay fahitana. Tsy tokony handa ny fitahiana omen’i Jehovah antsika mihitsy isika. Mampalahelo raha tsy ho sitrana mihitsy isika fa harary ara-panahy foana, hoatran’ny olona be dia be eo amin’izao tontolo izao. (Mat. 13:15) Faly kosa isika mandray soa avy amin’ilay renirano mitondra fitahiana. Mahavelona sy manasitrana izy io, na aiza na aiza alehany! Mahatsapa an’izany isika rehefa misotro ny ranon’ny fahamarinana avy ao amin’ny Soratra Masina sy rehefa mizara an’izany amin’ny hafa. Mahatsapa an’izany koa isika rehefa mahazo torohevitra na fampaherezana na fanampiana avy amin’ny anti-panahy, izay efa nahazo fiofanana avy tamin’ny mpanompo mendri-pitokisana.

15 Ahoana anefa no hahatanterahan’io fahitana io amin’ny hoavy? Ho hitantsika fa any amin’ny Paradisa vao tena hiboiboika be io renirano io.

Akory hampatanteraka fahitan̈a io amy Paradisa?

16, 17. a) Nan̈ino atsika mivolan̈a fa amy Paradisa an̈y, hahay han̈avy fo ten̈arano mitondra hatsaran̈a io? b) Ino hatsaran̈a ho azontsika baka amy ten̈arano io amy Paradisa?

16 Alao sary an-tsaina hoe ao amin’ny Paradisa ianao, dia mankafy fiainana miaraka amin’ny namanao sy ny fianakavianao. Vao mainka hazava ao an-tsainao izany fanantenana izany rehefa mianatra an’ilay fahitan’i Ezekiela momba an’ilay renirano ianao. Nahoana? Andao hiverenantsika indray ireo fanomezan-toky telo feno fitiavana tao amin’ilay fahitana.

17 Renirano mitondra fitahiana. Vao mainka hiboiboika be io renirano io ao amin’ny Paradisa, satria tsy fitahiana ara-panahy fotsiny no hoentiny fa mbola mihoatra noho izany. Hanampy ny olona tsy mivadika mba handray soa feno avy amin’ny sorom-panavotana ny Fanjakan’Andriamanitra, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy. Ho lasa lavorary tsikelikely ry zareo amin’izay! Tsy hisy intsony ny aretina, ny dokotera, ny mpitsabo mpanampy, ary ny hopitaly. Handray soa avy amin’ilay ranon’aina ny olona an-tapitrisany tsy maty tamin’ny Aramagedona, izany hoe ny “vahoaka be” tafavoaka velona tamin’ny “fahoriana lehibe.” (Apok. 7:9, 14) Efa betsaka ireo fitahiana ireo nefa mbola ho betsaka lavitra izany amin’ny hoavy. Asehon’ilay fahitan’i Ezekiela mantsy fa hihabetsaka ny rano amin’ilay renirano, ka ho ampy tsara foana ny fitahiana hoentin’izy io na dia hihabetsaka aza ny zavatra hilaina.

Ao amin’ny Paradisa, dia hitondra fitahiana ilay renirano ka ho lasa tanora sy salama tsara ny olona rehetra (Fehintsoratra 17)

18. Amy fanjakan̈a arivo taon̈o, amy fomba akory hahavy “ten̈aranony ranony fahin̈ana” io ho tondraka mare?

18 Rano mahavelona. Ho lasa renirano be misasasasa ilay “reniranon’ny ranon’aina” mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. (Apok. 22:1) Olona an-tapitrisany, an’arivony tapitrisany mihitsy aza, no hatsangana amin’ny maty ka handray soa avy amin’izy io sy ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa! Anisan’ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny hoe hovelomina indray ny olona efa nipetraka tao anaty vovoka efa ela be. (Isaia 26:19) Ho velona mandrakizay daholo ve anefa izay hatsangana amin’ny maty?

19. a) Akory hahaizantsika fa han̈ambaran̈a raha vaovao atsika io amy Paradisa? b) Nan̈ino olo sasany amy Paradisa mety ampiran̈iny amindro honahona ‘nambela ho hisy sira fo’?

19 Tsy maintsy hisafidy ny tsirairay rehefa ao amin’ny Paradisa. Hisy horonam-boky vaovao hosokafana amin’izany fotoana izany, izany hoe hisy fahamarinana sy toromarika vaovao homen’i Jehovah, ary mbola anisan’ny rano mamelombelona avy aminy izany. Tsy mahafinaritra anao ve ny mieritreritra hoe hahazo an’izany koa isika? Mbola hisy olona tsy hanaiky handray an’io fitahiana io anefa, fa aleony tsy mankatò an’i Jehovah. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, dia mety hikomy aminy ny olona sasany nefa tsy havela hanakorontana ny fiainana ao amin’ny Paradisa. (Isaia 65:20) Tadidintsika angamba ireo honahona tsy nety sitrana fa ‘navela hisy sira foana’, tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Tena adala izay olona mafy loha sy tsy mety misotro amin’ilay ranon’aina! Aorian’ny Fanjakana Arivo Taona koa dia mbola hisy mpikomy hanaraka an’i Satana. Ahoana no hiafaran’izay mandà ny fitondran’i Jehovah? Ho faty daholo ry zareo ary tsy afaka hanantena ny ho velona intsony.​—Apok. 20:7-12.

20. Ino fandaharan̈a hataony Jehovah an̈atiny fanjakan̈a arivo taon̈o ke mampatsiaro atsika iro kakazo aby tamy fahitan̈a in̈y?

20 Hazo fihinam-boa sady manasitrana. Tian’i Jehovah hiaina mandrakizay daholo ny olona ao amin’ny Paradisa fa tsy hisy ho ringana. Mbola hanao fandaharana àry izy amin’ny hoavy mba hanampiana ny olona tsy hivadika. Rehefa hitondra avy any an-danitra i Jesosy Kristy sy ireo 144 000 mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, dia tsy fitahiana ara-panahy ihany no homen’i Jehovah fa fitahiana hafa koa. Ho mpisorona ireo 144 000 ireo amin’izany, dia hanampy ny olona mba handray soa avy amin’ny soron’i Kristy ka ho lasa lavorary. (Apok. 20:6) Mampahatsiahy antsika an’ireo hazo hitan’i Ezekiela teo amoron’ilay renirano io fandaharana hataon’i Jehovah io. Nanoratra faminaniana tsara be mitovy amin’io fahitana io ny apostoly Jaona. (Vakio ny Apokalypsy 22:1, 2.) “Natao hanasitranana ny firenena” ny ravin’ireo hazo hitan’i Jaona. ‘Hanasitrana’ olona tsy mivadika an-tapitrisany ireo mpisorona 144 000, ka hanafaka an-dry zareo amin’ny ota sy ny fahafatesana.

21. Anao koa fa misaintsain̈y fahitan̈any Ezekiela momba ten̈arano in̈y, ino raha tsapanao? Ino raha hidinihintsika amy lahatsoratra man̈araka? (Zahava efajoro “Rano Kely Nikoriana Lasa Renirano Be!”)

21 Tsy hitanao ve hoe lasa tony sy manana fanantenana ianao rehefa misaintsaina an’ilay fahitan’i Ezekiela momba an’ilay renirano? Asehon’ilay izy fa ho tsara be ny hoavy! Efa an’arivony taona lasa izay i Jehovah no nanome faminaniana be dia be mba hanampiana ny olona haka sary an-tsaina ny Paradisa. Manam-paharetana koa izy satria efa hatramin’izany izy no nanasa ny olona mba hanao izay hahatongavana any amin’ny Paradisa, ka hahita ny hahatanterahan’ny zavatra kanto resahin’ireny faminaniana ireny. Ho eo ve ianao amin’izay? Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tena misy toerana ho ahy ve ao amin’izany Paradisa izany?’ Hanome toky anao ny teny faramparany ao amin’ny faminanian’i Ezekiela, ary izany no horesahin’ny toko manaraka.

a Ankoatra an’izay, dia azo inoana fa fantatr’ireo Jiosy nahatadidy ny paozipaozin’ny tanindrazany hoe tsy renirano ara-bakiteny ilay hitan’i Ezekiela. Nikoriana avy tao amin’ny tempoly teo amin’ny tendrombohitra avo be mantsy ilay renirano, nefa tsy nisy an’izany tempoly teo amin’ny tendrombohitra avo be izany tao amin’ilay tany. Raha jerena koa ilay faminaniana, dia hoatran’ny hoe mitsontsorika be mankany amin’ny Ranomasina Maty ilay renirano fa tsy misy manakantsakana mihitsy. Tsy mitombina anefa izany rehefa jerena ny paozipaozin’ilay tany.

b Misy manam-pahaizana milaza hoe ilazana zavatra tsara ilay hoe “havela hisy sira eo foana.” Nampiasaina mba hiarovana zavatra tsy ho simba mantsy ny sira, dia nandeha be ny varotra sira teo amin’ny faritra nisy ny Ranomasina Maty. Milaza anefa ilay faminaniana fa “tsy ho sitrana” ireo honahona, izany hoe tsy hisy zavamananaina ao, satria tsy tonga tany ilay rano mahavelona nikoriana avy tao amin’ny tranon’i Jehovah. Azo inoana àry fa ilazana zavatra ratsy ilay hoe sira eo amin’io andininy io.​—Sal. 107:33, 34; Jer. 17:6.

c Mitovitovy amin’izany ilay fanoharan’i Jesosy momba ny harato tarihina. Be dia be ny trondro azo tao anatin’ilay izy, fa tsy izy rehetra no “tsara.” Tsy maintsy nariana izay ratsy. Te hampitandrina i Jesosy tamin’izay hoe betsaka amin’ny olona ao amin’ny fandaminan’i Jehovah no mety hivadika rehefa mandeha ny fotoana.​—Mat. 13:47-50; 2 Tim. 2:20, 21.